(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Fasky, mpanakanto ao Borkina Fasô, mampiasa ny saripika ho an'ny fiaretana sy ny fanolorantena ara-tsôsialy [1]

['Joel Hevi']

Date: 2024-11-19

Ao Afrika, ireo fotoanan'ny zavakanto dia sehatra lafatra ho an'ireo mpikatroka maniry ny hisarika ny saina ho any amin'ireo olana sôsialy sy ny zon'olombelona.

Ao Borkina Fasô, i Zerbo Siaka antsoina hoe Fasky, mpanakanto mpakasary, dia miditra indrindra amin'ity fihaonan-dàlan'ny zavakanto sy ny fikatrohana ity. Ilay mpanakanto koa dia sady talen'ny fikambanana Photot'age, ka amin'ny alàlan'io izy no miditra an-tsehatra mampita ireo fahaizany maka sary ho an'ireo tanora aty aoriana. Ireo fampirantiana nataony nandritra ny andiany faha-13 tamin'ny fetibe ara-kolontsaina “Les Récréâtrales“, habaka iray iraisan'ireo ao Afrika ho an'ny literatiora, ny famoronana, ny fikarohana ary ny fandefasana tantara an-tsehatra, dia ohatra iray manambara ny anjara toerana miabo tànan'ny zavakanto ao anatin'ny fiarahamonina.

Ilay mpanakanto, izay efa an-taona vitsivitsy no mandray anjara amin'io fotoana lehibe io, dia nisokatra tamin'ny Global Voices. Raha nitafàna nandritra ny “Les Récréâtrales“, notantarainy ny fomba sy ny antony ametrahany ny sariny hiasa ho an'ny fiaretana sy ny fanolorantena sôsialy.

Joel Hevi (JH): Tantarao anay ny nahatonga anao tamin'ny fakàna sary, sy ny anjara asanao ao anatin'ny fikambanana Photot’Age ?

Fasky (F): Izaho no Zerbo Siaka antsoina hoe Fasky, mpakasary, avy any Bobo-Dioulasso, any Borkina Fasô. Kisendrasendra ny nanombohan'ny zotra nahatongavako ho amin'ny fakàna sary. Tany am-piandohàna, nanonofy ny ho mpiangaly Rap aho, saingy ny nahitàko ny fakàna sary dia nanaraka Frantsay mpakasary namana aho, mpikambana amina fikambanana iray ao Borkina Fasô ry zareo. Nanome fakantsary iray ho ahy ry zareo, ary nanomboka teo no lasa zavatra nahafinaritra ahy ny fakàna sary. Ankehitriny aho, ao anatin'ny fikambanana Photot'age, dia mampita io zavakanto io amin'ireo tanora, isan'izany ireo ankizy nafindra toerana ao anatiny ihany, mba hahafahan-dry zareo milaza ny heviny amin'ny alàlan'ny sary sy mampiseho ny zavamisy iainan-dry zareo.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/11/19/172423/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/