(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Ao Burundi, fitondràna miaina krizy sy tanora mandositra faobe ny fireneny [1]
['Afrique Xxi']
Date: 2025-07-18
Ao anatin'ny fifanomezan-tànana amin'ny www.afriquexxi.info no amerenan'ny Global Voices ity lahatsoratra ity. Hita ao amin'ny tranonkala Afriquexxi ny lahatsoratra niandohana.
Ao Burundi, noteren'ny krizy lalina ara-toekarena handao ny tokantranony sy mba hitsapa vintana any amin'ireo firenena mpifanolo-boridindrina ireo tanora an'aliny marobe diso fanantenana.
Nanjombona sy tsy nisy mpiraharaha nandritra ny fotoana ela, tsy afaka ny hotsinontsinoavina ny famirapiratan'i Gitega ankehitriny, tanàna ao afovoan'ny firenena, renivohitra pôlitikan'i Burundi ary toerana niavian'i Évariste Ndayishimiye (filohampirenena nanomboka tamin'ny 2020). Ankehitriny i Gitega dia toy ny misitraka ireo soa maro mifangaro, ara-tantara sy ara-pôlitika ary jeôgrafika, miaraka amin'ny fananganana ireo hôtely vaovao saika eny rehetra eny, ny fisokafan'ireo fandraharahana vaovao (indrindra fa ireo magazay mpivarotra fitaovana fanorenana), ao anatin'ny kotaba isanandron'ireo anjomara mifandimby mba hisava lalana ho ana minisitra iray handeha hamonjy kaonferansa, na manamboninahitra ambony iray ao amin'ny tafika handeha hitsirika ny toeram-piompiany, na olona ambony iray ao amin'ny Conseil National de Défense de la Démocratie-Forces pour la Défense de la Démocratie (CNDD-FDD), antoko eo amin'ny fitondrana, avy namonjy fivoriana pôlitika iray.
Mampisalasala ny momba io fitaomana io rehefa atodika ny maso tsy hijery ireo toeram-panorenana goavana ka mankany amin'ireo olompirenena tsotra, eny an'arabe na eny amin'ireo havoana. Eo anoloan'i Matergo (afovoan'i Gitega), toerana ifanolosoloan'ireo manampahefana, diplaomaty sy mpandraharaha…. Misy fiara roa mijanona mifanila, misokatra ny fitoeran-tsolikany. Lehilahy iray eo anelanelan'izy roa mitroka ny ao amin'ny iray mba hamenoana ilay iray hafa. Matahotra ny momba azy, nibitsibitsika ny mpandalo iray, nanodina ny lohany havia havanana mba hiantohana fa tsy hisy sofina ranga handray ny teniny :
Tsy maintsy mahaliana ny adivarotra, hoy ny mpandalo iray. Mety nanolotra azy avo dimy heny amin'ny vidiny ara-dalàna ilay mpividy, na nihoatra mihitsy aza. Izany izao no fandraharahana vaovao eto, raha manana fiara ianao. Milahatra mandritra ny andro maro eny amin'ny tobin-tsolika ianao ka raha manam-bintana hahazo solika, amidinao indray amin'olona hafa tsy manana izay faharisihana izay. Izany no ilay Burundi ankehitriny. Tena mivaralila marina tokoa ilay fireneko !
Eto amin'ny firenena, toa manan-tsofina hatramin'ireo arabe izao. Ny fitenenana hoe mivaralila ilay firenena, ny hoe tsy mandroso ny fiainan'ny olompirenena noho ny olana ankapobeny amin'ny solika izay efa ho taona telo no naharetany, dia fanoherana ny fitantarana ôfisialy, ny an'ilay firenena iray izay tondra-dronono sy tantely. Eny tokoa, tsy tokony hisy afa-tsy haravoana ao amin'ny « sahan'i Edena », araka ny iantsoan'i Evariste Ndayishimiye tamim-pahasahiana an'i Burundi.
Fitondrana marary saina
Firenena iray ambany fanarahamaso hentitra i Burundi. Notanterahana tao anaty fanidiana pôlitika ireo fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly natao tamin'ny 5 Jona: efa nandritra ny folo taona ireo mpanohitra ara-pôlitika no nipetraka any an-tsesitany, ary efa saika ngoly avokoa ireo nijanona tao amin'ny firenena. Vokany : ny CNDD-FDD, antoko eo amin'ny fitondrana, no nahazo 100% ireo seza ao amin'ny Antenimieram-pirenena, zavabita toy ny an-dry zareo Koreana Tavaratra izay tsy mbola nisy antoko pôlitika nahatratra hatramin'izao, hatramin'ny nampidirana ny fahamaroan'antoko, tany amin'ny taona 1990 tany.
Azo tsapain-tanana ny fihenjanana eny an'arabe. Ireo tanora an-jatony avy amin'ny antokon'ny fitondrana, ry zareo Imbonerakure, tondroin'ny Firenena Mikambana ho milisy, manao jogging, indraindray mitam-piadiana sy manao fanamiana, miventy ireo hiran'ny tafika, raha ny polisy kosa manao sava hao. Manjaka ny honohono momba ny fisian'ireo borondey mpihoko tafatsofoka any anatin'ny firenena. Mikaroka toerana fanafenana fitaovam-piadiana ny pôlisy, any ambany sezan'ny fiara, anaty fitoeran'entana, na aiza na aiza. Tsy maintsy raisina koa ny toedraharahan'ny faritra, miaraka amin'ny fisian'ny hetsika mpihoko M23 (tohanan'i Roandà, araka ny tatitra maro avy amin'ny ONU) any am-baravaran'i Bujumbura, renivohitra ara-toekaren'i Burundi. Efa ny mpihoko sahady no mifehy ny tanàna ao Bukavu, ankoatra an'i Goma, renivohitr'i Kivu Atsimo sy Kivu Avaratra, izay mandrafitra ny faritany atsinanan'i RDC. Lalana atao ora efatra monja avy ao Bujumbura i Bukavu.
Ny fitondrana ao Burundi, izay efa mahatsiravina nandritra ny efa ho folo taona ny fifandraisany diplaomatika amin'i Roandà, dia matahotra ny hiondranan'ny ady avy any atsinanan'i RDC ho ao amin'ny taniny. Tsy mbola ambony be tahàka izao ny ambana hatramin'ny 2015, fony nisy ireo Borondey anjatony maro nandeha an-tsesitany, taorian'ny fanapahankevitr'i Pierre Nkurunziza (nodimandry tamin'ny 2020) hikatsaka fepotoana fiasàna fanintelony sy ny krizy pôlitika naterak'izany. Roandà no nandray ny ampahany betsaka tamin'ireo mpitsoa-ponenana. Hatreo, tsy nitsahatra niampanga an'i Kigali i Gitega ho mampiantrano mpihoko maniry hanongana azy.
Ambana hisiana firodanana ara-pôlitika
Fa mahagaga, tsy fitaovampiadiana ihany no karohana. Lasibatra koa ny labiera. Saingy tsy ny labiera rehetra: ny Primus sy/na ny Amstel, vokarin'ny Brarudi, ilay goavana sy tranainy indrindra amin'ireo mpamokatra labiera ao amin'ny firenena. Toy ny solika ihany, ny fahazoana labiera Brarudi dia fitadiavana fanjaitra anaty mololo. Raha zavapisotro azo noraisina nandritra ny taompolo maro, lasa vokatra avo lenta ilay izy, tsy hita raha tsy any anatin'ireo hôtely lehibe. Ary nandray andraikitra sarotra ny fanjakana tamin'ny fitsinjarana ny fanapariahana azy. Mpanao gazety nanaraka fampielezankevitra no mijoro ho vavolombelona:
Hisy fiantraikany amin'ny vokatry ny fifidianana ny tsy fisian'ny solika, satria izay solika kely misy dia omena ny antokon'ny mpitondra hanaovany fampielezankevitra. Toy izany koa ny labiera. Ao Bururi, atsimon'ny firenena, nandeha namonjy trano fisotroana aho mba hividy labiera, tsy lavitra ny toerana nivorian'ny CNDD-FDD. Dia nampahafantarina ahy hoe efa lasan'ny antoko eo amin'ny fitondrana daholo ny zavapisotro tao amin'ilay toerana.
Tamin'ny taona lasa ny Brarudi, lehibe indrindra mpandoa hetra ao amin'ny firenena (lazaina fa 68 lavitrisa farantsa borondey ny hetra tamin'ny 2024, izany hoe 19,8 tapitrisa euros ( 23138379 dôlara amerikana), dia nanambara ho tsy ampy malt, akora fototra ilaina amin'ny fanamboarana ireo zavapisotrony, ary io, noho ny « tsy fahampian'ny vola vahiny ». Burundi, voasokajy ho laharana faharoa erantany mahantra indrindra, eo alohan'i Sodàna atsimo, dia tsy nanana afa-tsy ny fanampiana iraisampirenena, indrindra fa avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeana, ho toy ny loharano fototry ny vola vahininy. Nitsahatra io tohana io tamin'ny 2016 noho ny fandavan'ny fitondrana tsy hifanakalo hevitra amin'ireo mpanohitra azy.
Miaraka amin'ny toekarem-pirenena miala aina (87% amin'ny vahoaka no miaina ambanin'ny 1,6 euro/1,87 dôlara amerikana isanandro, hoy ny Banky Iraisampirenena), ireo olan'ny fahaiza-mitantana, indrindra fa ireo trangana kolikoly goavana sy fanodinkodinana vola izay tsy mbola hay hatramin'izao ny tena habeny (faran'ny 2023, tamin'ny fanamelohana azy higadra mandra-maty noho ny andrana fanonganam-panjakana, fantatra fa i Alain-Guillaume Bunyoni, praiminisitra fahiny, dia nanana efa ho trano 150 azy manokana, tao Burundi fotsiny), atambatra amin'ny toedraharaha pôlitika mitsingilahila, ankehitriny ny fitondran'i Évariste Ndayishimiye, kikisan'ny ady anatiny ifanaovan'ireo jeneraly matanjaka, dia toa miatrika ambana roa sosona: firodanana ara-toekaren'ny firenena sy ny firodanana pôlitika azy manokana.
Mandositra firenena amin'ny lafiny rehetra ireo tanora
Ho an'ny vahoaka, ny olana dia mihoatra noho izay hahatafavoaka velona ara-toekarena, araka ny fanazavan'ny mpandalina iray izay nangataka tsy hotononina anarana:
Amin'ny ankapobeny ny Borondey dia efa zatra miaina amin'izay kely ananany. Tsy firenena nandroso velively i Burundi miaraka amin'ireo harena rehetra miaraka amin'izany. Saingy ho an'ireo mponina ao an-toerana, izany dia tsy noheverina mihitsy ho toy ny fara andro. Ankehitriny, ny olana goavana dia ilay firenena mihalasa tsy azo iainana. Ho an'ireo tanora mandositra ny fireneny amin'ny lafiny rehetra dia tsy misy intsony fanantenana ny hoavy. Mbola tsy ela akory izay, tsy azo noeritreretina ny hahita lehilahy arahan-jafikely handao ny fianakaviany ary hiala ny firenena. Tena mifamatotra amin'ny fianakaviana ny Borondey. Saingy indrisy, efa miharovitra io lambanany io. Tafatsofoka hatrany anatin'ny selan'ny ankohonana ny fanjakana. Mangirifiry fa tsy afaka akory hilaza izany, eny fa na ao an-tokantranony aza. Tonga hatrany an-tokantrano ny fitsikilovana.
« Ireo tanora mandositra ny firenena amin'ny lafy rehetra » angamba no tena mampanahy indrindra ho an'ny hoavin'io firenena kely ao Afrika Atsinanana io, misy vahoaka mihoatra ny 13 tapitrisa ary latsaky ny 25 taona ny 65 % -n'ny mponina. Hatramin'ny nisian'ny famoretana feno rà nandriaka nanoherana ny fepotoana fitondrana fanintelony ho an'i Pierre Nkurunziza, taona folo lasa izay, dia tsy nitsahatra ny fifindramonina. Feno tanora Borondey, indraindray mbola ankizy, ireo renivohi-paritany lehibe Kigali, Kampala, Nairobi. Tamin'ny Febroary lasa, mpampahalala vaovao roa ao an-toerana no nanokana fandaharana manokana mba hanairana ny saina manoloana ny taha manan-tantaran'ny fandaozana sekoly, 70%, raha nitanisa ireo « ankizy mihoatra ny 4 500 » izay niala an-daharana tao anatin'ny volana telo monja, tao amina faritany iray monja, Kayanza (avaratr'i Burundi), nandritra ny taompianarana 2024-2025.
Teo anelanelan'ny Janoary sy Ôktôbra 2022, 20 000 no nandeha
Midoladola any amin'ireo havoana ambanivohitr'i Kenya amin'izao fotoana izao, indraindray tsy manana antontan-taratasy ôfisialy, mivarotra voanjo sy mofo amin'ireo mpandalo ireny tanora ireny ihany, izay tsy mino intsony ny hisian'ny azon'ny sekoly omena an-dry zareo (ao Burundi, lazaina fa tsara kokoa noho ny diplaoma ny karatra maha-mpikambana ao amin'ny antokon'ny mpitondra). Manazava ny iray amin'izy ireny:
Io fandraharahàna io dia ahafahanay, fahafaharatsiny, mandefa zavatra any amin'ny fianakavianay miaina anaty fahantrana tsy hay faritana ao Burundi.
Manamafy izy hoe afaka mandefa 3.000 shillings keniàna isambolana raha kely indrindra, eo ho eo amin'ny 20 euros (23,50 dôlara amerikana), izany hoe mihoatra kely noho izay fandrain'ireo mpiasam-mpanjakana sasantsasany ao Burundi. Alefa any amin'ireo firenena arabo ny tovovavy, amin'ny alàlan'ireo masoivoho mpanelanelana izay ny sasany dia tomponandraikitra ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana no tompony. Ny tanora sasany hafa koa, an'aliny maro, indrindra fa avy amin'ireo fianakaviana antonontonony, mandeha mifindra monina mankany Eorôpa, mandalo an'i Serbia, nihoatra ny 20 000 no nandeha teo anelanelan'ny Janoary ny Ôktôbra 2022, araka ny VOA Afrique). An'arivony maro ireo mpitsabo tsy an'asa no nandositra lasa nitady asa any amin'ireo firenena mpifanila vodirindrina. Ho fampahatsiahivana, mpitsabo 0.14 ho an'olona 1.000 no nananan'i Burundi tamin'ny 2020, latsaka folo heny noho ny fetra ambany indrindra nomen'ny OMS (Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamana).
Nandritra ny fampielezankevitra, manoloana ny fahantrana saiky efa iainan'ny rehetra, tsy maintsy namoaka ny fitaovampiadiana mavesatra ny filoham-pirenena mba hanandramana handresena lahatra ny olona: ny 15 May, nanome toky 1 tapitrisa farantsa ho an'ny Borondey tsirairay izy ato anatin'ny taona roa tao Gitega, tanànany, izy. Afa-tsy ny hoe angamba ho very ny sandany amin'izao fotoana izao io iray tapitrisa farantsa borondey io (eo amin'ny 291 euros/340 dôlara amerikana), raha toa ny toekarena ka mitohy miharatsy. Ho voatazona ve ilay fanomezantoky ? Tamin'ny 2020, fony izy nandray ny fitondrana, saika ireo teny ireo ihany no nambarany, tamin'ny fampanantenana « vola ho any am-paosin'ny tsirairay ». Taona dimy aty aoriana, mbola tokony hino azy ihany ve ny Borondey ? Vonjy aina bebe kokoa no ilain'ilay firenena fa tsy fampanantenana.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2025/07/18/175174/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/