(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Nahoana no tsy maintsy miezaka amin'ny fampidirana ny teny Afrikanina ireo goavamben'ny teknolojia [1]

['Abdulrosheed Fadipe']

Date: 2024-11-25

Nanambara ilay goavan'ny teknolojia Google fa teny afrikanina 15 hafa no hampidirina ao amin'ny Voice Search, Gboard talk-to-type, sy Translate dictation tamin'ny 28 Oktobra. Anisan'izany ny fiteny Chichewa, Hausa, Igbo, Kikuyu, Oromo, Rundi, Shona, Somali, Ndebele Atsimo, Swati, Tigrinya, Twi, Tswana, Nigerian Pidgin, ary Yoruba.

Ahafahan'ny Afrikana 300 tapitrisa bebe kokoa hifanerasera amin'ny tranonkala amin'ny fampiasana ny feon'izy ireo ity dingana manan-danja ity, nefa koa mampiseho ny habetsaky ny asa ilaina hanidy ny elanelana nomerika eo amin'i Afrika sy ny tontolo hafa.

Ny kaontinanta Afrikana no kaontinanta faharoa be mponina indrindra maneran-tany, izay misy mponina maherin'ny 1,34 lavitrisa. Nasehon'ny fanadihadiana iray navoakan'ny Statista tamin'ny Jolay 2024 fa i Afrika no kaontinanta manana karazana fiteny maro be indrindra eran-tany, satria eo amin'ny 2.158 eo ny fiteny velona ao amin'io kaontinanta io. Raha ampiasaina any Nizeria ny 25 isanjato eo ho eo (520) amin’ireo fiteny ireo, dia fiteny 277 sy 214 kosa no ampiasaina any Kamerona sy ny Repoblika Demaokratikan’i Congo. I Seychelles no firenena tsy manana fiteny samihafa indrindra eto Afrika, izay fiteny efatra ihany no ampiasaina.

Taorian'ny fanambaràna, Alamazan Jak, mpisera avy any Busoga, Ogandà, nanoratra izao fanehoan-kevitra manaraka izao ho setrin'ny fanambaràna tao amin'ny vondrom-piarahamonina fandikan-teny Google:

Congratulations on the exciting announcement! Expanding dictation to 13 African languages is a significant milestone. Your dedication to inclusivity and diversity is truly commendable.

However, I couldn't help but notice that Lusoga, a vital language spoken in Eastern Uganda, is not among the listed languages. As a proud speaker of Lusoga, I eagerly await its inclusion.

Could you please share any plans or timelines for adding Lusoga to Google Translate's supported languages? Your consideration would mean a great deal to the Lusoga-speaking community.

Thank you for your tireless efforts in breaking language barriers. I look forward to your response.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/11/25/172511/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/