(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ampikarohana ny koala sarobidin'i Aostralia [1]

['Kevin Rennie']

Date: 2024-02-05

Nanomboka ny taombaovao 2024 tamin'ny alalan'ny fisafidianana ny koala sarobidin'i Aostralia ho lahatsoratra misongadin‘io andro io ny Wikipedia.

Noho i Aostralia mety hiatrika doro tanety mandravarava amin'ity fahavaratra ity toy ny tamin'ny taona 2019–2020, tandindonin-doza amin'ny lafiny maro hafa koa ny iray amin'ireo biby tiany indrindra, tsy inona izany fa ny koala. Araka ny angom-baovaon'ny Global Voices tamin'ny Marsa 2022, nambara ho karazam-biby ahiana ho lany taranaka [mg] ity marika nasionaly ity. Roa amin'ireo loza mitatao aminy ireo ny fahaverezan'ny toeram-ponenana sy ireo aretina, toy ny Chlamydia.

Tsy vaovao ny tahotra amin'ny hoavin’ny koala. Ny horonana fanao tahiry, “Is the Koala Doomed for Extinction” (Voaozona hanjavona ve ny Koala?) nivoaka tamin'ny taona 1962:

Mazava ho azy fa misy zavatra vitsivitsy tsy maintsy havaozina avy amin'ny taona 1962 – ohatra, ny fanondroana ny orsa amin'ny lohatenin'ny YouTube. Tsy orsa ny koala. Marsupial mihinan-javamaniry (ravin-kininina no sakafony) ireo ary misy kitapo hitaizany ny zanany antsoina hoe joey. Mandany ny androny eny amin’ny hazo izy ireo, matory hatramin’ny 20 ora isan’andro. Mifindra anelanelan-kazo izy ireo raha ilaina zany.

Na dia efa nahita koala am-polony aza aho tao anatin'ny telo ampahefatry ny taonjato farany, dia tsy tadidiko ny fotoana farany. Fahita teny amin’ny hazo teny amoron-dalana izy ireo taloha. Toy ny fijerena azy ireny any an'ala sy valan-javaboary, dia re matetika amin'ny alina ny ngonongonony any amin'ireo toerana toy ny valan-javaboarim-pirenena Grampians any Victoria.

Na dia miteronterona eo am-bavahadin'ny Grampians eo aza ny Koala Goavana, dia vitsy tena vitsy ny biby tavela ao amin'ny valan-javaboary.

Nitondra fifaliana kely ny fisian‘ny koala roa tamin'ny taona 2020:

Two koalas have been found in the Grampians in one of the first documented sightings in six years.

The rare find has been described as “fantastic” by Parks Victoria.

A member of Project Platypus Upper Wimmera Landcare spotted the sleepy marsupials, whose numbers were decimated by disease in the 1990s in the region.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/02/05/167858/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/