(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2024-08-30
Miomana handray ny COP29, fihaonambe iraisampirenena momba ny tontolo iainana lehibe indrindra fanao isantaona, ny governemanta Azerbaijani, izay hatao any Baku ny 11–22 Novambra. Saingy tsy hamolavolana drafitra hanohanana toekarena maitso na hamerana fiakaran'ny maripana maneran-tany ho latsaky ny 1,5 degre Celsius, araka ny fifanarahan'i Paris 2015, ny fanomanana. Raha misy ny filazana mazava nataon'ny filoha Ilham Aliyev dia tsy manana drafitra toy izany ny firenena ary hanohy amin'ny fampiasam-bola sy ny famokarana solika milevina. Fa namely kosa ireo feo tsy miankina sisa nitsikera ny fitondrana ny manampahefana Azerbaijani, mialoha COP29, nisambotra mpikatroka, mpanao politika ary mampianatra sekoly ambony marobe noho ny fiampangana sandoka. Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.
Ny andiam-panenjehana farany indrindra dia ahitana ny fisamborana ny tanora manam-pahaizana Bahruz Samadov, mikendry hahazo diplaoma PhD ao amin'ny Oniversite Charles ao amin'ny Repoblika Tseky. Notazonina tao Baku i Samadov tamin'ny 21 Aogositra ary nentina tany amin'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-pirenena. Roa andro taty aoriana, nomen'ny fitsarana ao Baku famonjana vonjimaika efa-bolana noho ny fiampangana ho namadika i Samadov. Voampanga ho niray tsikombakomba hamely fanjakana i Samadov tamin'ny fifandraisany tamin'ireo teratany Armeniana tao amin'ny WhatsApp. Nandà ny fiampangana i Samadov.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izao i Samadov nanoratra andian-kevitra momba an'i Azerbaijan ho an'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena sy isam-paritra. Anisan'ny mpikatroka ao amin'ny vondrom-piarahamonina mikatsaka fandriampahalemana izay nanohitra mafy ny Ady Karabakh Faharoa tamin'ny taona 2020 ihany koa izy izay nanenjehana an'i Samadov sy ny hafa.
Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny Global Voices, dia nilaza naman'i Samadov iray, izay naleony tsy nitonona anarana noho ny olana ara-piarovana, fa ny asa sorany no nitarika ny fisamborana azy.
He was harshly criticizing the undemocratic regime in Azerbaijan in his articles. He was one of the few public voices who stood up against violations of human rights and the rights of Armenians in Karabakh. Bahruz has been threatened a couple of times because of his articles and social media activities. He was the target of the state because of his opinions.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/08/30/171288/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/