(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Noraràn'ny polisy shinoa ireo fitafy ‘hafahafa’ ary nohodidininy ireo mpifety mialoha Halloween [1]
['Oiwan Lam']
Date: 2024-10-31
Naparitaka tamin'ny heriny rehetra nandritra ny faran'ny herinandro ny polisin'i Shanghai ho fanakanana ireo hetsika Halloween noho ny fanahiana mety hanaovan'ny mpifety fitafy saro-pady ara-politika.
Tamin'ny herintaona, talohan'ny tsingerintaonan'ny Hetsi-panoherana Taratasy Fotsy izay nanamarika ny fiafaran'ny politikan'i Shina tsy misy -COVID, an'arivony no nidina an-dalambe tao Shanghai hankalaza ny Halloween. Tao anatin'ireo vahoaka marobe, akanjo vitsivitsy no nofonosina hafatra ara-politika manakiana ny politikan'ny firenena, ao anatin'izany ny sivana miparitaka sy ny fihibohana tamin'ny COVID-19.
Amin'ity taona ity, hisorohana izay tsy fitovian-kevitra ampahibemaso, nampandrenesin'ny polisin'i Shanghai ny komitin'ny mpifanolo-bodirindrina ao afovoan-tanàna sy ny orinasa eo an-toerana tapabolana mialoha ny fetibe fa voarara ny fitafy costume.
Nanomboka 25 Oktobra, faran'ny herinandro mialoha Halloween ny bemidin'ny polisy ao Shanghai. Nasehon'i Rei Xia, Shinoa mpikatroka an-tsesitany ny fomba nanakanan'ny polisy ao Shanghai ny tao afovoan-tanànan'i Huangpu:
1/ 🚨🇨🇳HappeningNow: China’s police are cracking down on #Halloween with unexpected intensity: streets in Shanghai packed with police cars, human barricades of police, road barriers…Anyone in costume is immediately arrested, forced to remove makeup or even clothes. But why? pic.twitter.com/vkmo8jlhxM — 夏巢川 Rei Xia (@karasu_ga_warau) October 25, 2024
1/ Mitranga amin'izao fotoana izao: Manafika ny #Halloween amin'ny heriny tsy nampoizina ny polisin'i Shina: ny arabe ao Shanghai feno fiaran'ny polisy, ny sakana ataon'ny polisy, ny sakan-dalana… Nosamborina avy hatrany izay rehetra mitafy akanjo costume, voatery nanala makiazy na akanjo costume mihitsy aza. Fa nahoana?
Nisy vitsy nentin'ny polisy:
The Chinese Communist Party rounding up and arresting people dressed up for Halloween in Shanghai That should tell you all you need to know about the confidence of the Chinese government. pic.twitter.com/ColRdNrFkc — Drew Pavlou 🇦🇺🇺🇸🇺🇦🇹🇼 (@DrewPavlou) October 28, 2024
Ny Antoko Komonista Shinoa nanangona sy nisambotra ireo olona niakanjo Halloween tao Shanghai Tokony hilaza aminao izay rehetra tokony ho fantatrao momba ny fitokisan'ny governemanta Shinoa tena izany.
Na dia teo aza ny mety ho fisamborana, dia nifindra tany amin'ny Zhongshan Park ireo cosplayers hilanona Halloween. Heno teo anivon’ny vahoaka ny hira toy ny hoe “Mila fahafahana izahay”.
Nanoratra ny maha-zava-dehibe ny hetsi-panoheran'ny tanora i Gao Falin, Shinoa mpanoratra any ampitan-dranomasina:
Navadik'ireo Shinoa tanoran'i Shanghai an'arivony mivory ao amin'ny Zhongshan Park ho karnavaly ny Halloween, fetibe tandrefana, anaovany hiaka mitady fahafahana. Rehefa nakatona ny zaridaina, feno tanora mitafy costume nohodidinin'ny polisy ny arabe sy ny garan'ny metro tamin'ny nanaovana hiaka ary namadika izany ho anisan'ny karnavaly. hala-tahaka tsy nampoizina. Niaraka tamin'ireo mpitandro filaminana, novain'ireo tanora ny fanalàna azy ho hetsika ara-tsosialy iray goavana.
Nisy tamin'ireo Shangai mpanao fankalazàna niezaka nandositra ny bemidin'ny polisy ary nanohy nifety tao Hangzhou, tanàna amorontsiraka akaiky ao amin'ny faritanin'i Zhejiang:
Social media: Hangzhou’s Halloween nights. Let city competition go on. (As someone originally from Zhejiang, I am 100% biased 😂)
First picture paper: “we don’t need costume. I stand and I am, a poor person) pic.twitter.com/mmxiScQTgb — Liqian Ren (@liqian_ren) October 27, 2024
Media sosialy: Alin'ny Halloween ao Hangzhou. Avelao hitohy ny fifaninanana an-tanàna. (Amin'ny maha olona avy any Zhejiang, miangatra 100% aho)
Taratasy sary voalohany: “Tsy mila costume izahay. Mijoro aho ary izaho dia olona mahantra)
Na izany aza, nanaraka ireo mpandray anjara ny polisy, araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao tsy miankina Shinoa ampitan-dranomasina, @YesterdayBigCat tao amin'ny X:
Zhejiang Hangzhou: Manohy mamoritra ireo cosplayers ny manampahefana. Tamin'ny 27 Oktobra, olona maromaro no nosamborina teny amin'ny lalana Zhongshanbei. Tonga taorian'i Shanghai ny famoretana Halloween tao Hangzhou. Maromaro ny cosplayers voasambotra. Tamin'ny Alahady, nitangorona nanaraka ny lalana Zhongshanbei, distrikan'i Hungye ny vahoaka marobe maherin'ny 10.000 manao Halloween. Nafana ny toe-draharaha. Na izany aza, toa an'i Shanghai, maro ireo cosplayers nosamborin'ny polisy…
Satria niady mafy i Shina mampakatra ny fanjifana an-tanindrazana noho ny fitotonganan'ny toe-karena, dia tsy nandrara tanteraka ny fetibe ny manampahefana, fa nivoady fa handray fepetra araka ny fitarainan'ny mponina amin'ny fitafy “hafahafa” (奇裝異服) na “mampalahelo loatra” ny polisy :
“There was no formal announcement that celebrating Halloween was illegal and not all partygoers were stopped.” Richard Spencer, The Times Because. It's. Not. Illegal………
https://t.co/N85zxMVMCB pic.twitter.com/3XTKpVJKpS — Steven Weaver (@SteveWChina) October 29, 2024
“Tsy nisy fanambarana ofisialy fa tsy ara-dalàna ny fankalazana Halloween ary tsy ny rehetra nanatrika fety no najanona.” Richard Spencer, The Times Satria. Izany dia. Tsia. Tsy ara-dalàna………
Nisy mpisera Weibo iray nanova ny famoretana natao tamin'ny Halloween ho hanihany:
我:听说今年万圣节上海巨鹿路不让cosplay。 舍友:不是不让,是大家cos奇形怪状。如果你们cos快递小哥、保洁阿姨、前台姐姐、工人叔叔、农民伯伯等,你看有人会阻止你不? 我:好像有点道理,可是我真的是快递小哥啊! 舍友:这不正好,cosplay服装的钱都帮你省了。
Izaho: Henoko fa mandrara ny fanaovana cosplay amin'ny Halloween amin'ny lalana Julu i Shanghai amin'ity taona ity. Namako: Tsy voarara. Ireo akanjo hafahafa ihany. Raha mitafy toy ny mpitatitra ianao, ramatoa mpanadio, mpiasan'ny vola, mpiasa, na mpamboly, hisy hanakana anao ve? Izaho: Marina fa mpanatitra entana no tena asako! Namako: Tsara izany, nanangom-bola hividianana costume ianao.
Noferana ho amin'ireo faritra voatondro ny hetsika Halloween rehetra manerana an'i Shina — ny an'i Shanghai ohatra dia any amin'ny zaridaina manana lohahevitra ihany no azo anaovana fankalazana:
Bro wore heavy armor to participate in Halloween in Shanghai only to find out cosplayers are banned all throughout Shanghai this year. Halloween celebrations are only allowed in Shanghai Disney and Shanghai Happy Valley this year because those are only two places that… pic.twitter.com/8rbENuotYw — Carl Zha (@CarlZha) October 26, 2024
Nifono vy ny rahalahy nandray anjara Halloween tao Shanghai mba hahita fa voarara ny cosplayers ao Shanghai amin'ity taona ity. Ao Shanghai Disney sy Shanghai Happy Valley ihany no azo atao ny fankalazana Halloween amin'ity taona ity satria toerana roa ihany no…
Any amin'ny faritra hafa ao Shina, toa an'i Hangzhou sy Wuhan, afaka miditra amin'ny zaridaina, toeram-pivarotana, trano fisotroana ary distrika fizahan-tany, izay nanararaotan'ny marika shinoa nanaovana dokambarotra ny vokatra ao aminy tamin'ny alalan'ny costumes, ny cosplayers:
Nantsoin'ny mpisera Weibo iray ny akanjo ara-barotra toy izany any amin'ny distrika voatondro ho cosplay Halloween manana toetra Shinoa.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/10/31/172205/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/