(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



‘Krizy sy famohazana ny hetsika nasionaly Tatar’: Antsafa ifanaovana amin'ny toniandahatsoratry ny mediam-panoherana [1]

['Ramil Niyazov-Adyljan']

Date: 2024-09-26

Ny Tatars, Miozolomana Sonita miteny tiorkika, teratanin'ny faritra Volga sy Ural, mahatafiditra ireo repoblika federaly ao Tatarstan sy Bashkortostan no vondrom-poko faharoa lehibe indrindra ao amin'ny Federasiona Rosiana maoderina, aorian'ny Rosiana. Ry zareo koa no vahoaka silamo voalohany babon’i Rosia tamin’ny taonjato faha-16. Na dia niova ho Kristiana aza ny Tatars sasany ka lasa foko iray, dia silamo ihany ny ankamaroan'ny mponina Tatar. Ka avy amin'izany no maha-akaiky kokoa an-dry zareo amin'ny Bashkirs, vahoaka Siberiana, ary Aziatika Afovoany noho ny Rosiana. Na izany aza, ny Tatars no foko tsy Rosiana “tafiditra” indrindra tao anatin’ny Ampira Rosiana, ary tatỳ aoriana, ny Firaisana Sovietika.

Nihoatra ny taonjato dimy anefa, dia nandray anjara, tahaka ireo vahoaka vitsy an'isa hafa ao Rosia, tamin'ny fanoherana ara-politika sy mitam-piadiana ny manampahefana imperialy ny Tatars. I Moskoa koa namafa tamin'ny fomba feno habibiana ireo hetsi-bahoaka ireo na nifampiraharaha tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ankehitriny, ao anaty fananiham-bohitra tanteraka ataon'i Rosia an'i Okraina, dia nihamafy ireo disadisa naharitra ela teo amin'i Moskoa sy ny Repoblikan'i Tatarstan ireo. Na dia talohan'ny ady aza dia nofoanan‘ny Kremlin ny tsy maintsy ianarana teny Tatar tao an-tsekolin'i Tatarstan, noraràna ny fitantarana mifanohitra amin'ny fotopampianarana imperialy, ary nosimbaina hatrany izay tavela amin'ny fiandrianam-pirenen'ny Repoblika. Be lavitra mihoatra noho ny an'ny hafa ny isan'ny olona avy any Tatarstan nalefa hiady. Ao Tatarstan dia 15.4 ny taham-pahafatesana — isan'ny maty isaky ny lehilahy 10.000 manomboka 16 taona ka hatramin'ny 61 taona — raha 1.6 izany ao Moskoa.

Enjehin'i Kremlin ihany koa ireo mpikatroka avy any Tatarstan. Tamin'ny taona 2024, nandany 288 andro tany an-tranomaizina ilay mpanao gazety Alsu Kurmasheva noho ny “fanaparitahana vaovao tsy marina” momba ny tafika Rosiana. Torak'izany koa, niatrika fiampangana noho ny “fanamarinana fampihorohoroana” ilay mpanao gazety Farida Kurbanalieva, ary atao famotorana amin'izao fotoana izao ilay mpahay siansa politika sady mpanao gazety Ruslan Aysin.

Nitafatafa tamin'i Ruslan Aysin tamin'ny mailaka ny Global Voices. Miatrika fiampangana heloka bevava avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany Rosiana i Aysin noho ny “fanarenana ny Nazisma”, na dia mihevitra aza ny ankamaroan'ny manampahaizana fa valifaty noho ny fanoherany ny fananiham-bohitra an'i Okraina izany.

Global Voices (GV): Gaga ve ianao raha nanokatra raharaha heloka bevava taminao ny manampahefana Rosiana, sa efa nanampo hetsika toy izany?

Ruslan Aysin (RA): I certainly expected that criminal cases would eventually be opened against me. It was inevitable, and I was prepared for it. The Russian repressive system operates this way — it's a mechanism of pressure that removes individuals from the legal field, declaring them state criminals and enemies of the people, much like in Stalin's times. As the saying goes, if there is no case against you and you're not in prison, it's not your achievement, but rather the authorities’ oversight. The Russian security apparatus is so powerful and total that it rivals the times of Stalinist repressions. People are being imprisoned for nothing, for thought crimes, just like in Orwell's work, for simply holding a position, even a neutral one. You must openly and passionately demonstrate loyalty to this dictatorship, or you are automatically declared an enemy, which is what happened to me.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/09/26/171434/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/