(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Ny mahatonga ilay “lalàn'ny aterineto tsy liberaly” ao Indonezia hanimba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'olombelona [1]
['Mong Palatino']
Date: 2023-12-18
Tamin'ny 5 Desambra, nasian'ny parlemanta ao Indônezia fanitsiana ny Lalàna momba ny Fampitambaovao sy Fandraharahàna Elektrônika (lalàna ITE), tao anatin'ireo ahiahy maro nasongadin'ireo media sy ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily nilaza fa novitaina tsy nakàna ny hevitry ny daholobe araka ny tokony ho izy io, ary ireo fanitsiana natao dia tsy ahitàna taratra ny fangatahana fanafoanana ireo fepetra mamoritra ao anatin'ilay lalàna.
Nambara tamin'ny 2008, ilay lalàna ITE dia natao hiarovana ireo mpanjifa, ireo mpampiasa aterineto sy ny zo amin'ny fizakàmanana ara-tsaina. Fa rehefa nifandimby teny ny taona, nanambara ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily fa ireo fepetra voalazan'ilay lalàna dia “manohintohina tsotra izao ireo zo fototra mahakasika ny fahalalahana maneho hevitra ary manampim-bava ireo mpanao adisisika ho an'ny zon'olombelona.” Tao anaty fanangonantsonia nalefa ho an'ireo manampahefana talohan'ny nandalovan'ilay lalàna nasiana fanitsiana, vondrona maro samihafa no namintina ny lova malaza avy amin'ilay lalàna.
Tsy avy hatrany dia nampahafantarina ny daholobe ireo fandinihana nataon'ny parlemanta, fa nolazaina kosa hoe ny sasany tamin'ireo fanitsiana dia niaty fepetra vaovao manameloka ny fanelezana “fanambaràna diso” mitarika ho amin'ny “fikorontanan'ny daholobe”, ilay fepetra momba ny fanalàna baraka dia novàna tamin'ny fampidirana fanalefahana noho ny tombontsoam-bahoaka, ary ny sazy farany ambony amin'ny fanalàna baràka dia nahena antsasany ka amin'izao fotoana izao ny vesatra fiampangàna dia ilàna porofo mavesabesatra kokoa.
Miainga avy amin'ireo famakafakàna nataony an'ilay lalàna nasiam-panitsiana, ny vaomiera iraisampirenen'ireo mpahay lalàna dia nampitandrina fa “manjavozavo, tafahoatra sy tsy voafaritra mazava tsara” ilay fepetra manenjika ny fanelezana “fanambaràna diso”. Nasongadiny fa “hisy fiantraikany mangidy ny nitazonana ilay resaka fanalàm-baraka toy ny heloka bevava” ary io dia afaka tohizana araraotina hikendrena ireo olona atao anjorom-bàla toy ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+. Nampiany fa:
Ny fiarahamientan'ireo mpanao gazety mahaleotena (AJI) ao Indonezia dia manahy sao ilay lalàna nasiana fanitsiana ka ho ampiasaina hanaovana antsojay an'ireo mpanohitra sy ireo media mahaleotena mialoha ireo fifidianana faobe hatao amin'ny Febroary 2024.
Asehon'ity bitsika ity ireo endri-javatra lehibe amin'ilay lalàna ITE mifamatotra amin'ny lalàna momba ny heloka bevava.
Indonesian policymakers wrapped up their deliberations on the revision to the Electronic Information and Transaction (ITE) Law without meaningful public consultation. It's likely continue to be another illiberal cyberlaw
https://t.co/0lefB9fjjZ pic.twitter.com/Prbr5XbxIq
— Andreas Harsono (@andreasharsono) December 9, 2023
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/12/18/167423/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/