(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Undertones: 2023, taonan'ny fitantarana [1]

['Civic Media Observatory']

Date: 2024-01-03

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasimbaovaon'ny Civic Media Observatory an'ny Global Voices. Mamandriha ny Undertones.



Tongasoa eto amin'ny Undertone farany amin'ity taona (2023) ity. Ny lohahevitra lehibe amin'izao androntsika izao – ny fivoaran'ny AI (HaVO), ny ady, ny krizin'ny toetr'andro ary ny fironana ho amin'ny tsirefesimandidy – dia miankina betsaka amin'ny fomba fisainantsika sy firesahantsika momba azy ireny. Izany no niezahanay natao tamin'ity taona ity niaraka tamin'ny Civic Media Observatory (CMO): mamoaka ireo fitantarana manodidina ireo lohahevitra tena maika indrindra ireo amin'ny alalan'ny fomba fiasa voarindra sy ireo mpikaroka miavaka. Ary misaotra anareo mpamaky izahay noho ny fifandraisanareo taminay nandritra ny taona.

Tamin'ny taona 2023, nanokatra ny boaty fitaovana CMO ho an'ny mpamaky [mpihaino] izahay, izay nahafahan'ny karazan'olona maro nandray anjara tamin'izany. Nihaona tamin'ireo mpanao lalàna, mpiaro ny zo nomerika ary mpanao gazety manerana an'izao tontolo izao ihany koa izahay tao anatin'ny fihaonambe sy fivoriana anjotra tsy tambo isaina mba hanohanana fomba vaovao handinihana ny fampahalalam-baovao. Samanta Azpurua, iray amin'ireo tonian-dahatsoratra mpandrindra, milaza tsara indrindra momba izany:

For me, the CMO is more than a research tool. This methodology proposes a mindset for all people consuming content in media ecosystems. Our emphasis on context and subtext allows our readers to explore the origins, reasonings, and patterns behind the narratives shaping public debate, a great resource to deconstruct disinformation and misinformation and ultimately confront autocratic tendencies. Authoritarian propagandists can easily influence the public in the way information now rapidly flows in media ecosystems, and use free and fair elections to take over power and lead countries. This is why I firmly believe the CMO method can and must be part of the toolkit of the teams designing tactics to fight them.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2024/01/03/167588/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/