(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Torohevitra sy fampahatsiahivana WordPress: Fanamarinana lisitra WordPress [1]
['Sydney Allen']
Date: 2023-06-20
Raha mampiditra lahatsoratra amin'ny WordPress ianao, ireto ny lisitra fanamarinana fototra tokony hataonao alohan'ny handefasanao azy amin'ny sobatonia:
Rehefa avy manao dika petaka ny lahatsoratra avy ao amin'ny Word na Google Docs ianao, safidio izay rehetra hitanao eo ary fafao ny fandrafetana amin'ny alàlan'ny bokotra toa miendrika gaoma. Hanala ny HTML fanampiny rehetra mety hiteraka olana izany, fa tsy hanala rohy.
Soraty ny lohateny. Ny litera voalohany amin'ny teny voalohany sy ny anaran-tsamirery rehetra ihany no atao sorabaventy. Mariho fa ataontsika sorabaventy ny litera voalohany aorian'ny teboka amam-paingo Manorata fango. Ny tanjona amin'izany dia ny hanampy odidina kely amin'ny lohateny. Aza adinoina ny mihazona izany tsy mihoatra ny teny 1-2 amin'ny fetra. Makà sombiny avy ao amin'ny lahatsoratra. Ny hisarihana ny saina mba hamakian'ny olona ny lahatsoratra manontolo no tanjon'izany. Aza adinoina ny mihazona izany mba tsy mihoatra ny teny 3-4 amin'ny fetra. Makà sary mahafeno ny fepetra takian'ny habeny, mihoatra ny 1200px no tsara indrindra, ary amin'ny endrika endritany. Ataovy “Heading 3” ny sobalohateninao. Ny litera voalohany amin'ny teny voalohany sy ny anaran-tsamirery ihany no atao sorabaventy Karazana marika: tsy maintsy misy firenena, faritra, fitenin'ny lahatsoratra. Hisy marika mialoha ny “Weblog”. Aza asiana marika ny boaty “Feature”.
8. Tag the relevant people. This must include subeditors. It can also include other regional editors whose input might be helpful.
Raha mikasika ny zo nomerika ny tantara, mariho ny Advox. Raha lahatsoratra famoahan-kevitra, mariho ny The Bridge. Tokony marihana Ru-net Echo avokoa ny tantaran'i Rosia + Aterineto rehetra.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/06/20/164539/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/