(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Nandroba fahefana ny miaramila taorian'ny fifidianana nampiadi-hevitra tany Gabon [1]

['Jean Sovon']

Date: 2023-09-04

Nandray ny fahefana ny miaramila any Gabon taorian'ny nandavany ny voka-pifidianana ankapobeny (filoham-pirenena, mpanao lalàna ary ny ben'ny tanàna) natao tamin'ny 26 aogositra 2023 ka namarana ny 55 taona nitondran'ny fianakaviana Bongo. Filoha nanomboka ny taona 1967 hatramin'ny taona 2009 i Bongo rainy, ary ny zanany lahy tamin'ny taona 2009 hatramin'ny taona 2023.

Hatrany am-piandohana no efa nokarakaraina tao anatin'ny tontolon'ny fiampangana ny lalàna vaovao mifehy ny lalàm-pifidianana sy ny fepetra noraisina hampanjakàna ny hosoka sy ny fifidianana indray an'i Ali Bongo, kandidà ho amin'ny fe-potoana fahatelo.

Nampahafantarina vao maraimben'ny 30 aogositra 2023 ny voka-pifidianana. Araka izany, araka ny filazan'ny Foibem-pifidianana Gaboney (CGE), ny filoha teo aloha Ali Bongo no ambara ho mpandresy amin'ny 64,27%-n'ny vato, raha Albert Ondo Ossa , kandidà amin'ny sehatra Alternance2023, kosa no faharoa tamin'ny 30,77%.

Tao amin'ny fantson'ny fahitalavi-panjakana Gabon 1ère nampitain'ny France 24, Michel Stéphane Bonda, filohan'ny CGE, nanambara hoe:

Talohan'ny nahafantaran'ny ankamaroan'ny Gaboney ireo voka-pifidianana mandany indray an'i Bongo amin'ny fomba ofisialy, nanafika ny tranon'ny CGE ireo miaramila nivory tao anatin'ny Komitin'ny Tetezamita sy ny Famerenana ny andrim-panjakana (CTRI), ka nanery an'i Bonda hanemotra ny fanambarana ny fandresen'i Bongo. Ao amin'ny fantsona Gabon 24, manambara ny fanafoanana ny fifidianana, ny fandravana andrim-panjakana ary ny fanakatonana ny sisintany izy ireo:

Nambaran’ireto miaramila ireto fa mandray ny andraikiny ho an'ny vahoaka izy ireo ary manao izany mba hisorohana ny krizy tahaka ny tamin’ny taona 2016 taorian’ny nahavoafidy an’i Ali Bongo indray amin’ny fe-potoam-piasana faharoa. Nifanandrina tamin'i Jean Ping, mpanohitra i Ali Bongo tamin'izany ka nahafatesana olona 3 sy naratra 105 araka ny tarehimarika nomen'ny fanjakana ny herisetra taorian'ny fifidianana.

Ny jeneraly Brice Clothaire Oligui Nguema, izay mitarika ny CTRI no lehilahy matanjaka vaovao ao amin'ny firenena, araka ny nambaran'ny fampahalalam-baovao LSI Africa:

Ny Jeneraly Brice Clothaire Oligui Nguema, niofana tao amin'ny Akademia Miaramila Royal ao Meknes any Maraoka, no lehilahy matanjaka vaovao ao #Gabon .

Toa nahazo ny fanohanan'ny ampahany amin'ny mponina ny fanonganam-panjakana. Manamarika ny firavoravoana sy ny fanehoana hafaliana ny sasany amin'ireo mpisera Twitter:

Mpanao gazety Gaboney iray nifandray tamin'ny Global Voices tao amin'ny WhatsApp saingy aleony tsy mitonona anarana, manazava:

Je pense que le coup d’État a été soigneusement et minutieusement préparé. Nous avons constaté qu'il n'y a pas eu de contestations dans les rangs des corps habillés, ce qui veut dire qu'ils se sont mis d'accord avant d'agir. Ils dénoncent des fraudes et des résultats non conformes au désir de la population. Les militaires sensibilisent les populations à garder le calme. Quant aux opposants, ils sont gardés en sécurité.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/09/04/165803/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/