(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Any Taiwan, mankalaza ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy ny hetsika Diabem-pireharehan'ny Pelaka lehibe indrindra any Azia [1]

['Filip Noubel']

Date: 2023-11-05

Nankalazain'i Taiwan tamin'ny Sabotsy 28 Oktobra tao Taipei ny hetsika faha-21 n'ny Diabem-pireharehana, fanohizana ny tarazon'ny hetsika fanta-daza indrindra any Azia ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ , izay ahitana mpandray anjara eo amin'ny 170.000 eo ho eo tamin'ity taona ity.

Nikarakara ny Diabem-pireharehany voalohany i Taiwan tamin'ny taona 2003 — voalohany tamin'ny fiarahamonina miteny shinoa — izay nahitana mpanatrika 20.000. Nitombo haingana ho 50.000 izany tamin'ny taona 2011 ary 200.000 tamin'ny taona 2019. Nifindra tao anaty aterineto tamin'ny taona 2020 ny hetsika mivantana noho ny valan'aretina COVID-19, ary niverina teny an-dalamben'i Taipei indray tamin'ny taona 2021. Nanao diabem-pireharehana tao an-toerana ihany koa ireo tanàna hafa, toa an'i Kaohsiung any atsimo.

Tombanana ho nahasarika olona 176.000 avy amin'ny lafivalon'i Taiwan sy any an-toeran-kafa any Azia ny andiany 2023 any Taipei – izany hoe, Japana, Korea Atsimo ary Azia Atsimo Atsinanana, sy mpitsidika vitsy ny avy any Eoropa sy Amerika Avaratra. Araka ny filazan'ny Fikambanana Taiwan Rainbow Civil Action, vondrona miandraikitra ny fitantanana ny hetsika, “Stand with Diversity (Mijoroa amin'ny Fahasamihafana)” no lohahevitra amin'ity taona ity. Nandany ny lalàna momba ny fanambadian'ny mitovy fananahana i Taiwan tamin'ny taona 2019 — ny voalohany tany Azia — ary nampian'ny volavolan-dalàna tamin'ny taona 2023 sy ny politika momba ny fanambadian'ny samy lahy na samy vavy eo amin'ny samy firenena sy ny fananganan-jaza ho an'ny samy lahy na samy vavy.

Na izany aza, tsy mbola feno tanteraka, tahaka ny any ivelany, ny fahasamihafana ao anatin'ny fiarahamonina pelak. Araka ny fanamarihan'ny Fikambanana Taiwan Rainbow Civil Action :

Transgender issues are precisely put in a situation where the concept of dichotomous categorization is challenged and related debates oftentimes fall into polarization. Although transgender issues hold several facets to be explored (such as the unique difficulties transgender people face at school, in the workplace, or in daily life, along with issues about gender-friendly spaces), many people often target non-biological women and regard them as criminal, while framing the protection of transgender rights as an invasion of women’s spaces; this leads the public to be hostile to transgender people under the pretext of “safeguarding women's rights,” and to adopt rhetoric that spreads fear and derision against transgender women.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/11/05/166678/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/