(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



The Baku Connection: Miray hina ireo mpanao gazety manerantany hanohana ny Abzas Media ao Azerbaijan · Global Voices teny Malagasy [1]

['Arzu Geybullayeva']

Date: 2024-02-11

Tamin'ny 1 Febroary 2024, nanangana tetikasa fanadihadiana manerantany vaovao antsoina hoe “The Baku Connection” ny Forbidden Stories, tambajotran'ny mpanao gazety izay miantoka ny asan'ny mpanao gazety miatrika fandrahonana mitohy.

Araka ny voalazan'ny Forbidden Stories, maka ny asa natomboky ny mpanao gazety tao amin'ny Abzas Media, fampahalalam-baovao mahaleotena lasibatry ny fanjakana Azerbaijani tamin'ny volana Novambra 2023 ny tetikasa. Mpanao gazety sy tonian-dahatsoratry ny haino vaky jery Abzas maro no nosamborina tamin'ny Novambra noho ny fiampangana sandoka kolikoly ary mbola miandry fitsarana any Baku. Mpanao gazety 40 eo ho eo avy amin'ny fampahalalam-baovao 15 no nanatevin-daharana ny tetikasa hatramin'ny nanombohany, manohy ny fanadihadiana efa natomboky ny ekipan'ny Abzas Media.

Teraka ny fandraisana andraikitra rehefa nangataka ny hafa mba hanohy ny asan'izy ireo ny ekipan'ny Abzas Media. Tao anatin'ny taratasy niantefa tamin'ny ekipan'ny Abzas Media sy nanambara ny fanombohan'ny tetikasa, nanoratra i Laurent Richard, mpanorina sady tale mpanatanteraka ny Forbidden Stories, hoe:

Dear Elnara, Hafiz, Sevinc, Mahammad, Nergiz, Ulvi,

You will probably be reading these few lines from Azerbaijani jails, prey to the same conditions you tirelessly condemned in your investigations. The near-certainty that your work would one day land you in prison never made you back down.

We had no choice but to raise up to your determination, and your call to investigative journalists did not go unheard. Over the past two months, 40 reporters from 14 media outlets have joined forces with Forbidden Stories to pursue your investigations.

Beyond borders, we have written what you can no longer write. This regime that holds you prisoner is also the one that wields a great deal of influence around the world, thanks to gas.

Beyond borders, we have asked the questions you can no longer ask. Including to our politicians and multinationals who regularly pay a visit to your country, Azerbaijan.

Your arrests did not stop the stories.

In the hope that you will soon be released,

Laurent Richard

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/02/11/168379/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/