(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fitsimbadihan'ilay vondrona fiarovantena ao Lakurawa, ambana vaovao ho an'ny fandriampahalemana ao Afrika Andrefana [1]
['Arnauld Kassouin']
Date: 2024-12-26
Miatrika ambana vaovao ara-piarovana i Afrika Andrefana: ilay vondrona fiarovantena Lakurawa ao avaratra-andrefan'i Nizerià, milaza fa miaro ireo kaominista miampita ny sisintany amin'ireo asan-jiolahy dia mizotra tsikelikely mankamin'ny fanaovana jihadisma.
Vondrona fiarovantena ny vondrona Lakurawa izay taloha dia teo anelanelan'ny Fanjakan'i Sokoto sy ny Fanjakan'i Kebbi, izay samy ao avaratra-andrefan'i Nizerià daholo ary mampifandray an'i Benin amin'ny alàlan'ny tsipika miampita sisintany mihitatra hatrany Nizera. Mifampizara lalantsara iraisana ireo firenena telo ireo, fantatra amin'ny anarana hoe làlana Kandi (Bénin)-Kebbi (Nizeriàa -Niamey (Nizera).
Amin'ny ankapobeny, iraka nifotoran'ilay vondrona ny « hanome sy hanolotra fiarovana ho an'ireo vahoaka ao an-toerana any anatin'ny tanin'ireo faritra anjakany na ambany fifehezany ». Araka izany dia miady an-kolaka eo anilan'ireo manampahefana ry zareo mba hanohitra ny jihadisma, saingy nisy fiovana ideôlojika vao haingana tonga nanova ny toejavatra ao anatin'ny tontolon'ny fiarovana izay nisosa tsara tao amin'io ampahan'ny faritra ao Sahel io.
Ny 9 Novambra 2024, nisy fanafihana iray nataon'ny vondrona Lakurawa tao Mera (vohitra iray any avaratra-andrefan'i Nizerià eo amin'ny faritra an-tsisintany iarahany amin'i Benin) izay nahafatesana olona 15. Io tranga io dia nanosika ireo manampahefana nizeriàna hanaitra ny ao amin'ny faritra andrefan'i Afrika momba ny ambana goavana aterak'ity vondrona ity manomboka izao. Ho amin'izany, i Shehu Sani, loholona fahiny avy ao amin'ny Fanjakan'i Kaduna (ao afovoan'ny firenena) dia milaza ny filàna hetsika iarahan'ireo firenena ahitàna an'i Bénin, Nizera ary Nizerià mba hanoherana ilay vondrona fiarovantena izay toa lasa mankany amin'ny fanaovana henjam-pihetsika, araka ny tatitry ny Daily Post.
Toy ireo hery hafa lazaina fa fiarovantena, ny vondrona Lakurawa dia miasa ao anatina faritra iray marefo noho ny fitomboan'ny tsy fandriam-pahalemana, ary mety hitsimbadika mora foana mankany amin'ny fanaovana asan-jiolahy hatramin'ny fanaovana asa fampirohorohoana, araka ny fijerin'i Sani Saidu Muhammad, Nizeriàna mpanao gazety manampahaizana manokana amin'ny resaka toekarena tsy ara-dalàna sy ny olan'ny maha-olona. Raha nitafàn'ny Global Voices, inoany fa ny fipoiran'ny Lakurawa indray ho toy ny vondrona islamista mpampihorohoro dia vokatry ny faharatsiam-pitantanana sy ny tsy fahampian'ny fifehezan'ireo governemanta ireo vondrona fiarovantena.
Arnauld Kassouin (AK) : Ahoana no fanombananao ny fiarahamiasa misy amin'i Benin sy Nizeria amin'ny ady atao hanoherana ny fanaovana an-tendrony feno herisetra ary ny asan-jiloahy eny an-tsisintany ?
Sani Saidu Muhammad (SSM): Tsy isalasalàna fa nanao dingana nandraisana fepetra i Bénin sy Nizerà mba hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana sy ny fanaovana an-tendrony mahery setra eny amin'ireo sisintany, amin'ny alàlan'ireo hetsika iraisana natao teo ambany fitarihan'ny CEDEAO sy ny Force multinationale mixte (FMM) ivondronan'ireo tafika mitam-piadiana avy amin'ireo firenena dimy: Bénin, Nizera, Nizerià, Kamerona ary Tchad. Na izany aza, mbola ho hita eo ny ho fahombiazan'ireny hetsika iraisana ireny: matetika tsy ampy izy io noho ny tsy fahampiam-pitaovana sy ny fametrahana azy tsy itovian-kevitra. Ohatra, raha deraina ny fanaovana fisafoana miaraka sy ny fifampizaràna vaovao, tsy misy mihitsy kosa porofo milaza fa tena nahafahana nampihena be ireo trangana herisetra teny amin'ny sisitany sy ny fanondranana an-tsokosoko izy ireny. Mba hisian'ny firosoana marina, tokony hataon'ireo firenena roa tonta ho laharam-pahamehana ny fanorenana fotodrafitrasa eny amin'ny sisitany, ny fampifanarahana ny rafitry ny lalàny sy ny fametrahana fifampitokisana, tsy hoe fotsiny eo amin'ny samy governemanta, fa koa eo amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-tsisintany izay tena ilaina be ny fiarahana miasa ho amin'ny fandriam-pahalemana maharitra.
AK : Raha tsy ny haka faritany iray avy hatrany no tanjon'ny Lakurawa, dia inona izany no tena tanjon-dry zareo ?
SSM : Tanjona stratejika iray no arahan'ny vondrona Lakurawa. Ekena tokoa, kendreny ny hanozongozona ireo firafitry ny fanjakana mba hananganana habaka tsy misy mpitantana ka ho afaka hiroborobo ireo asa ataony, manomboka amin'ny fanasàna atidoha ka hatramin'ny fananganana orinasa mpanao heloka. Ankoatra izay, miroborobo izy amin'ny alàlan'ny fitrandrahana ireo taraina sy hirifiry ara-toekarena sy sôsialy, toy ny fanilikilihana, ny fahantràna ary ny faharatsiam-pitantanana. Amin'ny famoronana korontana, simbàny ny fahatokisan'ny vahoaka ny fanjakana, avadiny ho hirika handraisana mpikambana sy hametrahana ny dindony ny tahotra sy fahasorenana. Ideôlôjika ny tanjony, fa tena pragmatika lalina ihany koa : katsahany ny hifehy ny loharanon-karena, ireo toerana stratejika ary ireo vahoaka marefo.
AK: Heverinao ve fa hampahalemy kokoa ny fiarovana ny sisintanin'ireo firenena ao Afrika Andrefana ny fipongaran'ny Lakurawa ho toy ny vondrona islamista mpampihorohoro ao avaratra-andrefan'i Nizerià?
SSM: Ambana goavana mitatao amin'ny fandriam-pahalemana ao amin'ny faritra ny fipongaran'ny Lakurawa indray. Vao mainka mampitombo ny faharefoana amin'ny fitantanana ny ao amin'ilay faritra, manome tany lonaka ho an'ny fanondranana antsokosoko ny fitaovam-piadiana, fanelezana ideôlôjia mpanao an-tendrony ary ny fanozongozonana ireo fanjakana mpiray vodirindrina. Matetika ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ilay faritra no mitatitra fisiana tahotra be amin'ny hitrangana herisetra, fikorontanan'ny toekarena ao an-toerana ary ny fihenàn'ny fitokisana an'ireo rafi-piarovana an'ny fanjakana. Anaty fotoana maharitra, ny fisian'ny vondrona Lakurawa dia mety hanakorontana ireo fifanomezan-tànana ao amin'ny faritra, toy ny CEDEAO, satria ireo firenena dia hanao ho laharam-pahamehana ny olan'ny fireneny, izay vao ireo ezaka fiarovana iarahana. Raha tsy misy fandraisana fanapahankevitra matotra, ahiana hivaona ho lasa tsy fandriam-pahalemana midadasika kokoa ao amin'ny faritra ireny ambana ireny.
AK : Miaraka amin'ny fahitàna indray ny vondrona Lakurawa, tokony hampatahotra antsika ve ny ho fivadihan'ireo vondrona fiarovantena any andrefan'i Nizerià, ao amin'ny sisintany iraisany amin'i Benin, ho lasa djihad ?
SSM : Ho toy ny valinkafatry ny vahoaka manoloana ny tsy fandriam-pahalemana dia mipoitra ireo vondrona fiarovantena. Saingy ny tsy fisian'ny fitsipika mifehy azy ireny no mahatonga azy ho marefo mora itsofohan'ireo djihadista: mety ho lasa mpanao an-tendrony izy ireny ary mivoatra mankamin'ny tambajotra mpampihorohoro, amin'ny filazàna azy ho fiarovana ny vondrom-piarahamonina. Asehon'ireo angondrakitra azo avy amina toejavatra mitovitovy amin'izany , toy ny tany amin'ireo faritra sasany ao Sahel, ny fomba ataon'ireny vondrona ireny mba hampanjavonjavoana ny tsipika manasaraka ireo vondrona fiarovantena sy ny mpanao asa fampirohorohoana, rehefa tsy voafehy ry zareo. Tena ilaina be mba hampihenàna io ambana io ireo fepetra fitsinjovana mialoha, indrindra fa ireo rafitra fanarahamaso, sy fampidirana ho anatin'ny ara-dalàna ho anatin'ny rafitry ny pôlisy manakaiky vahoaka ary ny fanentanana ho fanabeazana ireo voatily.
AK: Inona avy ireo fanamby goavana mila ihoarana eo amin'ny faritra mba hisorohana ny “famadihana ho djihad ny fanaovana asan-jiolahy” na ny “famadihana ho djihad ireo vondrona fiarovantena”?
SSM: Mba hisorohana ny famadihana ho djihad ny asan-jiolahy sy ireo vondrona fiarovantena, marobe ireo fanamby tsy maintsy hatrehana eny amin'ny faritra, toy ny fanamafisana ireo fanarahamaso eny amin'ny sisintany. Io dia ampiasàna ny tekôlôjia sy ny fanolorantenan'ny vondrom-piarahamonina. Ary koa, ny fanjakana dia tsy maintsy mamerina ny fanakaikezana an'ireo olona tantanina amin'ny alàlan'ny fanatsaràna ny fomba fitantanan-dry zareo ny raharaham-bahoaka, indrindra fa eny anatin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika. Tahaka izany koa, ny CEDEAO sy ireo firenena mpikambana ao anatiny dia tsy maintsy mandrindra ny ezak'izy ireo, amin'ny fiantohana ny hoe apetraka hitambatra amin'ny fomba mahomby ireo fitaovana sy ny angom-baovao. Ankoatra izay, tsy maintsy arahana maso ireo vondrona fiarovantena, ofanina ary ampidirina anatin'ireo rafi-piarovana ôfisialy mba hisorohana izay rehetra fivilian-dàlana.
Miankina amin'ny fomba fiasa isam-paritra miainga amin'ny fahavononana pôlitika sy ny fiatian'ny fiarahamonina ny fahombiazan'ity ady ity. Any amin'izay ahatsiarovan'ny olona ho tsy misy mpiahy no iroboroboan'ny Lakurawas ; Ny fiantohana hoe tsy misy atao zanak'Ikalahafa no fomba tsara indrindra hiarovana amin'ny fiparitahan-dry zareo.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/12/26/173051/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/