(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Nasain'ny Vondrona Eoropeana hiresahana zon'olombelona ny solontenan'ny jadona miaramila Myanmar [1]

['Mong Palatino']

Date: 2023-10-23

Vondrona fiarahamonim-pirenena maromaro no nanafoana ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny dinika momba ny zon'olombelona teo amin'ny Vondrona Eoropeana (EU) sy ny Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo Atsinanana (ASEAN) natao ny 3 Oktobra tao Bruxelles taorian'ny nanasana ireo solontenan'ny governemanta miaramila ao Myanmar ho amin'ny hetsika.

Ny Dinika Politikan'ny EU-ASEAN momba ny Zon'olombelona dia hetsika iray avo lenta fanao isaky ny roa taona izay natomboka tamin'ny taona 2015 mba hiresahana ny “olana iraisana momba ny zon'olombelona, hamantarana ireo fanamby lehibe, ary hilazana rafitra stratejika ho an'ny fiaraha-miasa EU-ASEAN.” Anisan'ny nisongadina tamin'ny dinika tamin'ity taona ity ny fandraisan'i Timor-Leste anjara ho mpitazana.

Tao anatin'ny fanambaràna iraisana nivoaka tamin'ny 2 Oktobra, vondrona mpiaro ny zon'olombelona maromaro no namaritra ilay fanasana ho “mahamenatra” sy “tsy azo veroka” raha nanamarika izy ireo fa efa nitsipaka ny hankatoa ny fitondrana miaramila izay naka fahefana tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Febroary 2021 ny Vondrona Eoropeana.

“Tsipahinay amin'ny teny mahery indrindra izaitratra ny ezaka rehetra mety hoheverina hampanara-dalàna ny jadona miaramila,” hoy ireo vondrona nanampy.

Naneho ny hatalanjonany tamin'ny fanasana natao tamin'ny solontenan'ny junta ny Governemantan'ny Firaisam-Pirenena (NUG) ao Myanmar, izay misolo tena ny governemanta sivily voaongana.

The Myanmar junta is brutalizing its own people, murdering civil society activists, health workers, teachers and schoolchildren alike, and committing war crimes and crimes against humanity. We are dismayed to see the participation of the junta representatives in the EU-Asean CSOs Forum, in place of the legitimate democratically-elected representatives of Myanmar.

Anisan'ireo vondrona Myanmar nanakiana ny Vondrona Eoropeana sy ASEAN ny Fikambanan'ny Zon'Olombelona Chin.

Allowing the junta’s reps to attend EU-ASEAN rights policy dialogue is like letting an accused criminal to serve as a jury member for his own criminal trial. The regional blocs must stop hiding behind ‘technical’ veil to engage the murderous regime at #Myanmar people’s expense. https://t.co/sJ3pjdnv8q

Gaga i Heidi Hautala, filoha lefitry ny Parlemanta Eoropeana, rehefa nahafantatra ny fanasana ho an’ireo mpanohana ny fitondrana miaramila.

It is shocking and unacceptable that EU has accepted participation of the #Myanmar murderous junta in the EU-ASEAN CSOs Forum on Human Rights in Brussels. Clearly only the people’s legitimate representatives #NUG & co should be there. It is not too late to correct the decision. https://t.co/DKzEWCbPKr

Nanatevin-daharana ireo vondrona fiarahamonim-pirenena ireo Parlemantera ASEAN misahana ny Zon'Olombelona amin'ny fangatahana ny Vondrona Eoropeana hanaisotra ny fanasany ny fitondrana miaramila noho ny fiantraikany ara-politika. “Milaza ny fanasana fa mandamina ny fifandraisany amin'ny junta ny Vondrona Eoropeana, fa tsy manao izany amin'ireo mpandray anjara mpomba ny demokrasia toa ny NUG,” hoy izy ireo tamin'ny fanambaràna iray.

Na dia teo aza ny antson'ireo vondrona sy mpitarika isan-karazany, dia nitohy ny fifampiresahana handraisan'ireo roa mpanohana ny junta ao Myanmar—Soe Lynn Han, ambasadaoron'i Myanmar any Belzika sy Holandy, sy Khin Myo Myat, mpanolotsaina ara-politika ao amin'ny masoivoho.

Izany no nahatonga ny Forum Asia, izay noheverina ho filoha mpiara-mitantana ny forum, handao ny fifanakalozan-kevitra.

As a human rights organisation that champions people’s fundamental freedoms, we stand by our non-engagement policy with the junta, a perpetrator of grave human rights violations. We are in solidarity with the people of Myanmar and our Myanmar member organisations. We support their call to not lend further legitimacy and credibility to the junta.

In addition, the mere presence of officials loyal to the junta in such an event could compromise the safety and security of participating human rights activists who are expected to return to Myanmar and other Southeast Asian countries.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/10/23/166288/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/