(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Omen'i Tôgô voninahitra any anatin'ny fandaharam-pampianarany ireo mpanoratra teratany tôgôley [1]

['Jean Sovon']

Date: 2023-06-28

Taorian'ny fanavaozana ny fandaharam-pampianarana literatiora eny amin'ny kôlejy, tafiditra ihany eny an-dakilasy ao amin'ny fireneny ireo tôgôley mpanoratra



Hatramin'ny 2018, ireo fandaharam-pampianarana literatiora tao anatin'ny rafi-panabeazana tôgôley, indrindra fa tany amin'ny kôlejy sy ny lisea dia nanjakan'ny sanganasan'ireo mpanoratra vahiny avy tao amin'ny tanibe afrikàna. Ireo klasika goavana no tena voakasik'izany, toy ny “Maïmouna” an'ilay Senegaly Abdoulaye Sadji, “Le pagne noir” an'ilay Ivoariàna Bernard Dadié, “Sous l’orage du Malien” an'i Seydou Badian , “Une vie de boy” an'ilay Kameroney Ferdinand Oyono, “L’enfant noir” an'ilay Gineàna Camara Laye, “Le soleil des indépendances” an'ilay Ivoariàna Ahmadou Kourouma. Nasongadina tany anatin'ny fampianarana ireny sanganasa ireny fa nampandeferina kosa ny asan'ireo Tôgôley mpanoratra.

Kanefa i Tôgô manana lisitra lavabe raha mpanoratra: efa tamin'ny 1929 ny tantara nosoratan'ny Tôgôley voalohany indrindra – “L'esclave “an'i Félix Couchoro, narahan'ireo sanganasa toy ny “La victime” an'i Yves-Emmanuel Dogbé ; “Morte saison” an'i Gnoussira Analla ; na “Gaglo ou l’argent cette peste” an'i Koffi Gomez.

Midera io fanovàna fandaharam-pampianarana an-tsekoly io i Baguissoga Satra, Tôgôley mpanoratra, tao anaty fandalinana iray nomena ny lohateny hoe “singa avy amin'ny fifantenana ireo sanganasan'ny literatiora tôgôley ho an'ny fanabeazam-pirenena”, tamin'ny nanamarihany, fa:



Ekena fa vao haingana (nandritra ny taom-pianarana 2019-2020) no nisy fanavaozana ny fandaharam-pampianarna literatiora teny anivon'ny taona voalohany amin'ny ambaratonga faharoa. Araka izany, ao amin'ny taona faha-6, nampidirina ny “Journal d’une bonne” an'i Dissirama Boutora -Takpa (Loka France-Togo) ary tao amin'ny taona faha-7 (5e), ny “Des larmes au crépuscule” an'i Steve Bodjona . Ho an'ny taom-pianarana (2021-2022), sanganasa telo no nampidirina : “Atterrissage” an'i Kangni Alem , “Femme infidèle” an'i Sami Tchak , “La guerre des Aputaga” an'i Ayayi Togoata Apedo -Amah.

Tahaka ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy, tsy maintsy mampiroborobo ny literatiorany i Tôgô. Araka ny fijoroana vavolombelona anatin'ity bitsika ity, avy amin'i Marthe Fare, filohan'ny Pen Club Togo, nandritra ny hetsika fampiroboroboana ireo sanganasa tôgôley:

Mba hahatakarana misimisy kokoa ny fivoarana sy ny fanekena nitarazoka an'io literatiora io, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Mawusse Komlan Heka, mpanorina ny Editions Awoudy izay miorina ao Lomé.



Araka ny fanolorana ao amin'ny tranonkala, tamin'ny 2009 ny Editions Awoudy no nijoro, taorian'ny valo taona nanaovany fanontàna fotsiny ho an'ny tenan'ny mpanorina azy. Napetrak'ilay trano fanontàna ho tanjona ny hamàfa ireo anganongano momba ny fanontàna boky ao Tôgô sy ny hanome tombony ny fahaterahana sy fisandratan'ireo talenta vao.

Nasiam-panovàna ny endrika sy ny halavan'ilay tafa.

Jean Sovon(JS): Aiza ho aiza ny literatiora tôgôley amin'izao fotoana izao?

Mawusse Komlan Heka (MKH): Salama tsara ny literatiora tôgôley satria marobe ireo mpanoratra izay manoratra, ny mpanonta boky manonta, ireo hetsika ho an'ny literatiora atao etsy esy eroa, misy fandaharana vitsivitsy miresaka literatiora mandeha amin'ny onjampeo. Misy hatrany ireo mpamaky na dia tsy betsaka toy ny tany aloha intsony aza. Azo atao araka izany ny miteny hoe miaina sy mivelatra ny literatiora tôgôley. Raha resaka votoaty, mifangaroharo ary hita daholo ny karazany rehetra: fitantaràna, tantara an-tsehatra, pôezia, andrana lahatsoratra miresaka lohahevitra isankarazany. Raha resaka kalitao, toy ny any rehetra any, misy ny tena tsara be, ny eo ho eo ihany, ary ny tsy dia tsara loatra, araka ny itiavan'ny mpamaky azy.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/06/28/164765/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/