(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ny fanondroana an'i Dominica ho voalohany manerantany toeram-pialokalofan'ny trozombe manampy iadiana amin'ny fiovan-toetrandro [1]

['Janine Mendes-Franco']

Date: 2023-12-02

Misy antony no iantsoana an'i Dominika ho “The Nature Island (Nosin'ny Natiora). Manankarena sy maitso mavana, malaza amin'ny ala mando sy renirano, loharano solifara ary riandrano izy. Ny fahaizanao miroboka ao anatin'ny zavamaniry sy biby ao an-toerana no mahatonga azy ho iray amin'ireo toeram-pizahan-tany ara-tontolo iainana mahafinaritra indrindra ao amin'ny faritra — ary ankehitriny, dia deraina ihany koa izy noho ny namoronana ny toeram-pialokalofana voalohany maneran-tany ho an'ny trozombe.

Araka ny tatitry ny Associated Press, fanapahan-kevitra lehibe ny fanondroana ny efa ho 800 kilaometatra toradroa (300 maila toradroa) amin'ny ranomasimbe any amin'ny ilany andrefan'ny nosy, izay amelomana sy itaizan'ireo karazam-biby atahorana ho lany tamingana amin'izao fotoana izao ny zanany. Tsy vitan'ny hoe manampy amin'ny fanatsarana ny fahafahan'ny trozona miteraka sy mivelona fotsiny izany, fa hanampy amin'ny ady amin'ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro koa.

Ankehitriny, manao ny andraikiny amin'ny fiatrehana ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny toeram-pialokalofan'ny trozombe ao Dominica. Tombanana ho latsaky ny 500 ny trozombe monina ao amin'ny ranon'i Dominika, koa satria misy fotoana ny trozona lahy miala ao amin'ny fialofana, ary mazàna miteraka iray ny vavy isaky ny dimy ka hatramin'ny fito taona, faratampony indrindra ny fiarovana azy ireo.

Ny faritra arovana vaovao, izay ahafahan'ny jono kely lovain-jafy sy mamaritra lalan-tsambo iraisam-pirenena, no hanampy amin'ny fampitomboana ny isan'ny trozombe amin'ny fampihenana ny isan'ny maratra na matin'ny sambo na voafandrika ao anaty harato. Mikasa ny hanara-maso ny faritra ny governemanta mba hahazoana antoka fa voahaja ny fitsipika, ary ampiharina ny fitsipika mifehy ny fizahantany manodidina ny fijerena trozona, na dia mbola afaka milomano miaraka amin'ireo trozona sy mijery azy ireo avy eny ambony sambo aza ny mpitsidika, na dia amin'ny isa voafetra aza.​

Nahasarika ny sain'ny iraisam-pirenena haingana ny fanambaràna, natao tamin'ny 13 Novambra, na tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra na tamin'ny media sosialy.

Nanantena ny vondrona Facebook Ocean Azores fa tsy hamela “na iza na iza hiara-milomano amin'izy ireo ny manampahefana Dominikana, satria mety hanelingelina ny biby izany,” ary nanontany tena raha afaka manaraka ny ohatra ataon'ny nosy Karaiba ny Azores ary manangana toeram-pialokalofan'ny trozombe ho azy manokana.

Isabella Askari, mpikirakira Facebook, nilaza fa “feno ny fony” mahita “firenena mijoro ho an'ny zavamananaina an-dranomasina”:

[Dominica has] such strict regulations regarding eco tourism. The local scientists and captains know many of these whales by name and can even tell you details of their personalities. They are part of the community and it shows. Dominica sets an example for the world and I hope others begin to learn.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/12/02/167039/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/