(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Afaka hanavotra ny toekaren'i Hong Kong ve ireo Panda goavana? [1]

['Oiwan Lam']

Date: 2024-12-23

Ireo mpitsidika ato ho ato an'i Hong Kong dia mety hahita fametrahana panda vitsivitsy manerana ny tanàna sy any amin'ireo toerana natao ho an'ny fizahantany satria katsahan'ny governemanta indray ny hamelona ny fizahantany ao an-tanàna amin'ilay fomba antsoiny hoe “toekarena panda”.

Hatramin'ny nisian'ny valanaretina COVID-19 no nikorontana ny toekaren'ny tanàna, ary taorian'ireo korontana ara-pôlitika misy ifandraisany amin'ny famoretana ataon'ny fanjakana amin'ireo hetsipanoherana mpandàla demaokrasia tamin'ny 2019, sy ny fampidirana tolodalàna marobe niteraka resabe, toy ny Lalàna momba ny Fiarovam-Pirenena, dia tsy tafarina mihitsy ny fizahantany.

Mba hanandramana hamelona indray io toekarena mitontongana io, manodidina ny 2.500 mahery ireo sary sokitra panda ho apetraka manerana ny tanàna satria manakaiky ny vanin-potoana vaovaon'ny fizahantany mifamatotra amin'ny Noely sy ny Taombaovao:

From next Monday, a new “PANDA GO! FEST HK” exhibition will showcase 2,500 panda sculptures in eight unique designs across #HongKong . With four public exhibitions, organisers are aiming for an “immersive celebration that blends art, exhibition, and tourism.” Photo:… pic.twitter.com/fpM5f3zIOn

Ny filaza hoe “toekarena panda” dia noraisin'ilay media mpomba an'i Beijing ao Hong Kong taorian'ny 1 Jolay 2024 nanambaràn'ny lehiben'ny mpanatanteraka, John Lee, hoe handefa Panda roa lehibe ny governemanta foibe shinoa ho fanomezana entina mankalaza ny tsingerintaonan'ny nanoloran'ny Britanika an'i Hong Kong tamin'ny 1997 hiverina amin'i Shina. Tonga avy eo ireo vaovao maro — panda mivady, goavana, ao amin'ny Ocean Park, Le Le (lahy) ary Ying Ying (vavy), dia niteraka roa tamin'ny fomba voajanahary, tamin'ny Aogositra, rehefa nipetraka tao amin'ilay vala nandritra ny 17 taona — dingana iray lehibe ho an'ireo karazana tandindonin-doza, izay malaza ho ambany ny taham-piterahany.

Taorian'ny nahatongavan'ireo panda mivady avy any Beijing tao Hong Kong tamin'ny Septambra, dia lasa toeram-ponenana ho ana panda miisa enina ilay tanàna.

Giant panda twins, born to Ying Ying, a giant panda gifted by the central government to Hong Kong, celebrated their 100th day on Saturday.

Ocean Park Hong Kong held a celebration event on Saturday to mark the occasion. Visitors received red eggs and pork knuckle ginger stew.… pic.twitter.com/6xsLAqipJr

— China Focus (@China__Focus) November 25, 2024

ZZZZZZ Tamin'ny Sabotsy, nankalaza ny faha-100 andron-dry zareo ireo Panda kambana roa goavana, naterak'i Ying Ying, panda goavana iray fanomezana avy amin'ny governemanta foibe ho an'i Hong Kong,

Ny Sabotsy dia nikarakara fankalazana ny tao amin'ny Ocean Park, Hong Kong, ho fanamarihana ilay fotoana. Nahazo atody mena sy lasopya hena kisoa nasiana sakamalaho ireo mpitsidika

pic.twitter.com/6xsLAqipJr

— China Focus (@China__Focus) 25 Novambra 2024

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/12/23/173015/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/