(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
 . . . . . . . . . .
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna faha #18 [1]
['Jean Sovon']
Date: 2024-11-01
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy. Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha
Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole.
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Cadeauter: Fiteny frantsay avy ao Afrika no niavian'izy io ary midika hoe “Manolotra fanomezana”. Raha ao anatin'ny tontolo Françafrique, somary miloko pôlitika ihany io rafitra misy fitaomana ara-pôlitika taorian'ny fanjanahantany io sy ny fampivezivezena manjavozavo ny vola eo amin'i Parisy sy Afrika, mandeha amin'ny zotra roa mifamaly, araka izay lazain’ity lahatsoratry ny BBC ity:
The system was so widespread that it gave rise to a verb cadeauter – from the French cadeau, meaning a present.
[END]
---
[1] Url: 
https://mg.globalvoices.org/2024/11/01/172214/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: 
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/