(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Nitondra ho amina fanararaotana bebe kokoa ny fialàna tamin'i Taïwan ka nisafidianana an'i Shina: tafa niarahana tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Richard Atimniraye Nyelade [1]

['Filip Noubel']

Date: 2023-07-06

Toy ny ankamaroan'ireo firenena afrikàna dia manana tantaram-pikisahana amin'ny fifandraisana diplaomatika avy amin'i Republic of China (ROC ao Taiwan) nankany amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (Pékin) i Kamerona. Ankehitriny, tena voafetra be ny fifandraisana misy amin'i Taipei sy Yaoundé, ary zara raha misy mandalina. Raha momba ny fifandraisan'i Pékin sy Yaoundé indray, izay mivelatra amin'ny sehatra marobe, dia mitondra ihany koa ny endrika fanararaotana manokana ataony amin'ny vahoaka kameroney izy ireny.

Amin'ny ankapobeny, ny fahitàna an'i Taïwan ao Afrika dia voafetra ho amina fifandraisana diplaomatika feno iarahany amin'i Eswatini [fr], sy birao iray mpisolo tena ao Somaliland [fr], firenena iray izay, toa an'i Taïwan, tsy misy mpankato afa-tsy firenena vitsivitsy ary tsy mpikambana ao amin'ny ONU. Mijanona ho voafetra ihany koa ny varotra ifanaovan'i Taïwan sy Afrika, satria na iray aza tsy misy firenena afrikàna hita ao anatin'ireo 25 tena mpiaramiasa ara-barotra amin'i Taïwan.

Mba hamantarana ny fomba fijerin'ny Afrika an'i Taïwan, sy i Shina ihany koa, ny Global Voices dia nitafa tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Dr Richard Atimniraye Nyelade, izay manomana amin'izao fotoana izao ny “doctorat faharoany” momba ny antrôpôlôjia ao amin'ny Oniversite Ottawa ao Kanadà. Ao Taïwan izy izao no mipetraka amin'ny maha-mpisitraka vatsimpianarana azy, nomen'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny ao Taïwan sy ny Filankevitry ny Fikarohana momba ny Siansa Maha-Olona ao Kanadà.

Ny fahalinany amin'ny fikarohana dia mifantoka indrindra amin'ireo fihaonan'ny pôlitika, ny fifandraisana iraisampirenena ary ny fandalinana momba ny foko. Mba hampahazava azy kokoa dia nasiam-panavaozana ilay tafa.

Filip Noubel (FN) : Inona no tantaran'ny fifandraisana misy amin'i Kamerona sy Taïwan ?

FN : Misy ivontoeram-pianarana afrikàna ve any Taïwan na hoe oniversite Taiwaney liana amin'i Afrika? Inona avy ireo lohahevitra fototry ny fikarohana raha ho an'ny lafy taiwaney ?

RAN : Raha ny fahalalako azy, tsy misy ivontoeram-pampianarana afrikàna ao Taïwan, ary tena vitsy ny isan'ireo oniversite taiwnaey liana amin'i Afrika. Na izany aza, misy ireo asa mivaingana toy ny «Peking versus Taipei in Africa» ( Pékin vs Taipei ao Afrique) an'i Wei Liang-Tsai sy ny « The United Nations from a Racial Perspective: China's Representation: US, Africa, and Taiwan Agricultural Aid, 1961-1971 » (Ny Firenena Mikambana sy ny fomba fijery ara-poko _ Ny solontenan'i Shina : Fanampiana ny lafiny fambolena Etazonia, Afrika ary Taïwan, 1961-1971) an'i profesora Liu Xiao Peng izay manazava ny tombontsoan'ireo fikarohana tany aloha, na toa niova aza ny tsindrimpeo tato ho ato.

Na misy manolotra fampianarana momba an'i Afrika aza ireo profesora sasantsaany any amin'ireo oniversite ao Taiwan, tsy voatery hilaza traikefa manokana mihitsy izany na fandalinana lalina momba ilay tanibe. Ny firotsahan'i Taiwan ao Afrika dia mifantoka betsaka amin'ireo fikambanana miompana amin'ny resaka ara-barotra, toy ny Taiwan Africa Business Association ( TABA ), mifantoka amin'ireo hirika ara-toekarena sy ny fiarahana miasa ara-barotra.

Indrisy anefa, toy ireo firenena marobe manana fironana kapitalista, mety hilatsaka anatin'ny fitrandrahana i Taiwan – fomba fiasa iray manao ho laharam-pahamehana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy ny fanondranana ireo akora fanodina, tsy ijerena kely akory ny resaka maha-olona, ny kolontsaina sy ny tontolo iainana. Amin'ireo fotoana izao, ny firotsahan'i Taiwan ao Afrika dia mihodidina betsaka amin'ny tombontsoa ara-barotra. Kanefa, tena zavadehibe ny manao adisisika hisian'ny fomba fijery mirindra kokoa ahitàna ny fahatakarana ara-kolontsaina, ny fifandrimbonana sôsialy ary ny fampandrosoana maharitra.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/07/06/164840/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/