(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Kamerona : na nampidirana teknika vaovao ho fanarahamaso aza dia mbola mizaka tsindry noho ny asan'olombelona ihany ny Valanjavaboary Nasiônaly Boumba Bek [1]
['Leocadia Bongben']
Date: 2023-09-30
Eo ampitarihana tarika iray misy lehilahy 12, vao mangiran-dratsy i Donatien Amendo, 30 taona, dia mandao ny tobiny miorina eo ampototry ny renirano Bek, ao amin'ny iray amin'ireo faritra mazavazava ao anaty alan'ny valanjavaboary nasiônaly Boumba Bek, atsimo-atsinanan'i Kamerona.
Miato tampoka i Amendo, mandefa toromarika amin'ireo mpanara-dia azy mba tsy hisy hihetsika intsony. Mihaino am-pahamalinana ireo feo any lavitra any izy; avy eo mibitsibitsika, « Babakoto. » Tsy misy mihetsika ilay tarika, mijery babakoto efatra mandroso miditra lalina mankany anaty kirihitra. Telo taona i Amendo no efa niasa tao amin'ilay valanjavaboary, izay naka ny anarany avy amin'ny toerana misy azy eo anelanelan'ireo renirano Boumba sy Bek. Azony alaina an-tsaina avy amin'ny alàlan'ny feo fa mety hahatratra mpihaza izy na tsy maintsy hiandry am-paharetana ireo babakoto sy elefanta mba hanohy ny làlan-dry zareo. Milazalaza amintsika momba ny asany i Amendo :
I am Baka , and I work in the forest with eco-guards to follow the trails of animals. When we spot something ahead of us, we pause to see if someone or an animal is passing by. As we make our way to the watchtower, we note the names of the animals that passed by,
Manampy izy : « Fantatray daholo ny momba ny ala sy ireo biby, vitanay ny mamantatra azy ireny amin'ny alàlan'ny hiakany, ny dian-tongony na ny tainy. »
Amendo dia isan'ny ao anatin'ny ekipa mpanaramaso biôlôjika, ahitàna Kameroney enina mpiambina ny tontolo iainana, olona dimy hafa avy ao amin'ilay faritra ary mpiasa iray avy amin'ny Tahiry Erantany ho an'ny Natiora (WWF). Ny fanarahamaso biôlôjika dia fomba iray ilàna ny maha-eo tsy tapaka ny olombelona sy ny fampiasàna ireo fakantsary fandrika mba hanarahana maso ny fihetsiketsehan'ireo mponina ao an'ala. Mba hiantohana hoe mahatsapa ho tsy anjorom-bala ireo ekipa tsirairay miasa ao amin'ilay valanjavaboary, misy teratany roa hatrany ao anatiny ( Bakas roa ary Bantous telo), mba ho voasolo tena ny rehetra ary ho afaka ny hisitraka ireo fahalalàna ananan'ny eo an-toerana momba ireo mponin'ny ala.
Ao anatin'ny fanarahamaso biôlôjika dia mitàna toerana lehibe ireo teratany. Izy ireo no manome torohevitra momba ny fomba fihetsika manoloana ireo biby ao an'ala. Mihaino ny tontolo manodidina azy izy ireo ary amin'ny alàlan'ny fifindran-toerany dia afaka mamantatra izay rehetra biby sy ireo mpihaza ao. Ngawa Muna, mpiambina ala, manazava hoe « raha tsy eo ry zareo, tsy afaka ny hivezivezy samirery ao anaty ala izahay ary mety ho very any amina faritra sasantsasany. »
Isaky ny maraina amin'ny 7h00, mandao ny toby ilay ekipa mba hamakivaky ireo faritra mazavazava ao an'ala sy hamory angondrakitra eny an-dàlana mitondra mankany amin'ny tilikambo fitiliana. Ny teknika fanarahamaso araham-pamoronana tahaka izany («Permanent Presence Biomonitoring System» ) dia ampiharina ao amin'ilay tilikambo ho fanarahana maso biôlôjika ireo biby. Hatramin'ny 2021, nampiasaina izy io nandritra ny 25 hatramin'ny 30 andro teo ho eo, raha 15 andro isambolana monja tamin'ny 2017, rehefa teraka izy io taorian'ny fiantombohana nanahirana, indrindra ny tsy fahampian'ny fitaovana, ary ireo teratany sy ireo vondrom-piarahamonina avy ao an-toerana naniry handray anjara tamin'ilay tetikasa. Rene Meigari, mpanampy ao amin'ilay valanjavaboary, manazava hoe: « Arahana maso ao anatina toerana mazavazava miisa telo ireo biby, amin'ny alàlan'ny fanarahamaso mivantana, sy tsy mivantana amin'ny fampiasàna ireo fandrika fakantsary. Tarika roa no mifanolo mba hiantohana fa voahangona sy voafakafaka isambolana ireo angondrakitra. »
Araka ny lazain'i Meigari, mamonjy ireo toerana mazavazava ao an'ala ireo biby mba hisakafo sy hiteraka. Ao anatin'ilay tilikambo fanarahamaso, raketin'ireo mpikambana ao amin'ny tarika ny ora nahatongavan'ireo biby, ny karazany ary ny fombafombany. Satria tsy ny biby rehetra no tsy maintsy manatona ireo faritra mazavazava, araka izany dia azo atao ny mamantatra an-dry zareo amin'ny alàlan'ny hiakany, na manara-maso an-dry zareo amin'ny alàlan'ireo fandrika fankantsary. Ampian'i Meigari hoe :
As a zone with a high concentration of animals, it is tempting to poachers; keeping the zone secured through constant presence monitoring contributes to deterring poachers and to the growth or stabilization of wildlife.
There has been a noticeable drop in poaching and a gradual increase in the frequency of wildlife visits to the clearings, as evidenced by data from bio-monitoring and surveillance analyzed from firsthand observations and imagery from camera traps
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/09/30/166147/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/