(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Adin'Israely amin'ny Firenena Mikambana: Mety ho fanombohan-javatra mampidi-doza ny fandraràna ny UNRWA [1]

['Walid El Houri']

Date: 2024-11-27

Israely no firenena voalohany namoaka lalàna mandràra ny andrim-panjakana iray ao amin'ny Firenena Mikambana, manao ho lasibatra ny United Nations Relief and Works Agency (UNRWA) ary nanambara azy ho “vondrona mpampihorohoro” amin'ny latsa-bato saika tsy nisy nitsipaka 92–10.

Miteraka fanontaniana lalina ity hetsika tsy mbola nisy hatrizay ity: Inona no dikan'ny hoe lasa “fikambanana mpampihorohoro” ny sampandraharaha maneran-tany — ekena sady vatsian'ny ankamaroan'ny firenena maneran-tany ? Ity fanendrena ity dia Tsy vitan'ny manohintohina ny iraka maha-olona ataon'ny UNRWA izao fanonona izao fa manaloka ny sampan-draharaha iraisam-pirenena hafa miasa amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fandriampahalemana.

Naorina tamin'ny taona 1949 ny UNRWA ary manome servisy iankinan'ny ain'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana, ao anatin'izany ny fanabeazana, ny fikarakarana ara-pahasalamana, ary ny fanohanana ara-tsosialy any Morondrano Andrefana, Gaza, Libanona, Syria ary Jordania. Na dia nanakiana ny UNRWA hatry ny ela aza i Israely, dia mampitombo hirifiry amin'ny dingana fanaovan-dalàna ny lalàna vao haingana, mandràra ny sampan-draharaha tsy hiasa ao Israely ary manitatra izany fandraràna izany amin'ny faritra rehetra bodoiny araka ny lalàna iraisampirenena.

Nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2023, noravan'i Israely hatrany hatrany ireo tranoben'ny UNRWA ao Gaza, anisan'izany ireo sekoly ialofan'ireo olona nafindra toerana, ary, tamin'ny volana May 2024, voatery nakatona vonjimaika ny foiben'ny UNRWA tao Jerosalema Atsinanana noho ny fanafihan‘ny “Isiraeliana mahery fihetsika.”

Israeli soldiers rejoicing as a UN run school in Beit Hanoun in northern Gaza blown is turned to rubble by Israel.

The UN uses their buildings to offer shelter to displaced Palestinians.

133 UN staff have been murdered by Israel.

pic.twitter.com/6VIOk3LpSw

— Howard Beckett (@BeckettUnite) December 12, 2023

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/11/27/172218/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/