(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ao Borondi, manosika ireo mpanao gazety hanivana ny tenany sy honina an-tsesitany ny tsy fisian'ny tena fahalalahana maneho hevitra [1]

['Jean Sovon']

Date: 2025-03-11

Ny tontolon'ny asa fanaovana gazety ao Borondi no itarafana ireo fanamby faratampony atrehan'ireo mpanao gazety ao amin'io firenena ao Afrika afovoany io. Matetika izy ireo no iharan'ny fandrahonana ho faty sy ny tsy fandriampahalemana azo ambara ho raiki-tampisaka

Ny fanomezana laharana ho an'ny taona 2024 nataon'ny Reporters sans frontières (RSF) momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia mametraka an'i Borondi ho amin'ny toerana faha-108 amin'ny firenena 180, izay maneho fisondrotana kely raha ampitahaina amin'ny toeran'ilay firenena tamin'ny 2023, nitazonan'ilay firenena ny toerana faha-114.

An-taratasy, ny lalàm-panorenana borondey no miantoka ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao anatin'ny Andininy faha-28 milaza hoe:

Saingy hafa mihitsy ny zavamisy eny an-kianja satria miatrika fisamborana sy fiampangàna tsy miato ireo matianin'ny haino-vaky-jery. Safidy mahery vaika mazàna no atrehan'ireo borondey mpanao gazety: na miandàny amin'ny mpitondra amperin'asa, na manao vy very ny iaina hiatrika fonja sy fandehanana an-tsesitany mba haneho ny fahaleovantenany amin'ny asa fanaovana gazety.

Marobe ireo tranga manamarina ny tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra: tamin'ny Desambra 2024, Sandra Muhoza, mpanao gazetin'ny haino-vaky-jery an-tambajotra La Nova Burundi, dia nohelohina 21 volana an-tranomaizina noho ny “fanohintohinana ny maha-iray tsy mivaky ny faritry ny firenena sy ny fankahalàna foko”. Nahatezitra ny tontolon'ny asa fanaovana gazety sy ireo fikambanana mpiaro ny mpanao gazety ilay fanamelohana azy, toy ny Committee to Protect Journalists -CPJ (Vaomiera ho fiarovana ireo mpanao gazety). Tao amin'ny kaontiny X natokana ho fandrakofana an'i Afrika, namoaka toy izao ny CPJ:

“It is devastating that on December 16 a court in #Burundi sentenced the journalist Sandra Muhoza to 21 months in prison, in connection to posts she published in a journalists’ WhatsApp group. Muhoza has been detained since April, and her conviction is the latest example of Burundi’s abuse of the legal system to suppress critical voices. Burundian authorities should release Sandra Muhoza unconditionally and desist from criminalizing the mere act of being a journalist,” said @pressfreedom Head of Africa Program @angelaquintal

pic.twitter.com/DM0LLvQhrN

— CPJ Africa (@CPJAfrica) December 18, 2024

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2025/03/11/173908/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/