(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Mankalaza ny Andron'ny Fanafahana ny Karaiba [1]
['Janine Mendes-Franco']
Date: 2024-08-12
Ho an'ny firenena Karaiba maro, nankalazaina ho Andron'ny Fanafahana ny 1 Aogositra, izay manamarika ny tsingerintaonan'ny Lalàna Fanafoanana ny Fanandevozana tamin'ny taona 1833, izay nanokatra ny lalana ho amin'ny fiafaran'ny fanandevozana. Amin'ny fampiharana, ny ankamaroan'ny olona andevo dia notazonina ho “mpiofana” mba havotsotra tsikelikely, ka tamin'ny taona 1838 no nampiharina ny voalohany tamin'izany.
Amin'ny maha-firenena mahaleotena voalohany nanambara ny Andron'ny Famotsorana ho andro tsy fiasana ho an'ny daholobe tamin'ny 1 Aogositra 1985, nitarika ny fankalazana ho hetsika fanao isan-taona i Trinidad sy Tobago. Ankehitriny, faritany maro hafa ao Karaiba (CARICOM) no mankalaza an'io fotoana io ho andro tsy fiasana ary namoaka hafatra avy amin'ny Ivon-toerana PJ Patterson ho Fisoloambava Karaiba Afrika hanomezam-boninahitra ny fahatsiarovan'ny taona 2024 ny fikambanam-paritra, 190 taona taorian'ny Fanambaram-pamotsorana, hoy izy, “Mbola mitoetra ny tarazon'ny fanjanahantany” amin'ny alàlan'ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny “hantsana eo amin'ny toe-karena politika iraisampirenena.”
Ankatoavin'ny fanambaràna koa fa “narehitry ny toe-tsaina tsy nilefitra nataon’ireo razambentsika ny dia mankany amin’ny fanafahana […] nahariharin’ny Revolisiona Haisiana”. Tamin'ny taona 1791, nanatontosa ny fikomian'andevo voalohany nahomby tany Karaiba ny Afrikana andevo, nanohitra ny tafik'i Napoleon Bonaparte any Frantsa, ary nampiany hoe: “[Izahay] dia [manameloka] ny sakana ivelany sy ny enta-mavesatra napetraka amin'ny rafitra ara-politikan'i Haïti izay nahatonga azy ho niteraka. ary mampitoetra ny fahantrana sy ny fahoriana ary ny fahasimban’ny fiaraha-monina ao amin’io firenena io”.
Raha misaintsaina momba ny “fahafahana amin'ny loza ateraky ny fanandevozana sy ny fanjanahantany” ny olom-pirenena Karaiba, dia nakan'ny fanambarana tsoa-kevitra hoe, “tsy maintsy manohy mianatra momba ny hoe iza isika, mba hahafahantsika manoritra hoavy mamirapiratra ho an'ny taranaka hoavy”.
Ao anatin'izany dingana izany, indro misy topimaso sasany amin'ireo fisaintsainana sy fankalazàna izay nozaraina tao amin'ny Instagram manerana ny faritra.
Ao Trinidad sy Tobago, navoakan’ny Loop News ny sarim-pampisehoana sy vavaka avy amin'ny “Freedom Morning Come (Tonga ny Maraim-pahafahana),” tantara an-tsehatra nosoratan'i Eintou Pearl Springer ary notontosain'ny Vondrona Idakeda. Naseho tamin'ny 6:00 maraina AST (UTC-4) teo anoloan'ny Tranoben'ny Tresor ao afovoan-tanànan'i Port of Espaina, izay nanambaràn'ny governora George Fitzgerald Hill ny fanafoanana ny fanandevozana tamin'ny 1 Aogositra 1838 ny fanatontosana.
Nandefa ny sarin'ny andiana Moko Jumbies, olo-malaza manao lava tongotra amin'ny alalan'ny hazo (échasse) izay manana fiaviana Afrikana Andrefana, mamakivaky ny araben'ny renivohitr'i Trinidad i Sforzamedia, mpaka sary ao afovoan-tanàna ihany koa.
Nisy tarika Moko Jumbie iray koa nanao diabe, tamin'ity indray mitoraka ity, teo ambany fanevan'ny “The Merikins“, Afrikana nandevozina teo aloha izy ireo ary nahazo ny fahafahany, taorian'ny nidirany tao amin'ny Corps of Colonial Marines (Vondron-Tantsambo Mpanjanaka). Niady ho an'ny Anglisy nanohitra an'i Etazonia tamin'ny Ady tamin'ny taona 1812 izy ireo. Maherin'ny 700 tamin'izy ireo no nanorim-ponenana tao Trinidad tamin'ny taona 1816, saingy nanangana vondrom-piarahamonina tany amin'ireo nosy Karaiba hafa, toa an'i Jamaika sy Bahamas ihany koa izy ireo.
Nandritra izany fotoana izany, nizara ny antsipiriany avy amin'ny sary hosodoko lehibe iray izay iasany amin'izao fotoana izao ilay mpanakanto Trinidadiana Che Lovelace. Ho azy, ny sarin'ilay mpandihy falifaly dia manasongadina ny zava-misy fa “Amin'ny farany, ho antsika rehetra, andraikitra ny fahafahana … tokony hanao zavatra mahagaga miaraka amin'izany isika!”
Niaiky izany fotoana izany tao amin'ny kaontiny IG ny Praiminisitr'i Barbados Mia Mottley tamin'ny famoahana ny sarin'ny sarivongan'ny Fanafahana ao amin'ny firenena, izay maneho ny fahatapahan'ny gadran'ny fanandevozana amin'ny alalan'ny endriky ny “Bussa”, Afrikana Tandrefana nandevozina ary iray amin'ny teratany Barbados. mahery fo, izay nanampy tamin'ny fanombohana ny fikomiana hanoherana ny fanandevozana tao amin'ny nosy tamin'ny taona 1816:
Today, we remember and honour our ancestors’ courage and determination to break free and build towards a better future where there is fairness, equality and opportunity present for all.
Today, this resilience, courage and determination is in our DNA. And to that extent, we must continue to face this worlds current challenges with the same convictions that our ancestors held.
I say Happy Emancipation Day to all here in Barbados, across the Caribbean and throughout the world.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/08/12/170915/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/