(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Raha manomboka ny Tahirimbola ho an’ny Fatiantoka sy Fanonerana ny COP28 dia nasongadin’ny orambe mivatravatra kosa ny fitomboan’ny faharefoan’ireo Nosy Karaiba manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. · [1]

['Emma Lewis']

Date: 2023-12-26

Tena efa akaikin'ny fiafaran'ny vanimpotoanan'ny rivodoza ao Atlantika no nisy fikorontanana iray nantsoina hoe ny mety ho rivodoza trôpikaly faha-roa ambiroapolo tapa-kevitra ny hiala avy any amin'ny faritra manakaiky ny atsimon'i Jamaika ary nitodi-doha nianavaratra-andrefana. Vaovao ratsy io ho an'ilay Nosy – ary manaraka izany, ho an'ilay Repoblika Dominikana – izay tafiditra indrindra ao anatin'ny làlana ho lalovany. Na dia tsy mbola nisy rivotra aza ary mbola tsy voafaritra ôfisialy ho tafio-drivotra trôpikaly izy, ny loza (anisan'izany ny fahafatesan'olona 21 tany amin'ny Repoblika Dominikana) dia tena goavana. Hatramin'ny volana Jona, niatrika tondra-drano goavana telo ilay firenena Karaibiàna miteny Espanola, ireo rehetra ireo dia nahitana rotsak'orana tamin'ny taha avo indrindra.

Raha toa nikisaka nitety an'i Jamaika ilay andro ratsy tamin'ny 16 sy 17 Novambra, ny ilany Atsinanan'ny Nosy no tena nijaly indrindra. Nisy ny tantaran'ireo olom-pirenena niezaka nitantana ireo rano tondraka feno voay ; ireo mpandeha nihitsoka nandritra ny alina tany ambanivohitra ; ny fihotsahan'ny tany midadasika tany amin'ny faritra ambony havoana manakaiky ny Kingston, ankoatr'ireo faritra hafa ; ny renirano sy hantsana tondraka ; ary ireo lalam-be tena simba be. Soa ihany, tsy nisy ny aina nafoy, na teo aza ireo tantara maro nolazaina ary tamin'ny fomba tena Jamaikana, nisy ireo fanehoankevitra mahatsikaiky nozaraina teny amin'ireo tambajotra sôsialy.

Ny Praiminisitra Andrew Holness – izay toa afa-po fa nahatohitra tsara ireo fotodrafitrasa – dia nilaza tao amin'ny Parlemanta fa ho tafakatra 409 tapitrisa JMD (manodidina ny 2,63 tapitrisa Dolara Amerikana) ny tetibolan'ny fanamboarana làlana.

Amin'io lafiny io, ny matoandahatsoratra iray tao amin'ny gazety Gleaner dia nanosoka hevitra ny mba hampiasan'i Jamaika ny tahirimbolan'ny FMI natokana ho an'ny famatsiambola ho fizakàna sy fampaharetana, tamin'ny fanamarihana fa :

Nony farany, ny olana mikasika ny Fatiantoka sy Fanonerana izay nanjary laharam-pahamehana ho an'ireo Firenena Nosy Madinika Andalam-pandrosoana sy Marefo (PEID) toa an'i Karaiba, dia nipoitra ihany ho eny amin'ny lohalaharana niaraka tamin'ilay fanambaràna ireo fanolorantenan-dry zareo firenena mandroso tamin'ny andro voalohan’ny fihaonambe mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro (COP28).) tany Dubaï. Una May Gordon, filoha teo aloha misahana ny resaka Fiovaovan'ny Toetrandro tao Jamaika, dia nanome dera ho an'ny Alliance of Small Island States (AOSIS) noho ny fitazonana ny tsindry tamin'ny Fatiantoka sy Fanonerana nandritra ireo kaonferansa marobe :

Loss & Damage Fund should be changed to #FundofHope . @AOSISChair of 2022 must take some of the credit for the historic moment celebrated @COP28_UAE today. #WePressOn . In it for the long haul #climatefinance #ClimateAction #GAPSCertified #BlessedAndGrateful pic.twitter.com/ppjfhL6mm1

Nandritra ny lanonana iray nirazotra tamin'ny COP28, Rabab Fatima, Sekretera Jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana dia nizara tarehimarika goavana izay natrehan'ny PEID tamin'ny resaka Fatiantoka sy Fanonerana tao anatin'ny iray taona monja :

“Last year, small island developing states suffered $153 billion in climate related loss and damage,” says Rabab Fatima ( @rababfh2016 ) of @UNOHRLLS , opening the side event ‘Resilience in the face of adversity’ at the COP28 side event at the @AOSISChair Pavilion. pic.twitter.com/r9bCugDtML

Tany Jamaika, naratra mafy ny fambolena nohon'ny fiovaovan'ny toetrandro tamin'ny taona 2023. Floyd Green, minisitry ny Fambolena, dia naminavina fa ireo orana roa andro monja tamin'ny volana Novambra dia nitarika fatiantoka iray miliara JMD (manodidina ny 6 tapitrisa dolara amerikàna eo ho eo). Tsy afaka nitatitra ny vokatra sarobidiny intsony ireo mpamokatra kafe noho ny fihotsahan'ny tany marobe, tondraky ny rano ny voly anana na lasan'ny rano ary very biby fiompy ireo mpiompy akoho izay anisan'ny loharano voalohany amin'ny proteina amin'ny sakafo Jamaikana.

Ity faharavana ho an'ny tantsaha madinika ity dia taorian'ilay haintany naharitra nanomboka tamin'ny faran'ny 2022 sy ny hafanana tsy ara-dalàna tamin'ny fiandohan'ny 2023, izay tsy mbola niarenan-dry zareo tanteraka. Tamin'ny 21 Novambra, ny Planning Institute of Jamaica no nitatitra fa 9 isanjato ny fidinan'ny fambolena, ny ala sy ny jono nandritra ny telovolana Jolay-Septambra, raha nihena ho 7,5 isan-jato kosa ireo vokatra fanondrana mahazatra.

Ny zava-misy ao Jamaika dia mitovy amin'izay nitranga any amin'ireo faritra hafa any Karaiba ihany, izay misy fahatahorana hoe tandindomin-dozan’ny tsy fanjariana ara-tsakafo ankehitriny noho ny “loza voajanahary” niverimberina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny nataon'ny olombelona. Nasongadina io olana io tao anatin'ny Tatitra manokan'ireo Manampahaizana iraisan'ireo ministera mikasika ny fivoaran'ny Toetrandro sy ny Tany (IPCC).

Ilay oram-batravatra dia niteraka olana iray hafa izay efa nivandravandra tanaty lohateny lehiben'ireoy gazety malaza tao Jamaika : ny fametrahana fomba fanao sy fenitra amin'ny asa fanorenana. Nipetraka ireo fanontaniana, tamin'ny media sy teny anivon'ny daholobe, mba hahalalana raha nitontongana tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fenitry ny fampandrosoana ny trano fonenana satria maro ny isan'ireo trano nirodana na tena simba be tamin'ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany. Nipetraka tsy tapaka ihany koa ny fanontaniana mba hahafantarana raha toa hisy fanarahamaso sy fankatoavana mifanaraka amin'ny tokony ho izy ho ataon'ny governemanta eo an-toerana sy ireo manam-pahefana ara-tontolo iainana.

Naneho ny ahiahiny ireo vondrona mpanao adisisika ao an-toerana, ny Citizens Rights to the City sy ny Island City Lab, manoloana ny fihazakazaky ny fampandrosoana, anisan'izany ny manodidina an'i Kingston, renivohitra, hatramin'ny nanalefahana ireo fepetra takian'ilay fifanarahana. Nahasarika ny saina ny fihitaran'ireo trano avo be, narahan'ny fanahiana momba ny fiantraikan'ireny tranobe ireny amin'ny tontolo iainana, anisan'izany ny fahaverezan'ireo faritra maitso sy ny famongorana ireo hazo antitra.

Taorian'ireo orana, nisy fihotsahan'ny tany goavana teny amin'ireo havoana manodidina ny tanàna niantraika tamin'ireo trano tsara orina tany amin'ny faritra Jacks Hill, taorian'ny volana maro nilazan'ireo mponina ny ahiahiny mikasika ny fampandrosoana tafahoatra voalaza ho tsy ara-dalàna teo amin'ny manodidina. Niorina eo amin'ny faritra misy lesoka io faritra io ary ireo fampandrosoana lehibe vao haingana, izay mampihetsi-bolomaso, no mety nandray anjara niteraka ny olana.

Months after a major development triggered a massive landslide at Tavistock Terrace in Jacks Hill, St. Andrew, things have worsened. Homes are now being threatened as Friday's torrential rain led to another breakaway.

Tune in to #PrimeTimeNews at 7pm for more.#TVJNews pic.twitter.com/Ks0HE9hCex

— Television Jamaica/Radio Jamaica Newscentre (@TvjNewscentre) November 20, 2023

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/12/26/167242/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/