(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Nolazain'ny polisin'i Hong Kong ny orinasa teknolojika Etazoniana hanakatona tranonkalam-baovao am-pielezana noho ny filaminam-pirenena [1]

['Hong Kong Free Press']

Date: 2024-10-10

Navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 8 Oktobra 2024 ity tatitra ity. Navoaka araka ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty ity kinova manaraka ity.

Namoaka fampandrenesana avy amin'ny polisin'i Hong Kong ny orinasa Etazoniana mpampiantrano tranonkala iray mangataka azy hanaisotra ny tranokalan'ny Flow HK (Koriana HK), fampahalalam-baovao iray naorin'ireo mpikatroka prô-demôkrasia nandao ny tanàna, noho ny filaminam-pirenena.

Nilaza tamin'ny HKFP ny Automattic, orinasa miandraikitra ny rafi-pitantanam-botoaty WordPress, tamin'ny 7 Oktobra 2024 fa nahazo fangatahana fanalana ny tranonkala Flow HK avy amin'ny manampahefana ao Hong Kong. Nilaza ny orinasa fa tsy nanaraka ny baiko ary nampandre ny tompon'ny tranonkala.

Tamin'ny valin-kafatra nalefan'ny HKFP tamin'ny mailaka, dia nilaza tamin'i Sunny Cheung — iray amin'ireo mpiara-manorina ny Flow HK — ny polisin'i Hong Kong fa naato ny sehatra satria voarohirohy ho nanitsakitsaka ny lalànan'ny filaminam-pirenena napetrak'i Beijing tamin'ny taona 2020 sy lalànam-piarovana iray hafa navoaka tamin'ny volana marsa, hitsivolana fitandroana ny filaminam-pirenena, fantatra ao an-toerana amin'ny hoe Andininy faha-23.

Nilaza i Cheung fa ahiahìn'ny polisy ho nanao fandikan-dalàna ny Flow HK, anisan'izany ny fisintahana, ny familivilian-kevitra ary ny firaisana tsikombakomba araka ny lalànan'ny filaminana napetrak'i Beijing, ary koa ny fikomiana araka ny andininy faha-23.

Nilaza tamin'ny HKFP tamin'ny alàlan'ny mailaka ny polisy ny andron'ny 8 Oktobra fa “hanao hetsika mifanaraka amin'izany izy ireo raha ilaina araka ny zava-misy marina sy mifanaraka amin'ny lalàna.”

Nilaza ny fihetsiky ny manampahefana ho “tena tsy mitombina” i Cheung, izay tonian'ny seha-baovao ihany koa, ary nilaza ilay famoahana fa “tsy ho voatsindrin'izany”. Hoy i Cheung,

Flow HK is a media platform committed to promoting Hong Kong story, identity and culture, offering not only news commentary but also book and Hong Kong movie reviews…. It will continue to uphold its principles as a citizen media outlet by maintaining high standards in its investigations and reporting.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/10/10/171865/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/