(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ny mozikany no nampahalaza ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô [1]

['Jean Sovon']

Date: 2025-01-03

Amin'ny ampahany dia ny mozika, fitaratry ny fahasamihafana ara-kolontsainy, no nampahalaza ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC).

Eny tokoa, mihoatra lavitra ny sisintaniny ny mozikan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô: ny 14 Desambra 2021 ny rumba kôngôley no tafiditra ho isan'ireo lova ara-kolontsaina tsy hita maso ho an'ny zanak'olombelona teo anivon'ny sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Io fankatoavana io dia vokatry ny dindo erantany nentin'io mozika ankafizina fatratra io.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa, vakio: La renaissance de la rumba et les musiciens qui la font découvrir à une nouvelle génération de mélomanes [fr]

Ny lazan'ny RDC teo amin'ny sehatry ny mozika dia azony tamin'ny ampahany avy amin'ireo vahoakany izay tombanana ho mihoatra ny 110 tapitrisa izay miparitaka anatin'ireo foko mihoatra ny 400. Io hareny io no fototry ny fahasamihafàna ara-kolontsaina nositrahan'ny mozika nandritra ireo andian-taranaka nifandimby. Manana fiteny maro ihany koa ilay firenena: ny frantsay no fiteny ôfisialy ao amin'ny firenena ary fiteny efatra avy ao an-toerana no manana ny sata maha tenim-pirenena azy: ny lingala, ny swahili, ny kikongo ya leta ary ny tshiluba. Raha resahana ara-mozika, ny lingala no fiteny mibahan-toerana ao amin'ny firenena.

Fombandrazana velona mahay mifandrindra amin'ny vaninandro maoderina

Ny mozika ao RDC dia avy amin'ireo fombandrazana sy fomba fanao nahazatra izay mampiseho ny fiaviana ara-pokon'ny vondrona tsirairay avy. Zavamaneno miavaka no entin'ireo vahoaka Nande, Mongo, Luba, sy Kongo manao ny mozikan-dry zareo: ny Inanga, Ingoma, Kundi, Lokole (tambour), Mbira, Ngombi, Seto (harpe), na koa ny Pluriarc.

Eto, ity lahatsary ity no manome ny ohatra iray: hira iray mitondra lohateny hoe “Mbomboliye“, hira iray an'ny vahoaka Mongo izay antso ho amin'ny firavoravoana noho ny vaovao tsara iray.

Fa manefy ny tenany ihany koa ny mozika nentindrazana ao RDC ary mivady amin'ireo fironana ara-mozikan'ny vaninandro ankehitriny, afrikàna sy ny hafa. Hita io fanafangaroana io amin'ny alàlan'ny fampivadiana ireo zavamanenon'ny mozika maoderina sy ny nentindrazana: ny gitara “électriques”, ny vata maroafitsoka, ny amponga, ny cajons, ny claviers, ny lokole (amponga misy tataka) ary ny likembe (kazarana piano) izay ahafahan'ny mozika maneho endrika iray mambabo fo no sady mitahiry ireo fiaviany ara-kolontsaina.

Rumba, saingy tsy izay ihany

Tena maro karazana sy mavitrika ny sehatry ny mozika ao RDC izay ahitàna karazana fomba sy karazana mozika maro. Ny rumba no karazana mozika voalohany naneho ny maripamantarana an'i RDC. Izy io dia mozika avy any amin'ny fanjakàna Kongo (i RDC ankehitriny), avy eo nomena aina vao tamin'ny 1930 noho ny firongatry ny rumba kiobàna, mozikan'ireo andevo niaina nandritra ny taonjato maro tao amin'ny Karaiba.

Taorian'ny rumba, lasa nalaza tamin'ny soukous ny RDC tany amin'ny taona 1960. Io karazana io, teraka avy amin'ny rumba, saingy voamariky ny gadona mozikaly hafa, dia nambabo ihany koa ny tanibe afrikàna sy ny tany ivelany. Ny ndombolo, fifangaroan'ny rumba sy soukous, dia tany amin'ny taona 1990 tany no nipoitra, ary manaporofo ny fahaiza-mamorona tsy mitsahatr'ireo Kôngôley mozisiàna.

Raha jerena ireo fitovitoviana misy amin'ireo karazana mozika ireo, marobe ireo artista no mitondra ny fanevan'ireo endrika mozika telo ireo. Saingy ny andian-taranaka tsirairay dia mitondra ny anjara birikiny amin'ny fananganana ny maripamantarana mozikalin'i RDC.

Ireo anarana goavan'ny mozika kôngôley

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2025/01/03/173222/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/