(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Hetsika iray manan-tantara, Venezoeliàna niaraka niasa hampibaribary ny hosoka nataon'i Maduro taùin'ny fifidianana [1]
['Gabriela Mesones Rojo']
Date: 2024-08-15
Nanomboka ny 29 Jolay ireo Venezoeliàna dia nameno ny arabe mba hanohitra ireo vokatra ôfisialy tamin'ilay fifidianana izay ho filoham-pirenena efa nandrasana hatry ny ela tao Venezoelà. Ny filoha amin'izao fotoana izao, Nicolás Maduro, no nomena indray fotoam-piasana fanintelony, ho hatramin'ny 2031.
Ny 30 Jolay, nantsoin'ilay mpitarika ny fanoherana, María Corina Machado, ireo mpanao fihetsiketsehana mba hifamory nandritra ny fihaonambe am-pilaminana nataon'ny vahoaka ka hanehoana ireo voka-pifidianana vita printy maneho ny hosoka am-pifidianana nataon'i Maduro.
Xiomara Pacheco, mpampivelona, 52 taona, reny niteraka roa, dia niandry ny kabarin'i Machado sy González Urrutia tao amin'io fihaonambe io. Hoy izy mantsy ny Global Voices:
Está claro que no podemos confiar en los números compartidos por el CNE, porque está muy claro que Maduro simplemente ya no tiene ningún tipo de apoyo. ¿ Si no, por qué ocultarían las actas de votación? ¿ Si no, por qué el CNE violaría tantas leyes y tantos protocolos?
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/08/15/170899/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/