(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Nahazo loka teo amin'ny sehatra iraisampirenena, Mouhamed Zamal Guèye mampahatsiahy ny lova manankaren'ny literatioran'i Senegaly [1]

['Jean Sovon']

Date: 2025-07-20

Mitohy mampanan-karena ny tontolo mampiasa sy miteny frantsay ny literatiora senegaly: tanora senegaley iray poeta, i Mouhamed Zamal Guèye, no vao avy nahazo loka iray malaza sy iraisampirenena ho an'ny tononkalo.

26 taona i Guèye, ary ny 5 Jolay teo no nahazoany ny andiany 2025 tamin'ny fifaninanana iraisampirenena momba ny tononkalo nokarakarain'ny fikambanana Femmes au Secours de la Paix, ONG iray noforonin'ireo vehivavy mitolona hisian'ny fandriampahalemana, tamin'ny 2015 tao Frantsa. Ilay loka dia atolotra ivelan'ny fankalazana ny Andro Erantany ho an'ny Fandriampahalemana ankalazaina rehefa 21 Septambra manerana izao tontolo izao.

Tamim-pamirapiratana tokoa no nahazoan'i Guèye ny loka voalohany tamin'ilay fifaninanana nafantoka tamin'ny lohahevitra hoe “Ny fandriampahalemana ao an-jaridainako”. Ao amin'ny kaontiny X, manoratra izy:

Ce qui m’arrive aujourd’hui n’est pas le fruit du hasard, ni le simple résultat d’un effort personnel. C’est plus grand que moi, plus juste, plus profond. C’est un signe, un souffle, une bénédiction. Je le ressens dans chaque regard bienveillant, dans chaque message reçu, dans… pic.twitter.com/EnZLNbIsGO

— Zamal_gueye🇸🇳 (@gueye_zamal) July 7, 2025

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2025/07/20/175213/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/