(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Hitan'i UK ho olana ny fifindra-monina, tsy mihevitra izany kosa ny mpandala zon'olombelona sy ny Vondrona Afrikana [1]
['Zita Zage']
Date: 2023-12-26
Tamin'ny 14 aprily, nanao soniam-pifanarahana mampiady hevitra ny Fanjakana-Mitambatra (UK) sy Rwanda hamindrana ireo mpitady fialokalofana sasany tonga ao UK ho any Rwanda. Tafiditra ao anaty fifanarahana ny fandefasana mpitady fialokalofana sasany tonga any UK ho any Rwanda hikarakarana azy ireo sy mety honenany ao.
Antony nahatonga ity fifanarahana ity dia ny fitomboan'ny isan'ny mpifindra monina tsy ara-dalàna tonga amin'ny sambokely izay manodidina ny 8.500 tamin'ny taona 2020, 28.000 tamin'ny taona 2021 ary hatramin'ny 45.000 tamin'ny taona 2022, ary heverin'ny governemanta fa hanakivy ny olona tsy hampiasa ireo fomba “tsy ara-dalàna, mampidi-doza na tsy voatery hidirana any amin'ny Vondro-Nosy Britanika” ny fampiharana io politika io, anisan'izany ny fampiasana sambo kely hiampitana Lakandrano Anglisy.
Na izany aza, nisarika ny fifantohan'ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'olombelona toa ny Amnesty International sy ny Kaomisaria Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) ity fandaminana ity sy avy amin'ireo politisiana britanika mpanohitra izay nanamarika izany ho tsy azo ampiasaina sy tsy manaja ny maha-olombelona. Tamin'ny Novambra, namoaka didy hanohitra ilay drafitra ny Fitsarana Tampony britanika:
The UK Supreme Court has ruled against the British government's plan to send asylum seekers to Rwanda, saying it's unlawful.
The court unanimously ruled that Rwanda is not a safe third country to send asylum seekers to.
Here’s some context 🧵
https://t.co/C84pk0OWZr
— BBC News Africa (@BBCAfrica) November 15, 2023
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/12/26/167432/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/