(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fiombonamben'i Kaomoro: mankany amin'ny krizy manaraka ny fifidianana ve taorian'ny nahalàny indray ny filoha teo aloha? [1]
['Jean Sovon']
Date: 2024-01-23
Miverina indray i Azali Assoumani hamita fe-potoam-piasàna vaovao hitondra ny Fiombonamben'i Kaomoro, araka ireo vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana natao ny 14 Janoary 2024. Mikiaka tsy fetezan-javatra ireo mpanohitra, nahatonga ny tanora hanao hetsipanoherana.
Ny 14 Janoary 2024, namonjy biraom-pifidianana ry zareo Kaomôriàna hifidy izay ho mpitarika vaovao hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona ho avy. Azali Assoumani, filoha vao avy nametra-pialàna no sady kandidà hisolo ny tenany, no nifaninana tamina kandidà dimy avy amin'ny fanoherana: Salim Issa Abdillah avy amin'ny antoko Juwa; Bourhane Hamidou avy amin'ny Hetsika ho an'ny Kaomoro Rahampitso; Aboudou Soefo, minisitry ny Raharaha Ivelany fahiny; Mouigni Baraka Saïd Soilihi, governora taloha tao Kaomoro Lehibe; ary i Abdallah Mohamed Daoudou, minisitry ny Atitany taloha no sady efa ben'ny tanàna tao Moroni, renivohitry ny firenena.
Ny 16 Janoary 2024, nambaran'ny Vaomiera Nasiônaly Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) fa i Azali Assoumani no nivoaka ho mpandresy tamin'ny 62,97% n'ireo vato. Mitady fe-potoam-piasàna faninefany izy araka izany (2002, 2016, 2019 ary 2024), ary fanampin'izay, fanintelony mifanarakaraka amin'ny maha-filohan'ny Fiombonamben'i Kaomoro. Salim Issa Abdillah, kandidà mahaleotena no eo amin'ny laharana faharoa, manana vato 20,6%, raha i Abdallah Mohamed Daoudou kosa mionona amin'ny 5,88%.
Asehon'ity lahatsarin'ny Tv5monde ilay fanambaràna nataon'ny CENI:
Tombanana ho 860 550 ireo mponina ao Kaomoro, izay mpifidy 338 000 eo ho eo no nantsoina handatsa-bato. Ireo Kaomoriàna any am-pielezana, tombanana ho 600 000 izay mipetraka indrindra indrindra any Frantsa, dia voahilika tsy tao anatin'ilay zotram-pifidianana.
Tao anaty lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (Rfi), Said Larifou, mpisolovava ary efa kandidà ho filoham-pirenena tany aloha, monina an-tsesitany ao Frantsa nanomboka tamin'ny 2019, dia manombana fa ny fanilihana ireo any am-pielezana dia mampametra-panontaniana momba ny endrika maha-demaokratika ilay fifidianana:
Nandritra ny andro fifidianana, betsaka ireo tsy fetezan-javatra tsikaritra tany amin'ny biraom-pifidianana sasantsasany. Ity lahatsary navoakan'ny kaonty X (Twitter taloha) an'ny Tv5monde ity, natokany ho an'ny vaovao afrikàna, dia mampiseho ireo fifanjevoana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny olontsotra :
Tsy afa-po tamin'ireo vokatra vonjimaika nambaran'ny CENI, nidina an-dalambe ireo tanora ary naneho ny hasosorany sy ny hatezerany nanomboka ny 17 Janoary.
Tamin'io andro io, ny ampitson'ilay fanambaràna ny vokatra vonjimaika, nirohotan'ireo tanora kaomôriana ireo lalambe tao an-drenivohitra. Vao mangiran-dratsy dia nisy nandoro ny tranoben'ny ministeran'ny fanajariana ny tany. Lahatsary iray nakarin'i Abdou Moustoifa, mpanao gazety sy iraky ny Reuters, tao amin'ny kaontiny X no mampiseho ireo fahavoazana naterak'izany:
Ny andron'ny 17 Janoary dia nisy ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo tanora, nahafatesana olona iray sy naharatràna dimy.
Avy amin'ny ankolafy fanoherana, nisy ny antso hanaovana hetsipanoherana nalefany tamin'ny Zoma 19 Janoary, araka ny lazain'ny Tv5monde ao anatin'ity ranty ity ao amin'ny kaontiny X:
Nandritra io andron'ny 17 Janoary io, nisy fikorontanana be tsikaritra tamin'ny aterineto. Teritery ny fifandraisana ary indraindray aza dia tapaka. Tsy afaka nifandray tamin'izao tontolo izao ry zareo Kaomoriàna, ary tsy afaka nidirana ireo tambajotra sôsialy. Vavolombelon'izany ity ranty ity, an'ny kaonty antsoina hoe Comorien ancien ao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha):
Depuis plus d'une heure il n'y a plus de connexion pour les abonnés Comores Télécom, que ce soit via la fibre ou la 4G.
Fanamarihana toy izany koa no nataon'i Laklass, olon-tsotra iray avy ao amin'ny Fiombonamben'i Kaomoro, tao amin'ny kaontiny X. Hoy ny nosoratany:
Manahy ny amin'izay ho fivoaran'ny toe-draharaha, ireo andry iraisampirenena dia miantso ny vahoaka kaomôriàna ho tony sy hahafehy tena. Toy izany ohatra ny Firenena Mikambana (ONU) tena miasa loha amin'ny fihazakazaky ny krizy. Tamin'ny alàlan'ny fanambaràna iray nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Kaomisarià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona ( OHCHR), Volker Turk, kaomisera ambony misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana, dia miantso ireo manampahefàna ao Kaomoro mba hiantoka ny fahalalahana hanao hetsika am-pilaminana. Tao amin'ny kaonty X an'ny Firenena Mikambana, izao no soratra tao:
#Comoros: Following protests after the presidential election, @volker_turk calls on all to exercise restraint & urges the Govt. to ensure the right to freedom of expression.
‘It is paramount to ensure a safe environment, where all Comorians can freely express their views’
— UN Human Rights (@UNHumanRights) January 17, 2024
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/01/23/168002/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/