(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Tondra-drano any Brezila, nanjary adihevitra nasionaly ny fanavakavahana ara-tontolo iainana [1]
['Global Voices Brazil']
Date: 2024-01-25
Niteraka famoizana ain'olona 12 sy fahapotehana ny tondra-drano sy ny oram-be tao amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro, anisan'izany ny tanànan'i Rio tamin'ny tapaky ny volana Janoary, vokatry ny krizin'ny toetr'andro izay niverimberina tany amin'ny faritra maro ao Brezila tamin'ny herintaona.
Niampy teny vaovao indray ny adihevitra nasionaly tamin’ity indray mitoraka ity taorian’ny nanamarihan’ny minisitry ny Fitoviana ara-poko, Anielle Franco, ny fanavakavaham-bolon-koditra ara-tontolo iainana ho anisan’ny mahatonga ny loza vokatry ny toetr’andro any amin’ny faritra.
Nilaza tao amin'ny lahatsary iray navoaka tao amin'ny media sosialy i Franco, rahavavin'i Marielle Franco, mpanolotsainan'ny tanànan'i Rio nisy namono tamin'ny taona 2018 fa, rehefa mijery ireo faritra tena iharan'ny tondra-drano, ireo toerana efa miatrika olana momba ny trano, hita fa ny ankamaroan'ny mainty hoditra no iharan'ny vokatry ny toetr'andro mahery vaika.
Tsy nitovy hevitra amin'izany ireo fampahalalam-baovao elatra havanana sy ireo matoandahatsoratra amin'ny fampitam-baovao mahazatra, ary nisy ny naneso ny fanehoan-kevitr'i Franco.
Joel Pinheiro da Fonseca nilaza tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Folha de São Paulo fa:
Tamin'ny volana Desambra 2023, nanambara ny fitsapan-kevitra iray fa milaza ho mainty hoditra na foko mifangaro (sokajy antsoina hoe pardo amin'ny teny Portiogey) ny 55,5 isanjaton'ny mponina Breziliana. Nasehon'ny tatitra nataon'ny Ivotoerana Breziliana momba ny Jeografia sy ny Antontanisa (IBGE) tamin'ny taona 2021 fa efa ho avo roa heny noho ny an'ny mponina fotsy hoditra ny tahan'ny fahantrana eo amin'ny mponina mainty hoditra sy foko mifangaro. Heverin'ny tondro ho ao antokonan'ny fahantrana ireo olona mampidi-bola latsaky ny 100 USD isam-bolana.
Nisioka i Franco tamin'ny 16 Janoary fa, teo anelanelan'ny taona 2010 sy ny taona 2020, niakatra 15 avo heny ny isan'ny olona namoy ny ainy nandritra ny tondra-drano, ny hain-tany ary ny tafio-drivotra tany amin'ny faritra mahantra sy manodidina an'i Brezila.
Nampiasaina hatramin'ny taona 1970-1980 tany Etazonia ny voambolana hoe fanavakavahana ara-tontolo iainana. Matetika heverina ho avy amin'ilay mpikatroka Afrikana-Amerikana sady mpanoratra Benjamin Chavis izany.
Faritan'ny lahatsoratra iray ao amin'ny tranokalan'ny World Economic Forum ho “endrika fanavakavaham-bolon-koditra mahazatra izay mahatonga ny vondrom-piarahamonina mainty hoditra hizaka mafy kokoa amin'ny fomba tsy mifandanja ireo voina ara-pahasalamana amin'ny alàlan'ny politika sy fomba fanao izay manery azy ireo hipetraka eo akaikin'ireo toerana manimba kokoa toy ny toerana fivoahan'ny rano maloto, toeram-pitrandrahana, fanariam-pako, tobim-pamokarana herinaratra, lalana lehibe sy ireo mpamokatra akora mpangeja hafanana izany.” Saingy nanamarika ny ranty iray hafa, navoakan'ny The Lancet tamin'ny taona 2018, fa “tsy voafetra amin'ireo toerana misy indostria mpandoto ny fanavakavahana ara-tontolo iainana “:
It can also be seen in the historical siting of many minority communities on less desirable tracts of land, such as flood plains or other areas vulnerable to the extreme weather events. Nor is environmental racism limited to the treatment of minority groups within a nation, as many polluting industries have moved from high-income countries, where they are monitored closely, to lower income ones with less stringent environmental oversight.
While a common counterargument to the narrative of environmental racism is that these are conditions that arise from poverty, not racism, a growing body of evidence suggests that this is not the case (…)
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2024/01/25/167909/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/