(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Ny trano Svrzo : varavarankelin'ny fiainana andavanandro fahiny tao Sarajevo [1]
['Balkan Diskurs']
Date: 2025-03-28
Lahatsoratra iray nosoratan'i Amina Sejfić ary efa nivoaka tao amin'ny Balkan Diskurs, tetikasan'ny Foiben'ny fikarohana taorian'ny ady na (PCRC). Navoakan'ny Global Voices indray ny endrika nasiam-panitsiana araka ny fifanarahana mifampizara votoaty.
Anisan'ny trano tsara indrindra amin'ny maritrano Ottoman, miorina ao afovoan-tanànan'i Sarajevo renivohitr'i Bosnia sy Herzegovina, ity trano tranainy Svrzo iy.
Miavaka tanteraka ity tranobe manan-tantara tamin'ny taonjato faha-18 ity, noho ny haitao miavaka nanorenana azy. Trano fahagola nipetrahana fianakaviana iray manana ny naha izy azy tao Sarajevo izy ity; ary ankehitriny dia lasa toerana fitehirizambakoka, izay entina hampirantiana sy hahatsiarovana ny vakoka ara-kolotsain'i Bosnia sy Herzegovina. Tsy ny hakantony sy ny hatsarany ihany anefa no manamarika azy, fa varavarankely iray mampahatsiaro ny fahiny ihany koa ny fahitàna azy, izay mampahatsiaro ny antsipiriam-piainana andavanandron'ny mponina tamin'ny vanim-potoana Ottoman.
Fianakaviana iray malaza avy any Sarajevo mitondra ny anarana hoe Glodo no nanangana ity tranobe manan-tantara ity. Anisan'izany i Effendi Munib Glodo, olona manam-pahaizana manokana na qadi (Mpitsara Silamo) avy amina fianakaviana agha sy ulema ary vakif (olona nomem-boninahitra mpanao asa soa eo amin'ny fiaraha-monina). Nanamboatra famatsian-drano miala ao Sedrenik hatrany amin'ny Moske Čurćić izy tamin'izany, izy ihany koa no namerina tamin'ny laoniny ny tranobe iray antsoina hoe waqf an'i Gazi Husrevbeg. Tsy ireo ihany anefa, fa izy ihany koa no mpitarika ny fikomiana tamin'ny fitondrana Ottoman. Nony avy eo tsy nisy lehilahy intsony ny fianakaviana, ka lasan'ny fianakaviana iray nanana ny naha izy azy io trano Svrzo io tamin'ny alalàn'ny fifamatorana ara-pianakaviana.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2025/03/28/174028/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/