(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel [1]
['Jean Sovon']
Date: 2023-09-30
Azo azavaina amin'ny ankapobeny noho ny fialan'ireo mpiara-miombon'antoka ara-tafika no nampiverina ny herisetra ao amin'ny faritr'i Sahel, indrindra ao Mali, Burkina Faso ary Niger, taorian'ny fifanolanana teo amin'ny governemanta mpanongam-panjakana tao amin'ireo firenena ireo sy ny fahefana tandrefana.
Nanomboka tamin'ny taona 2020, nahitana fanonganam-panjakana maromaro tao Afrika Andrefana, ka ny enina tamin'ireo dia nitranga tao amin'ny faritr'i Sahel: Niger (2023), tany Burkina Faso (janoary 2022 sy septambra 2022), tany Ginea (2021) ary tany Mali (2020 sy 2021). Nesorina ny governemanta sivily nitondra ireo firenena ireo mba hanomezana sehatra ny governemanta miaramila mpanongam-panjakana ka ny fananamelohana ny fifanarahana ara-miaramila nanomboka tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany frantsay sy ny fitakiana ny fanesorana ny tafika Frantsay amin'ny faritaniny no fanapahan-kevitra voalohany nataony.
Niorina tamin'ny fomba ofisialy tao Sahel ny tafika frantsay tamin'ny alàlan'ny Hetsika Serval natomboka tamin'ny volana Janoary 2013 mba hanampiana ny tafika Maliana hiady amin'ny firongatry ny vondrona mpikomy, mpampihorohoro ary Salafista mitaky fahaleovantena hiala amin'ny faritanin'i Maliana ao Azawad, any avaratry ny firenena. Nosoloina Hetsika Barkhane ny Serval avy eo tamin'ny taona 2014. Miitatra any ivelan'ny sisin-tanin'i Mali ary mandrakotra ny Sahel sy ny ampahany amin'ny Sahara ity farany ity.
Mamela fahabangana ara-piarovana ao amin'ireo firenena Sahel ireo ny fialàn'ny tafika Frantsay amin'ny Operation Barkhane, avy any Mali mankany Niger amin'ny alàlan'i Burkina Faso. Mba hamenoana izany banga izany, nanangana fifandraisana tamin'i Rosia ny miaramila mpanongam-panjakana sasany tamin'ny fanonganam-panjakana ary nanasa ny vondrona miaramila Wagner mba hiantoka ny ampahany amin'ny paikady ara-piarovan-dry zareo, toy ny tranga any Mali sy any Burkina-Faso.
Tany am-boalohany, nampihena ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Sahel ary indrindra tany Mali ny fametrahana tafika frantsay tao amin'ny faritr'i Sahel, nandritra ny fotoana fohy. Izany no nohazavain'i Jonathan Guiffard, manam-pahaizana ao amin'ny Institut Montaigne tamin'ny famakafakana nataony: Barkhane: tsy fahombiazana, fahombiazana na fanombanana eo ho eo ihany:
Saingy amin'ny toe-javatra misy ankehitriny, singa telo no mifamatotra: ny fanonganam-panjakana nisesy, ny fialan'ireo mpiara-miombon'antoka ara-tafika ao Sahel ary ny firongatry ny vondrona mpikomy izay mahazo vahana indray ao Burkina Faso, Mali ary Niger.
Mamparefo be ny faritr'i Sahel ny fanonganam-panjakana tamin'ny 26 Jolay 2023 tany Niger. Raha ny marina, dia vao avy nianjera ny fiarovana mafy iray, izay manasarotra ny toe-draharaham-piarovana satria lasa tany vaovao iharan'ny fandrahonana jihadista ny firenena. Talohan'ny fanonganana ny filoha voaongana, Mohamed Bazoum, niharan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tokoa i Niger. Saingy andro vitsy monja taorian'ny fanonganam-panjakana, nitombo tokoa ny fanafihana, araka ny asehon'ity tombana voalohany napetraky ny Filankevi-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Tanindrazana (CNSP) tao amin'ny Radio France internationale (RFI) ity:
Tamin'ny 19 aogositra, izany hoe tapa-bolana taorian'ny fanonganam-panjakana, fanafihana sivy no voaisa ary mavesatra ny vokany tany amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena.
Niaritra fanafihana jihadista nanomboka tamin'ny taona 2015 i Burkina-Faso, na dia teo aza ny fisian'ny tafika frantsay tao amin'ny faritaniny nanomboka tamin'ny taona 2018. Ny fanonganam-panjakana miverimberina nitranga teto amin’ny firenena no nahatonga ny faharatsian'ny fitandroana ny filaminana. Noho izany, naneho ny fiafaran'ny fisian'ny tafika frantsay tao Burkina Faso tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 ny fanonganam-panjakana farany nitondra ny Kapiteny Ibrahim Traoré teo amin'ny fitondrana.
Niezaka niandraikitra ny fiarovam-pirenena ny governemanta vaovao ary nanatontosa fanafihana maromaro mba hiezaka hanafoana ny jihadista. Nahafahana nisambotra mpampihorohoro sasany ny iray tamin'ireo hetsika natao tamin'ny 16 Aprily 2023, araka ny asehon'ity sioka avy amin'ny media Africa 24 ity:
Natomboka ihany koa ny antso ho an’ireo olom-pirenena mirotsaka ho Mpilatsaka an-tsitrapo ho an’ny fiarovana ny tanindrazana – Volontaires pour la défense de la patrie (VDP) mba hampitomboana ny isan’ny mpiady sy hanohanana ny miaramila. Saingy tsy tonga araka ny nantenaina izany fepetra izany satria mbola iharan'ny fanafihan'ny mpampihorohoro ihany ny firenena.
Araka ny filazan’ny gazety Le Monde, tamin’ny 18 Jolay, nisy fanafihana tany amin’ny toerana roa any andrefan’ny firenena ka nahafaty olona folo teo ho eo. Tamin'ny 6 Aogositra, nahafatesana mpivarotra manodidina ny roapolo ny fanafihana iray hafa tany Nohao, ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana manamorona an'i Togo. Araka ny tatitry ny Africanews, tamin'ny 4 Septambra, Burkinabe 53 (miaramila sy mpikambana ao amin'ny VDP) no maty tamin'ny fanafihana iray hafa:
Miharatsy hatrany ny filaminana eto amin’ity firenena ity.
Sarotra kokoa ny toe-draharaha any Mali noho ny any an-kafa. Niatrika fanafihana mahery vaika nitaky ny fahaleovantena ho an'i Azawad ny firenena talohan'ny fametrahana ny tafika frantsay tamin'ny Hetsika Serval sy ny Mission multidimensionnelle intégrée des Nations unies pour la stabilisation au Mali (MINUSMA) tamin'ny taona 2013..
Nampirongatra ny fialàn’ny Frantsay sy ny fisintahan'ny Minusma tsikelikely izay nifarana tamin’ny 31 desambra 2023 ny fanonganam-panjakana nitranga teto amin’ny firenena. Nandritra izany fotoana izany, lasa lany andro ny fifanarahana fandriampahalemana nosoniavina tamin’ny taona 2015 teo amin’ny governemanta Maliana sy ireo vondrona mitam-piadiana satria nandray indray ny fitaovam-piadiana ireo vondrona mpikomy ny 7 septambra. Araka ny vaovaon'ny Radio France Internationale:
Manazava amin'ny antsipiriany ny fanafihana tamin'ny 8 Septambra ity tatitry ny lahatsary Africanews ity:
Tsikaritra fa ho an'ny mponina ao Sahel, tsy afaka miantoka ny fiarovana azy ireo ny governemanta: hatramin'ny nanombohan'ny fikomiana tao amin'ny faritra tamin'ny taona 2003, olona an'aliny maro, anisan'izany ny ankizy, no maty ary olona roa tapitrisa mahery no nafindra toerana. Vao maika miharatsy ny toe-draharaha, araka ny tatitra tamin'ny taona 2023 nataon'ny Ivotoerana ho an'ny Toekarena sy ny Fandriampahalemana – Institute for Economics and Peace (IEP) momba ny fampihorohoroana maneran-tany :
The Sahel region in sub-Saharan Africa is now the epicentre of terrorism, with the Sahel accounting for more terrorism deaths in 2022 than both South Asia and the Middle East and North Africa (MENA) combined. Deaths in the Sahel constituted 43 per cent of the global total in 2022, compared to just one per cent in 2007.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/09/30/166109/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/