(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Fiverenan'ilay mpamakilay: ny ranton'i Sagorika amin'ny maha-kintan'ny football vehivavy azy ao Bangladesh [1]

[]

Date: 2024-10-30

Notontosaina tamin'ny Febroary 2024 tany Dhaka renivohitr'i Bangladesh ny fiadiana ny ho tompondakan'ny SAFF U-19 vehivavy (Federasionan'ny Football Aziatika Atsimo). Fifaninanana karakarain'ny Federasionan'ny Football Aziatika Atsimo (SAFF) ny amboaran'ny vehivavy ho an'ny ekipam-pirenena baolina fandaka. Firenena mpikambana fito — Bangladesh, Bhutan, India, Maldives, Nepal, Pakistan, ary Sri Lanka — no mandray anjara amin'ny fifaninanana isaky ny roa taona.

Nifarana tamin’ny isa 1 noho 1 ny lalao famaranana nifanaovan’i India sy Bangladesh tamin’ny 8 febroary lasa teo, ka nahasahala ny isa tamin’ny minitra faran'ny lalao i Sagarika, lohalaharana Bangladesh. Vokany, nambara ho samy mpandresy tamin'ny fifaninanana i Bangladesh sy i India.

India and Bangladesh were indeed declared joint winners of the SAFF U-19 Women's Football Championship on February 8th, 2024.

The final match ended in a 1-1 draw, and even the penalty shootout went down to the wire, ending 11-11.

Initially, a controversial coin toss decided… pic.twitter.com/9nsO7Re5nS

— Northeast Now (@NENowNews) February 9, 2024

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/10/30/171988/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/