(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Naaton'i Azerbaijan ny mariazy mandritra ny COP29 [1]
['Arzu Geybullayeva']
Date: 2024-08-14
Navoaka voalohany tao amin'ny Meydan TV ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panitsiana noho ny fifanaraham-piarahamiasa ara-botoaty.
Tsy maintsy miandry ny fahavitan'ny COP29 ny mpivady any Azerbaijan vao afaka manao mariazy, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana. Hotontosaina ao Baku, renivohitr'i Azerbaijan amin'ity taona ity ny fivoriana faha-29 amin'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan'ny Toetr'andro (COP29) eo anelanelan'ny 11–22 Novambra.
Niresaka tamin'ireo hotely maromaro fanaovana mariazy ny Meydan TV mba hanamarina raha marina tokoa ilay famerana. Ary tena izany tokoa. Hotely maromaro fampakaram-bady no nanamafy tamin'ny fahitalavitra Meydan fa nasaina nandà ny famandrihan-toerana manomboka ny 8–22 Novambra izy ireo mba hifantohana amin'ny fandraisana tsara ireo vahiny iraisampirenena hoavy sy hisorohana ny fitohanan'ny fifamoivoizana.
Nilaza ireo mpahay toekarena nitafatafa tamin'ny Meydan TV, fa tokony hanonitra ireo hotely mpandray fampakaram-bady ny fanjakana ary hanalefaka ny hetra. Hoy i Natig Jafarli tamin'ny fahitalavitra Meydan nandritra ny tafatafa:
The state should offer compensation for the 14 days of lost revenues because those who work there are daily workers. Their situation is going to be tough, if they wont be working for half of the month. Sadly, I don't think the managers will be making such requests, given that the ownership of these halls belong to officials.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/08/14/170905/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/