(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Very asa ny mpanentana an'onjampeo tao Papouasie Nouvelle-Guinée taorian'ny nitafàny taminà lehiben'ny mpanohitra [1]
['Mong Palatino']
Date: 2025-05-19
Famafàna ny fahalalahana maneho hevitra no namaritan'ireo vondron'ny haino-vaky-jery ny fampiatoana tampoka tamin'ny asany ilay mpampiantrano sy mpanentana malaza tamina onjampeom-panjakana iray tao Papouasie-Nouvelle-Guinée.
Tany am-boalohany dia naato roatokom-bolana i Cullighan Tanda , mpampiantrano sy mpanentana ao amin'ny FM100 (Kalang Advertising Limited) taorian'ny nitafàny tamin'ilay pôlitisiàna mpanohitra, Allan Bird, izay governeoran'ny East Sepik ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nametra-panontaniana momba ilay fampiatoana i Tanda ary naneho ny “ahiahiny lalina momba ny fomba nanatanterahana ilay olana ara-pitsipika.” Taorian'izay, noroahana hiala tamin'ny asany izy.
Ny FM100 dia ao anatin'ny Telikom PNG Limited, orinasam-panjakana misahana haino-vaky-jery.
Neville Choi, filohan'ny filankevitry ny haino-vaky-jery ao amin'ny firenena, dia nanameloka ny “fampiharana fanapenam-bava sy fanilihana mpiasan'ny haino-vaky-jery miasa amin'ireo fikambanana haino-vaky-jery an'ny fanjakàna.”
Choi dia nanamarika tranga tany aloha nahavoarohirohy mpanao gazety izay niatrika sazy noho ny namoahany tatitra manakiana.
Tao anaty ranty iray tamin'ny Facebook, nanitrikitrika i Bird fa tsy niteny na inona na inona manala baràka na manendrikendrika tao anatin'ny antsafa niarahany tamin'i Tanda. Niantso hanaovana “hetsipanoherana tsy fanaovana na inona na inona” izy, amin'ny alàlan'ny fanoavana ankivy ireo fandraharahàn'ny Telikom PNG Limited.
Adrian X mpampiasa X (Twitter taloha) dia nametraka an-tambajotra taratasy iray fitarainan'i Tanda ary nangataka hahafantatra ny anaran'ireo manampahefana nanao tsindry tamin'ny FM100.
Tokony homen'ny Tale Jeneralin'ny Kalang Advertising Limited antsika ny anaran'ireo olona avy any ambony any. Iza no arovan-dry zareo? Maninona no tsy namoaka fanambaràna an-gazety momba izay antony tao ambadikin'ny fampiatoana sy ny fandroahana an'i Culligan? Misy zavatra faran'izay tena tsy mazava mitranga ao.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2025/05/19/174742/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/