(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Gabôna: lalàm-panorenana vaovao hamadihana ny pejin'ny tantaran-dry Bongo [1]

['Jean Sovon']

Date: 2024-11-17

Herintaona mahery taorian'ny nandraisan'ny tafika ao amin'ny Repoblikan'i Gabôna ny fahefana tamin'ny 30 Aogositra 2024, manana fahafahana handeha handany lalàm-panorenana vaovao ireo olompirenena gabôney, mandritra ny fitsapankevi-bahoaka amin'ny 16 Novambra 2024

Miarina avy amin'ny fitondràn'ny fianakaviana Bongo nandritra ny fotoana ela be i Gabôna, fianakaviana nitàntana ny firenena hatramin'ny 1967 niaraka tamin'ny filoha Omar Bongo, ary taorian'ny nahafatesany dia notohizan'i Ali Bongo, zanany lahy rehefa lany tamin'ny fifidianana ho amin'io toerana io tamin'ny 2009. Niova ny tantana tamin'ny 2023 rehefa, taorian'ny fanonganam-panjakana iray nataon'ny tafika, i Brice Oligui Nguema no nandray ny fitondràna ny firenena amin'ny maha-filoha ny tetezamita hanatontosa iraka fametrahana taridàlana vaovao ho an'ny firenena.

Ao anatin'io toejavatra hanarenana ifotony ny firenena sy ireo andrim-panjakàny io, tamin'ny 7 Septambra 2024, natolotry ny parlemanta ny tolodalàna iray hanovàna ny lalàm-panorenana ary natolotra ny filohan'ny tetezamita. Io tolodalàna voalaza io dia ahitàna fanovàna vitsivitsy voatanisa ao anatin'ny lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI):

Ankoatra izay, ilay lalàm-panorenanan vaovao dia manome ny sata maha-maherifo ho an'ireo miaramila mpanongam-panjakana, amin'ny alàlan'ny lalàna iray manome azy ireo famotsorankeloka, ary eny an-tsefantsefany eny dia mamaritra ny fanambadiana ho firaisan'olona roa tsy mitovy taovam-pananahana.

Eny anivon'ny fiarahamonim-pirenena, mizarazara ny hevitra momba ilay olana, ary ireo mpisehatra dia manolotra andiam-panitsiana ho an'ilay volavolan-dalàm-panorenana vaovao, indrindra amin'ny fanomezana lanja ny fepotoam-piasàna ho dimy taona fa tsy ilay fito taona voalaza.

Tao amin'ny RFI, Sentiment Ondo, mpitondratenin'ny fiarahamonina sivily gabôney no nanazava:

Takian'ny fiarahamonina sivily ihany koa ny fanafoanana ny toeran'ny filoha lefitra ary ny hitondràna fanazavàna momba ireo fepetra mety hiteraka fanesorana amin'ny toerany ny filoha. Ao anatin’ilay lahatsoratry ny RFI, Sentiment Ondo dia mamaritra tsara fa:

Etsy andaniny, i Daniel Mengara, mpisehatra pôlitika ary filohan'ny hetsika politika gabôney Bongo Doit Partir (Tsy maintsy miala i Bongo, dia manandratra ny feony, hanoherana ilay volavolan-dalàm-panorenana voalaza, ary nanao tsia tamin'ny latsabatony:

Marobe, mazava ho azy, ireo izay miarahaba ny fanambaràna an'ilay lalàm-panorenana vaovao satria izy io no porofo hita vatana amin'ny fiafaràn'ny vanim-potoana Bongo. Izany no asehon'ny fanehoankevitr'i Ntsegue Laffite Joyce, lefitry ny sekretera mpanatanteraka no sady mpitondratenin'ny Rassemblement pour la Patrie et la Modernité (RPM) an'i Alexandre Barro Chambrier, praiminisitra lefitra ao Gabôna. Ao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), dia hoy izy:



Fa ny iray amin'ireo lohahevitra mampiasa loha indrindra an-dry zareo Gabôney dia ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsaràna. Teo ambanin'ny fitondràna teo aloha, im-betsaka mihitsy ny fitsaràna gabôney no niharan'ny fanakiànana. Momba io lafiny io, ao anatin'ny tatitra 2024 navoakany momba ny fahalalahana manerana izao tontolo izao, lazain'ny Freedom House fa:

Ny faran'ny Septambra 2024, marobe ireo fanavaozana natsofok'ireo parlemantera tao amin'ilay tolodalàna, isan'izany ny fanovàna ny faharetan'ny fe-potoam-piasàna. Tena mankasitraka fatratra an'ilay lalàm-panorenana vaovao, Paul Biyoghe Mba, parlemantera avy amin'ny Parti Démocratique gabonais (PDG) – antokon'ilay filoha gabôney fahiny, Omar Bongo – mihevitra fa ny fanavaozana tahaka izany dia afaka misoroka fironana iray ao amin'ny faritra izay matetika ny filoham-pirenena dia mitetika fe-potoam-piasàna fanintelony na efa misy aza ireo fetra napetraky ny lalàm-panorenana. Araka izay hazavainy ao amin'ny RFI:

Manomboka ny 6 Novambra ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana, andro folo monja alohan'ny fifidianana. Faha-94 no laharana misy an'i Gabôna ao anatin'ny fampilaharana nataon'ny Reporters Sans Frontières RSF) momba ny fahalalahana maneho hevitra ho an'ny taona 2024. Izao no asongadin'ny Freedom House, mbola ao anatin'ilay tatitra 2024 ihany momba ny fahalalahana manerana ny tany:

Gabon’s electoral laws and framework have historically not ensured credible elections. The electoral commission, the Interior Ministry, and the Constitutional Court have all played important roles in managing elections, and all were loyal to Bongo.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/11/17/172311/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/