(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Asa fandikàna atao ho toy ny fitetezana ara-bakiteny: Tantaran'ny fivezivezena tany amin'ireo tany tibetàna [1]

['Filip Noubel']

Date: 2023-10-16

Ny literatiora Tibetana ankehitriny dia nosoratana tamin'ny fiteny maromaro, taorian'ny sesitany an-terisetra nanjo ireo Tibétana marobe taorian'ny fandosiran'ny Dalaï Lama tamin'ny taona 1959 sy ny politika sinizasiona nataon'i Pékin. Fanampin'izay, tany ivelan'i Tibet no nitombo ireo andian-taranaka vaovao, ka aaraka izazny dia nanoratra tamin'ny fiteny hafa, tahaka ny fiteny anglisy na sinoa.

Miavaka ny tranga ho an'ny blaogera iray, poeta sady mpanoratra tantara Tsering Woeser : avy tamina fianakaviana Tibetana sy Sinoa izy, ary mahay miteny Tibetana tsara saingy fiteny Sinoa mandarin no ampiasainy amin'ny fanoratana. Malalaka izy amin'ny famoronana, voararan'ny manam-pahefana kosa izy na izany aza amin'ny fanontana boky sy fivoahana ny sisintany Sinoa. Vao haingana, nadika tamin'ny fiteny frantsay ny “Amnyé Machen, Amnyé Machen”, angona iray misy ireo tononkalony mitantara ny fivahinianana masina manodidina ny tendrombohitra masina any Tibet, narahin'ireo sary, tao anatin'ny tetikasa iray nahitana vehivavy mpanoratra, mpamoaka lahatsoratra, mpandika lahatsoratra, mpahay momba an'i Tibet ary mpaka sary.

Nitafatafa niaraka tamin'ireo marobe mpandray anjara ny Global Voices taorian'ilay fihaonana tamin'ny Septambra tany Parisy nandritra ny Fetiben'i Tibet sy ny vahoakan'i Himalaya. Isan'izy ireny i Jérôme Bouchaud, tonian'ny gazetiboky Jentayu, izay nanokan-tena ho amin'ny fiteny frantsay ho an'ny asaa fandikana ireo literatioran'i Azia, ary namoaka ny bokiny voalohany teto. Ary ihany koa, Brigitte Duzan, mpikaroka sy mpandika lahatsoratra Sinoa, sady mpanorina ny tranonkala roa fàka tàhaka : Chinese Movies momba ireo sarimihetsika ao Shina, sy ny Chinese Short Stories mikasika ny literatiora maoderina Sinoa sy ankehitriny. Farany, Katia Buffetrille, etnôlôjista sy tibetôlôgy izay mandalina – sady manao – fivahinianana masina manodidina ireo tendrombohitra masina, ary mandray an-tsoratra ny fiovan'izy ireo manaraka ny zava-mitranga entin'ny vaninandro maoderina, no sady mifantoka ihany koa amin'ireo trangan-javatra vao haingana tahaka ny fandoroana tena.

Filip Noubel (FN) : Ny Jentayu dia nanomboka tahaka ny hoe gazetiboky amin'ny fiteny frantsay mikasika ny literatiora an'i Azia. Ahoana ny fandehanana mankany amin'ny famoahana ny boky ? Aiza ho aiza ny toeran'ny literatioran'i Azia eny anivon'ny mpamaky miteny frantsay ?

Raha ny momba izay toeran'ny literatioran'i Azia adika ho an'ireo mpamaky amin'ny fiteny frantsay, raha ny antontan'isa no raisina, dia mijanona ho tena voafetra izany afa-tsy ny an'ny Japoney, izay mahazo tombony amin'ny resaka ‘manga’. Isantaona ny literatiora nadika dia manome ny 15 ka hatramin'ny 20% ny totalin'ny famokarana lahatsoratra manontolo ao Frantsa. Amin'ireo fandikana rehetra ireo, ny teny Sinoa ohatra dia tsy manome afa-tsy latsaky ny 1% monja, mametraka azy ho ny fiteny Aziatika nadika voalohany, toarian'ny teny Japoney. Raha fintinina, mbola lavitra ny làlana, saingy ny hetsika mitohy ataon'ireo mpilalao manan-danja – mpandika, mpamoaka boky, mpivarotra boky – dia miantoka fa hizotra tsimoramora mankany amin'ny tsara ny zavatra rehetra.

Mijanona ho mitovy hatrany ifotony ny asa – mandika, manonta, mampiroborobo – saingy mifindra ny kitondro, miala amin'ny hamehana mankany amin'ny ‘fitakiana’ . Nivadika ho sarotra be ny fandikana sy famerenana mamaky ilay angona, toy izany koa ny fifidianana ireo sary, ary tena tsy maintsy nanome fotoana izahay hanaovana tsara ny zava-drehetra. Fanampin'izay, ny famoahana ny sangan'asa feno ana mpanoratra tokana dia midika fa matanjaka kokoa ny rohy mampifamatotra azy sy ny trano fanontana Jentayu. Lasa tranony Izahay farafaharatsiny nandritra ny fotoana ho an'ny boky iray, ary voninahitra lehibe ho anay ny mandray azy ao. Ho ao an-tranony foana izy eto.

FN: Inona no asehon'ny fivahinianana masina manodidina ny toerana voajanhary masina ary ahoana no fivoaran'izy ireny ?

Katia Buffetrille: Nofaritan'ny Tibetana iray ho sahala amin'ny “fanatitra ara-pivavahana ataon'ny laika” ny fivahinianana. Zava-panao tena an'ny laika ny fivahinianana any Tibet, saingy amin'izany rehetra izany, tsy hoe ataon'ny mpivavaka tsinontsinona akory ry zareo. Rehefa mandeha any amin'ireo toerana voatr'olombelona ireo mpivahiny, dia matetika ny dian-dry zareo no mitarika azy ireny mankany amin'ireo toerana voajanahary (tendrombohitra, farihy sy lavabato).

Tranga ara-tsosialy tanteraka ny fivahinianana any Tibet, mifangaro amina hetsika ara-pivavahana isan-karazany ary mpitondra tontolo iray sôsiôlôjika, ara-kolontsaina, ara-toe-karena, ara-politika, literatiora ary mazava ho azy ara-pivavahana. Amin'ny alalan'io fanao io, mikatsaka ny hahazo fahateraham-baovao tsara indrindra indray ao amin'ny vatana vaovao ny mpanao fivahinianana masina saingy ihany koa mba hanatsara ny anjarany eto an-tany, amin'ny fanantenana ny hahazo harena. Ireo tendrombohitra masina, heverina ho fonenan'ny andriamanitry ny tany sy ilay andriamanitra mihitsy, dia afaka mamaly izany fiandrandràna izany. Io andriamanitry ny tany io, andriamanitry ny finoana tsy-bodista dia mbola fitaovana hivavahana hatramin'izao ; saingy teo ambanin'ny herin'ny bodisma dia nanjary niorina ny fanao amin'ny ‘circumambulation’ (fihodinkodinana amin-javatra na olona iray), ary mihodidina ny tendrombohitra ireo mpivahiny tahaka ny fihodinan'izy ireo ny tempoly iray.

Ny fananiham-bohitra Sinoa tamin'ny taona 1950 sy ny fibodoana taorian'izay dia nisy voka-dratsy goavana teo amin'ny fiainana ara-pivavahana ; saingy tsy izay ihany. Ny fanaovana ny fivahinianana masina amin'izao fotoana izao dia miatrika “sinisation“, ny maodernizasiôna, ny bodizasiôna, fisehoan-javatra izay mifanosona, ary tsy maintsy ampiana ny vokatry ny fiakaran'ny maripana. Raha toa noheverin'ireo mpifehy lehibe ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fivahinianana masina an-tongotra, ny fanamboarana làlana manodidina ny tendrombohitra masina dia manosika ireo mpivahiny marobe ho avy amin'ny fiara. Araka izany, ny fivahinianana masina manodidina an'i Amnye Machen dia mitaky valo andro an-tongotra, nefa iray andro monja amin'ny fiara. Izany dia hahafahan'ny olona avy any amin'ny faritra lavitra kokoa ho tonga, saingy ahoana kosa ny amin'ny fanadiovana ireo fihetsika ratsy izay azon'ireo ezaka vita ampanantena ny hahazoana azy?

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/10/16/166369/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/