(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Tetezana ara-kolontsaina Pôlôney-Taiwanais: Resadresaka nifanaovana tamin'ny mpandika teny Wei-Yun Lin-Górecka [1]

['Filip Noubel']

Date: 2024-07-19

Tsy ara-jeografika ihany i Taiwan sy Pôlônina no mifanalavitra, fa ara-kolontsaina koa, kanefa mifampizara tantara lava momba ny fifandraisana ara-kolontsaina izy roa tonta, izay tsy dia fantatr'ireo ivelan'ny faribolan'ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana amin'izany sehatra izany loatra. Iray amin'izy ireny i Wei-Yun Lin-Górecka (林蔚昀), izay Taiwaney mpandika literatiora avy amin'ny literatiora pôlôney, mpikaroka, poeta ary mpanoratra ihany koa, ary izy no Taiwaney voalohany nahazo ny Medalin'ny fahamendrehana ara-kolontsaina pôlôney fanomen'ny Minisiteran'ny Kolontsaina pôlôney. Tsy ela akory izay, namoaka boky vaovao tsy tantara foronina izy “世界之鑰” (“Ny fanalahidin'izao tontolo izao”) izay mandrakotra ny tantaran'ny kolontsain'i Taiwan-Pôlônina.

Taorian'ireo fihaonana marobe tany Taipei, nitafatafa taminy tamin'ny alàlan'ny imailaka tamin'ny teny shinoa ny Global Voices, mba hahafantarana bebe kokoa momba ity tetezana ara-kolontsaina miavaka ity.

Filip Noubel (FN): Inona no nahaliana anao tamin'ny Pôlônina sy ny fomba fiteniny?



Wei-Yun Lin-Górecka (WYLG) Nianatra tany Edinburgh aho tany amin'ny taona 2000 tany ho any, ary indray andro dia nahita fivarotana iray nivarotra afisy pôlôney, ka niditra tao… ary nahasarika ahy fatratra tokoa ireo afisy pôlôney, indrindra ny an'i Wiktor Sadowski . Na dia tsisy teny pôlôney iray azoko aza tamin'izany fotoana izany, tapa-kevitra aho fa tsy maintsy hitsidika an'i Pôlônina indray andro any. Nanomboka namaky literatiora pôlôney aho tatỳ aoriana, anisan’izany ny an’i Witkacy “Kurka wodna” (Ny ganaganan-drano) ary ny an'i Witold Gombrowicz “Iwona, księżniczka Burgunda” (Iwona, Mpanjakavavin'i Burgundy), ireo tononkalon'i Tadeusz Różewicz … Rehefa namaky an’i Bruno Schulz aho, dia nanapa-kevitra ny hankany Pôlônina mba hianatra ny teny pôlôney, ary handika ny asany indray andro any. Taty aoriana dia nandika ny “ Sklepy cynamonowe ” (“Ny fivarotana kanelina”), navoaka tany Taiwan tamin'ny lohateny hoe “Ulica krokodyli” – “Ny làlan'ny voay”) ary “ Sanatorium pod klepsydrą ” (“ Sanatôriôma eo ambanin'ny mariky ny fasika famantaranora), izay navoaka tsirairay avy tamin'ny 2012 sy 2014. Nandritra ny folo taona mahery aho dia nanohy nandika boky sy gazety pôlôney.

FN: Nanoratra momba an'i Taiwan ny Pôlôney, izay fantatra tamin'ny anarana pôrtiogey hoe Formosa nanomboka tamin'ny taonjato faha-17. Ao amin'ny bokinao ianao dia mitanisa toerana am-polony antsoina hoe “Tajwan” na “Formoza”, araka ny iantsoana azy amin'ny teny pôlôney, izay mifandray amin'ny toerana lavitra na amin'ny rano. Fa maninona?



FN: Manaiky hatrany ny maripamantarana tokana sy ny kolontsain'i Taiwan ve i Pôlônina? Sa mbola heverina sy jerena ho toy ny “ ilay Shina hafa” na “ilay Shina tsara” i Taiwan?



WYLG: Indrisy, tsy maintsy ambarako anefa fa mbola antsoina matetika hoe “ilay Shina hafa” na “ilay Shina tsara” i Taiwan, ary raisina ho “ilay Shina tsara”. Miteraka olana goavana ho an'ireo Pôlôney sinôlôgy (Fanamarihan'ny mpandika: mpahay momba an'i Shina) sy ireo manampahaizana manokana amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena ity trangan-javatra ity. Tena sarotra ny manova ny fomba fisainan'izy ireo. Na izany aza, maro amin'ireo manam-pahaizana antonony sy tanora no manomboka mahatsikaritra ny maha-tokana maripamantarana sy ny kolontsain'i Taiwan. Tsara izany, saingy mbola vitsy ny olona toy izany. Raha atao ny fampitahàna, heveriko fa mora kokoa ny asa raha ireo Pôlôney salantsalany no resaka. Rehefa nanao fikarohana momba ny anaran’ireo toerana ireo aho, dia nanadihady ireo mponina tany amina toerana valo amby efapolo tao Pôlônina (antsoina hoe”Tajwan” ny sasany amin'ireo toerana ireo, ny hafa kosa “Formoza”). Ankoatra ny fanontaniako azy ireo momba ny niandohan'ny hoe “Tajwan” sy “Formoza”, dia nanontaniako ihany koa izay fantatr'izy ireo momba an'i Taiwan. Betsaka ny olona manana fahalalana ambangovangony momba an'i Taiwan, ary na mety nihevitra aza ny sasany tany am-boalohany hoe i Taiwan no “ilay Shina tsara” na “ilay Shina demaokratika”, rehefa nanomboka nitantara tamin'izy ireo momba ny kolontsaina tsy manam-paharoan'i Taiwan sy ireo tendrombohitra miavaka ao Taiwan anefa aho, dia nanomboka nahatakatra sy lasa liana tamin'i Taiwan izy ireo. Raha ny hevitro, ny fitadiavana fiteny iraisana sy tombontsoa iombonana no fanalahidy. Antenaiko fa ity karazana fifandraisana sy fifanakalozan-kevitra ity no hanatsara ny fahalalan'ireo vahoaka Pôlôney – ary hatramin'ny fankatoavana an'i Taiwan aza. Tsy izaho irery no manao izany, fa maro ny Taiwaney no tafiditra amin'ity karazana diplaomasia ity.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/07/19/170226/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/