(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Maneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny mpanohitra Agbéyomé Kodjo tany an-tsesitany ny Togoley [1]

['Jean Sovon']

Date: 2024-03-29

Lasa toerana mhazatra hiafaran'ny fiainan'ny mpanohitra ny fitondrana Togoley ny sesitany. Agbéyomé Kodjo no farany teo, izay maty tamin'ny 3 martsa 2024 tany Ghana.

Tsy misy tarehimarika marina momba ny isan'ny olom-pirenena Togoley monina an-tsesitany, ary matetika miafina lavitra ny tanindrazany, mandra-pahafatiny noho ny antony politika, saingy anarana lehibe maromaro no manamarika izany tantara izany. Tamin'ny volana Martsa 2021, maty tany Ghana noho ny aretina vetivety i Foussena Djagba, mpikatroka ara-politika sady mpanohitra ny fitondran'ny filoha Faure Gnassingbé. Maty tamin'ny 9 Janoary 2024 tany Soeda ny Monseigneur Philippe Fanoko Kpodzro, taorian'ny sesitany telo taona. Ankehitriny, misaona ny fahafatesan'i Agbéyomé Kodjo, mpanohitra teo aloha, izay maty tao an-tanànan'i Tema any Ghana ny Togoley.

Mpiara-dia tamin’ny fianakaviana Gnassingbé teo aloha tamin’ny andron’ny filoha efa maty nassingbé Eyadéma, nitana andraikitra lehibe i Agbéyomé : Minisitry ny Tanora, ny Fanatanjahantena ary ny Kolontsaina (1988-1991); Tale jeneralin'ny Seranan-tsambo Mizaka tena an'i Lomé (1993-1999); filohan’ny Antenimierampirenena (1999-2000); Praiminisitra (2000-2002). Taorian'ny tsy fitovian-kevitra tao anatin'ny antoko Fivondronan'ny vahoaka Togoley (Rassemblement du peuple togolais) (RPT), fianakaviany ara-politika tamin'izany fotoana izany, dia nesorina tamin'ny andraikiny amin'ny maha-filohan'ny governemanta azy izy ary nialokaloka an-tsesitany tany Frantsa tamin'ny taona 2002.

Rehefa niverina avy tany an-tsesitany izy tamin'ny taona 2005 taorian'ny nahafatesan'i Gnassingbé Eyadéma, dia niandany tamin'ny mpanohitra. Tamin'ny taona 2008, nanangana ny antoko politikany izy, ny Fikambanana ho an'ny Fanorenana ao anatin'ny vondrona firaisankina Togeley- Organisation pour bâtir dans l'union solidaire togolaise (OBUTS) izay naha kandida azy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010.

Folo taona taty aoriana, tamin'ny taona 2018, lasa Hetsika Tia Tanindrazana ho an'ny Demaokrasia sy Fampandrosoana (MPDD) ny OBUTS. Nanetsika antoko politika hafa niaraka tamin'ny MPDD i Agbéyomé ary nanangana ny Dynamique Monseigneur Kpodzro (DMK) teo ambany fitarihan'ny Monseigneur Philippe Fanoko Kpodzro mba hifanandrina amin'i Faure Gnassingbé tamin'ny fitsapan-kevitra nandritra ny fifidianana filohampirenena 2020. Raha nanambara an'i Agbéyomé fa faharoa tamin'ny vato 19,45% azony ny valin'ny fitsapan-kevitra, aorian'i Faure Gnassingbé izay nahazo vato 70,78%, dia mbola nilaza ho mpandresy izy ary nanambara ny tenany ho “filoha ara-dalàna ao Togo“, amin'ny fiheverana fa izy no manana vato be indrindra ary nangalarina taminy ny fandreseny.

Tamin'ny 21 aprily 2020, nosamborina i Agbéyomé. Fiampangana marobe no nanenjehana azy, anisan'izany ny fanohintohinana ny filaminana anatiny ao amin'ny Fanjakana sy ny fampiasana ny mari-pamantaran'ny Fanjakana. Navotsotra izy telo andro taorian’izay, tamin’ny 24 Aprily, saingy napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Tao anatin'izany toe-javatra izany no nandehanany an-tsesitany izay nandaniany ny dimy taona farany.

Raha toa ka tsy nitondra vokatra nantenainy ny ady ara-politika notarihan'i Agbéyomé Kodjo dia namela marika ny diany teo amin'ny sehatra ara-politika Togoley izy. Nitafatafa tamin'ny gazety Le Monde tao anatin'ny ora voalohany taorian'ny nahafatesan'i Agbéyomé, nilaza i Paul Missiagbéto, mpanolotsainy manokana sady mpiandraikitra ny raharaha politika sy olom-pirenena ao amin'ny MPDD hoe:

Nanome voninahitra azy ny mpikambana amin’ny antoko politika hafa. Notononin'ny fampahalalam-baovao Togoley Afreepress tao amin'ny lahatsoratra natokana ho an'ny mpanao politika ny sasany tamin'izy ireo. Me Mouhamed Tchassona-Traoré, mpandrindra nasionalin'ny Alliance Ensemble nanambara hoe:

C’est avec une grande tristesse que nous apprenons le rappel à Dieu de notre compatriote et compagnon de lutte, Agbéyomé Kodjo, dont la stature intergénérationnelle fait de lui un homme politique transcendant tous les clivages et clichés.

Amin'alahelo lehibe no nandrenesana ny fiantsoan'i Ray hody any aminy an'ilay mpiray tanindrazana sady mpiara-mitolona, ​​Agbéyomé Kodjo, izay mahatonga azy ho mpanao politika mihoatra ny fisaratsarahana sy ny fitsaratsarana rehetra ny satany mitsinjo ny samy taranaka.

Tamin'io fampahalalam-baovao io ihany, Gerry Taama, filoha nasionalin'ny antoko Nouvel Engagement Togolais (NET) maneho ny alahelony:

Il s’agit là d’une grande perte. Il est regrettable que cet homme politique ‘’particulièrement brillant’’ soit parti en étant très loin du pays. M. Agbéyomé Kodjo est un patriote, il aimait son pays et la population togolaise. Je me sens triste qu’il soit parti en étant très loin du pays.

Mbola tao amin'ny Afreepress ihany, Adrien Béléki avy amin'ny antoko Convergence Patriotique Panafricaine (CPP) nanampy hoe:

Gardons de ce monsieur, l’homme complexe qu’il a été. On discutait toujours avec lui quand il était sur le territoire national. On sent en lui qu’il veut quelque chose pour l’épanouissement de son pays. Peut-être qu’il a été mal compris.

Notsongaina tao amin'ny fampahalalam-baovao Afriqueenligne, Antoine Folly, Solontena jeneralin'ny antoko Vondron'ny Demokraty Sosialista ao Togo- Union des démocrates socialistes du Togo (UDS-TOGO) nanome voninahitra an'ilay mpanao politika ihany koa:

Je n’ai pas souvenir d’un homme politique togolais qui ait eu dans son parcours politique, à occuper deux des trois plus hautes fonctions de la République. A ce jour, Agbéyomé Kodjo reste le seul à l’avoir fait. Au-delà des divergences d’appréciation que nous avons eues au sujet de l’élection présidentielle de 2020, nous avons toujours partagé avec Agbéyomé Kodjo et son parti politique une très haute et noble idée de la démocratie et de l’intérêt national.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/03/29/168927/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/