(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Fitsaram-bahoaka: Afa-mamarana ny herisetran'andian'olona ve i Nizeria? [1]

['Pamela Ephraim']

Date: 2025-07-22

Avy amin'i Pamela Ephraim sy Adewale Fajana

Manjaka any Nizeria ny fitsaram-bahoaka, endrika fanasaziana tsy ara-dalàna ataon'andian'olona na vondrom-piarahamonina mandray ny lalàna ho eo ampelantanany. Mitatitra ny Amnesty International fa farafahakeliny 555 ny trangam-pitsaram-bahoaka voarakitra tao Nizeria tanelanelan'ny taona 2012 ka hatramin'ny taona 2023 ary lazainy fa sady mihamahazo vahana no mihamahazo faka ny herisetra.

Mazàna tafiditra anatin'izany ny fanalam-baraka ampahibemaso, daroka, fampijaliana, eny fa na hatramin'ny famonoana ho faty mihitsy aza — noho ny fiahiahiana heloka bevava, tsy misy porofo, fisamborana, na fitsarana. Tamin'ny taona 2022, tovolahy iray voampanga ho nangalatra môtô no maty nodoran'ny andian'olona tao amin'ny fanjakan'i Edo, nahitana ny nataon'andian'olona tanaty horonantsary nivezivezy tao amin'ny media sosialy. Ny ampitso, vehivavy kristiana mpianatra iray 22 taona no notorahan'andiana mpianatra miozolomana vato mandra-pahafatiny rehefa nampangaina ho niteny ratsy ny finoana silamo. Tamin'ny taona 2024, nenjehina sy nosamborina ary nodoran‘andian'olona romotra ireo olona nahiahiana ho mpangalatra finday tao Jos, Fanjakana Plateau. Nasehon'ireo trangan-javatra ireo ny endrika tsimatimanota manahiran-tsaina sy ny fidorororo na tsy-fisian'ny fitsarana, satria mahalana no fantatra na tsaraina ny ankamaroan'ireo mpanetsi-bahoaka.

Hamarinin'ny Nizeriana sasany ho ratsy ilaina noho ny habibiany ny fitsaram-bahoaka. Mandresy lahatra ry zareo fa mahatonga ny fanarenana ara-pitsarana ho tsy azo ianteherana ny kolikoly ataon'ny polisy, ny fanemorana ny fitsarana, ary ny tsimatimanota tsikaritra.

“Amin'izao fotoana izao, toa hita ho tsara kokoa noho ny rafi-pitsarana nizeriana ny fitsaram-bahoaka”, hoy ny mpisera X iray nizara tamin'ny ranty malaza iray. Skales, Nizeriana mpampiala voly, niteny hoe : “Vitsy kokoa ny heloka bevava eto Nizeria raha oharina amin’ny any UK noho ny fitsaram-bahoaka.”

Raha niresaka tao amin'ny X Space mitondra ny lohateny hoe “Fitsaram-bahoaka sy zon'olombelona: Antony sy fiantraikany eto Nigeria,” Nilaza i Olalekan I. Oladapo, mpisolovava, hoe:

The Constitution provides for a presumption of innocence until proven guilty, and the burden of proof lies on the prosecution, not the defendant. So the problem does not largely lie in the judiciary; it lies in the system. The criminal justice system takes a long time, and people want justice immediately. Until we are able to put all the necessary reforms on this, we are still going to face the same problem.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2025/07/22/175249/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/