(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Solontenan'ny Reporters Sans Frontières tsy nekena hiditra ao Hong Kong [1]
['Hong Kong Free Press']
Date: 2024-04-24
Nosoratan'i Tom Grundy ity tatitra ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 10 Aprily 2024. Navoaka eto ambany ny dika nasiam-panitsiana ho anisan'ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty ifanaovana amin'ny HKFP.
Nolavina ny fahazoan'ny ny solontenan'ny Reporters Sans Frontières (RSF) tao Hong Kong taorian'ny nitazonana azy, nosavaina sy nohadihadiana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina izy tamin'ny 10 Aprily 2024, araka ny filazan'ny FTMF-ONG frantsay momba ny fahalalahan'ny media.
Nosavaina in-telo ity mpiadidy ny fisoloam-bava monina ao Taipei antsoina hoe Aleksandra Bielakowska ity ary nanaovan'ny tompon'andraikitry ny fifindra-monina famotorana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao an-tanàna. Noroahina hivoaka ny firenena izy avy eo.
Tao amin'ny fanambaràna taorian'ny zava-nitranga, nilaza ny RSF:
Hitan'ny HKFP ny antontan-taratasy fandavana fidirana.
Ho famaliana ny HKFP, nilaza ny mpitondratenin'ny Departemantan'ny fifindra-monina (ImmD) fa “tsy maneho hevitra amin'ny tranga tsirairay. Miasa mifanaraka amin'ny lalàna sy ny politika ny ImmD amin'ny fikarakarana ny raharaham-pifindramonina tsirairay.
Kinasa ny hampifandraisan'i Bielakowska ny Talen'ny Birao Azia-Pasifika Cédric Alviani amin'ny mpanao gazety sy hanara-maso ny fitsarana raharaham-pilaminam-pirenena mahavoaroiroy an'i Jimmy Lai olo-malazan'ny media.
Nanomboka tamin'ny 18 Desambra 2023 ny fitsarana raharaham-pilaminam-pirenena an'i Lai. Voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny hery vahiny ilay olona 76 taona mpanorina ny gazety tsy miankina Apple Daily efa levona, araka ny Lalànan'ny Filaminam-Pirenena najadon'i Beijing ary nandray anjara tamin'izany tamin'ny famoahana lahatsoratra “mampisara-bazana” araka ny lalànan'ny fampisaraham-bazana tamin'ny andron'ny fanjanahantany. Raha voaheloka izy dia migadra mandra-pahafaty.
Tao anatin'ilay fanambaràna, nilaza ny talen'ny fanentanana ao amin'ny RSF, Rebecca Vincent, fa “sambany” izany hetsika izany raha oharina amin'ny zaratany hafa rehetra, raha hita fa “miezaka manao ny asany fotsiny…” ny mpiara-miasa aminy. Hoy ilay mpanentana:
We have never experienced such blatant efforts by authorities to evade scrutiny of court proceedings in any country, which further highlights the ludicrous nature of the case against Jimmy Lai, and the dire erosion of press freedom and the rule of law in Hong Kong. We demand an immediate explanation from the Hong Kong Special Administrative Region and a guarantee that our representatives can return to the territory safely to monitor the remainder of Lai’s trial, which cannot take place in darkness. The world must know what is happening in Hong Kong, which has implications for global press freedom.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/04/24/169216/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/