(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Fitazonana maharitra mpikatroka iray, niteraka hatezerana tao Angola [1]
['Global Voices Lusofonia']
Date: 2023-07-27
Tamin'ny Febroary 2021, tanora mpikatroka iray atao hoe Gilson da Silva Moreira, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Tanaice Neutro, no nosamborina noho ny filazàna azy ho naniratsira ny filoha angôley, João Lourenço, teo amin'ny tambajotra sosialy. Nahitana teny toy ny hoe “jiolahimboto” sy “mahatsikaiky” nanondroana an'i Lourenço ireo faniratsiràna ireo.
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, voaheloka sazy miantona herintaona sy telo volana i Neutro tamin'ny didim-pitsarana nampahafantarina ny besinimaro tamin'ny Oktobra 2022. Na izany aza, ny olona rehetra fantatra fa meloka amin'ny famotsifotsiana Fanjakana, sy ireo marika maneho azy ary ireo sehatra misy azy – anisan'ireo vesatra niampangàna an'i Neutro – dia matetika takiana hanefa ny saziny any am-ponja.
Rehefa nambara ny didim-pitsarana dia nanao fampakàrana ny minisiteran'ny Fitsarana. Nilaza ho afa-po tamin'ilay sazy mihantona ny mpisolovava mpiaro ilay mpikatroka, na dia nampalahelo azy aza ny fotoana lanin'i Neutro tany am-ponja – 15 volana.
Iray tamin'ireo fanamarinana naroso mba hamoahana an'i Neutro ivelan'ny fonja ny fiharatsian'ny fahasalamany, satria efa narary izy talohan'ny nandefasana azy tany am-ponja, sy nohon'ny sambany nanaovany heloka – saingy tsy nampiharina velively ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity. Vokatr'izay dia nigadra foana ilay mpikatroka hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2021, ary mitohy miha-ratsy hatrany ny fahasalamany.
Izany no antony nahatonga ny Tambajotra Mpiaro ny zon'olombelona ao Atsimon'i Afrika, tamin'ny alalan'ny filohany, Adriano Nuvunga, handà ny fitazonana tsy ara-drariny ilay Angôley mpikatroka. Ao anatin'ny lahatsary eto ambany, navoaka tamin'ny tambajotra tamin'ny 5 Jona lasa teo dia nalefa ny antso vonjy ho famoahana an'i Tanaice Neutro :
#Angola | As SouthernDefenders we stand in active solidarity with and demand the immediate and unconditional release of Tanaice Neutro, an HRD who has spent over 500 days in illegal detention. #JusticeDelayedIsJusticeDenied ! @AngolaBriefing @Angolans pic.twitter.com/jlrIS71m5H
Misy ihany koa ireo fitarainana marobe an-tambajotra hanoherana ny fitazonana ilay Angôley mpikatroka :
Ny Amnesty International ao Pôrtiogaly dia nanararaotra ny fitsidihan'ny Praiminisitr'i Pôrtiogaly, António Costa, tao Angôla, izay natao tamin'ny 5 hatramin'ny 7 Jona, mba hampahafantarana ny toe-draharaha :
Milaza ny tatitra avy amin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona fa miha-ratsy ny fahasalaman'i Tanaice Neutro, ka izany no anton'ireo antso marobe ho amin'ny famotsorana azy, mba hisitraka fitsaboana sahaza ivelan'ny fonja.
Tanaice Neutro has been imprisoned for more than 500 days, solely for his peaceful activism. He desperately needs urgent medical care, which the authorities are denying him. Join us in demanding the immediate and unconditional release of Tanaice by the Angolan authorities. pic.twitter.com/SRPi13pPoB
— AmnestySouthernAfrica (@AmnestySARO) June 2, 2023
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/07/27/165186/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/