(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Firaisankina iharan'ny fahirano: Mamoritra ireo hetsika manohana Palestiniana i Ejipta [1]

['Walid El Houri']

Date: 2025-07-07

Mihamafy ny krizy maha-olona ao Gaza, mosary voatr'olombelona noho ny sakana ataon'Israely, hoy ireo manampahaizana avy amin'ny Firenena Mikambana. Miezaka ireo firaisankina manerana an'i Afrika Avaratra manolotra fanampiana sy manao fanentanana. Voatsikera be noho ny fampiondrehana ny fanohanan'ny vahoaka i Ejipta, izay manidy sisintany amin'i Gaza, amin'ny fampiharana ny fanaraha-maso hentitra ny sisintany sy amin'ny famoretana ireo mpikatroka mitady hanohitra ny fahirano.

Tsy misy itoeran'ny firaisankina

Niainga avy any Tonizia tamin'ny 9 Jona ny valalamanjohy Afrikana Tavaratra Al Soumoud, ahitana mpikatroka, mpisolovava, matihanina amin'ny fitsaboana ary mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena, nikendry ho any Gaza mandalo an'i Libya sy Rafah any Ejipta. Ahitana mpandray anjara 1.500 eo ho eo ny valalamanjohy izay miezaka hampivelatra ny fandravana ny sakana israeliana sy hanohitra ny fandravaravana ateraky ny mosary amin'ireo mponina roa tapitrisa ao Gaza.

Na izany aza, nohenjanin'ny manampahefana Ejiptiana ny fampiharana ny fitsipika. Namoaka fanambaràna ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny mitaky ny delegasiona vahiny hahazo fankatoavana mialoha sy fahazoan-dàlana amin'ny alalan'ny masoivoho na ny minisiteran'ny Raharaham-bahiny, ary nampitandrina fa “tsy misy fangatahana… horaisina ivelan'ny fepetra nofaritan'ny fitsipika.” Nazava ny hafatra: raha tsy nahazoana alalana mazava dia tsy afaka manatona ny sisintanin'i Rafah ny valalamanjohy.

Na dia nitombo aza ny fitodihana iraisampirenena, voalaza fa nandà ny fidiran'ireo mpikatroka iraisampirenena i Ejipta ary nitazona na nandroaka an'ireo niezaka hahatratra an'i Gaza. Na dia tsy nanome antsipiriany ireo tranga tsirairay aza ny fampahalalam-baovao ao an-toerana, dia nofaritan‘ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mazava tsara ny politika fandrakofana.

Nandrakitra ny famoretana mamely ny firaisankina Palestiniana ny tatitry ny Egyptian Initiative for Personal Rights (EIPR) tamin'ny Jona 2025, mitatitra ny fitohizan'ny fisamborana toa ireo mpanohana maherin'ny 150, ka latsaky ny 18 taona ny telo tamin'izy ireo raha nosamborina. Araka ny tatitra, hatramin'ny niandohan'ny ady Israeliana tao Gaza tamin'ny Oktobra 2023, sy ny fandripahana ny foko Palestiniana, nisambotra olona 186 ny mpitandro ny filaminana Ejiptiana, naparitaka tamin'ny raharaham-piarovam-panjakana faratampony 16, voampanga ho nanao “fampihorohoroana” izy rehetra, noho ny fikasana haneho am-pilaminana ny fanohanany ny Palestiniana ao Gaza.

Fanamarinana anjotra sy valy bontana

Miara-dalana amin'ny famoretana ataon'ny fanjakana ny anjara toerana lehibe ananan'ny tontolon'ny media sosialy mpomba ny governemanta ao Ejipta amin'ny fanondroana ny firaisankina amin'i Gaza ho loza mitatao amin'ny fiarovam-pirenena. Mampiely fitantarana ireo mpaneho hevitra sy kaontin'ireo mitovy hevitra amin'ny fitondrana manana ny maha izy azy fa rakotra (bodofotsy) iafenan'ireo vahiny te-hitsabaka na mitady hanakorontana ny filaminana anatiny ao Ejipta ireny valalamanjohy toy ny iraka Afrikana Tavaratra ireny. Ny sasany aza nilaza fa hetsika ireny natao “hahamenatra” an'i Ejipta eo amin'ny sehatra iraisampirenena.



Vokatr'izany fanamarinana izany anefa ireo valy bontana anjotra, indrindra fa avy amin’ireo mpiantsehatra avy amin'ny fiarahamonimpirenena Ejiptiana sy Arabo. Taratry ny fifanolanana lalina ao anatin'ny fiarahamonina Ejiptiana ity fifampihenjanana anjotra ity : eo amin'ny fitondrana iray te-hifehy sy amin'ny vahoaka mihadiso fanantenana amin'ny firaisana tsikombakomba manoloana ny tsy rariny ao amin'ny faritra.

Manamafy ny mpitsikera fa miray tsikombakomba amin'ny krizy maha-olona i Kairo (Ejipta). Kamiao an'arivony no tafahitsoka ao Rafah na dia tsy ampy aza entana tena ilaina. Manampy izany, nasehon'ny fanadihadiana ny fisian'ny tambajotra mpanararaotra manam-pifandraisana amin'ireo olona fanta-daza ao amin'ny fitondrana, mampandoa sara mihoa-pampana amin'ny Palestiniana — an'arivony dolara US — raha hivoaka an'i Gaza.

Fahirano amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena

Mifanindran-dalana amin'ny ezaka fandravana sakana, tratran'ny tafika an-dranomasina Israeliana, tao amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena tamin'ny 4 Jona, ny sambo iray antsoina hoe “Madleen” nitondra mpikatroka iraisampirenena 12 raha hizotra ho any Gaza. Nalaina an-keriny, notanana ary nentina tany amin'ny fonja Israeliana ireo mpikatroka ireo, hetsika izay nomelohin'ireo mpahay lalàna iraisampirenena sy mpiaro ny zon'olombelona ho fanitsakitsahana ny lalàna an-dranomasina sy ny lalàna maha-olona.

Anisan'ireo notanana ny olo-malaza toa an'i Greta Thunberg, Soedoà mpikatroka momba ny toetrandro sy Rima Hassan, Frantsay mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana. Anisan'ireo andian-tsambom-panafahana miara-dia miezaka mihaika ny fahiranon'Israely amin'ny alàlan'ny tsy fankatoavana sivily any an-dranomasina ity sambo ity.

Niteraka tsikera fatratra ny fisamborana sy fanagadrana olom-boafidy sy mpiaro ny zon'olombelona, ​​kanefa tsy narahina vokany ara-diplaomatika manandanja, tandindon'ny tsy fihetsehan'ny fianakaviambe iraisampirenena sy ny mizàna tsindrian'ila manoloana ny fanitsakitsahan'Israely ny lalàna iraisampirenena.

Vao mainka mampiorina mafy izay lazain'ny maro ho sata maha “ahilika” an'Israely eo amin'ny fiarahamonim-pirenena maneran-tany ny tsy fisian'io fampiharana io. Namoaka didy fampisamborana ny Praiminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Yoav Gallant ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava Iraisampirenena (CPI) tamin'ny Novambra 2024 noho ny fiampangana heloka bevava sy heloka bevava atao amin'ny zanak'olombelona. Mandritra izany fotoana izany ny Fitsarana Iraisampirenena mahita fa ahitana soritra “raharaham-pandripahana foko” ny zava-misy ao Gaza, izay manery ireo fanjakana maromaro hihetsika mba hisorohana habibiana hafa.

Famoretana amin'ny anaran'ny filaminana

Ampy raki-tsoratra ny fomba famoretan'i Ejipta ankapobeny. Manasongadina ny tsy fahazakan'ny fitondrana tsy fitovian-kevitra ireo voafonja ambony toa an'i Alaa Abd El‑Fattah, notanana mihoatra ny saziny ary tsy avela mifandray amin'ny kaonsily. Tsy mitsahatra ny Amnesty International sy ny Human Rights Watch nanameloka ny fepetra nataon'i Ejipta hamoretana ireo mpikatroka, mpanao gazety, mpikaroka ary mpahay lalàna.

Mampiharihary politikam-pamehezana ny fihetsik'i Ejipta amin'ny fanakatonana sisintany, fisamborana, fandroahana, fanararaotana ary fitsipahana ireo ezaka firaisankina. Noho ny fiarovam-pirenena sy ny fitoniana ara-diplômatika, dia misoroka ny fandraisana andraikitra maha-olona sy manameloka ny firaisankina ny fitondrana, fihetsika izay niteraka tsy fitovian-kevitra tao an-toerana sy fanamelohana iraisampirenena.

Roa ny tanjon'i Kairo (Ejipta) amin'ny famoretana ny firaisankina Palestiniana: mifanaraka amin'ny fifehezana henjana anatiny ataon'ny governemanta ary mizaka ny toerany ara-diplaomatika mijoro ho mpanelanelana malina ao amin'ny faritra izay heverin'ny tandrefana mpiara-miombon'antoka ho tena ilaina ny fahamarinan-toerany.

Raha nanavatsava ny sisintany Libiana-Ejiptiana ny valalamanjohy Afrikana Tavaratra mizotra mankany amin'ny sisintanin'i Rafah avy ao Ejipta miampita ho any Gaza, ary iatrehan'ireo mpikatroka sakana an-tanety sy an-dranomasina, dia mbola misarika ny sain'ny olona ny paikadin'i Ejipta. Tsy mitsahatra ireo mpikatroka, fikambanana mpanao fanampiana ary manam-pahaizana momba ny lalàna mitaky tamberin'andraikitra, tsy amin'ny fanakanana ataon'i Israely ihany, fa amin'ireo mpiantsehatra isam-paritra toa an'i Ejipta koa.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2025/07/07/174967/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/