(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ny herin'ny vary sy ny tsiasisa ao Nepal [1]

['Nepali Times']

Date: 2023-06-15

Navoakan'i Ashish Dhakal tao amin'ny Nepali Times ity lahatsoratra ity tany am-boalohany ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices indray ny endriny nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro. Fiara Toyota Hiace fotsy lehibe iray miainga avy any Pokhara mankany Kathmandu no mandeha miadana rehefa manatona an'i Mugling, tanàna iray ao Chitwan, faritanin'i Bagmati, Nepal. Mijanona eo anoloan'ny tranobe mena-sy-mavo izy io, ary mamovoka rehefa miadam-pandeha. Samy ahitana fiara fitateram-bahoaka sy fiara ary môtô mitsitokotoko tahaka ny trano manemitra ny andaniny roa amin'ny arabe.

Manolotra dal bhat (sakafo nentim-paharazana any amin'ny zana-kaontinanta indiana) mandehandeha eny amin'ny sampanan-dalana be olona i Mugling. Mandeha ny varotra; natao mihinana-dia-lasa. Mipetraka ny vahiny, tonga ny mpandroso sakafo mitondra sahana (lovia mitalesaka) efa voaefitrefitra eny an-tanany, ary tsy mandray kômandy akory — atokony eo anoloan'ny vahiny tsirairay ireo sahana ivangongoam-bary.

“Tsy mahatsiaro ho nihinan-kanina aho raha tsy efa nahazo dal bhat iray lovia,” hoy i Sharmila Paudel, 48 taona, nanamarika ny mpizara iray hitondra fanampiny amin'ilay feno tamotamo. “Tsy maninona izany na andro na alina”, hoy ihany izy nihomehy.

Eny indrindra, tahaka ny bus maka gazoala no ijanonan'ny mpandeha ao Mugling maka dal bhat hamenoana hery indray amin'ny dian-dry zareo.

Hanina indroa isan'andro farafahakeliny, tsy hoe foto-tsakafo Nepali fotsiny ny vary ampangoro sy lasopin-tsiasisa na legioman'ny vanim-potoana masaka, fa zavatra lalina kokoa sy tena ilaina ao amin'ny faritra.

Sakafo be gliosida, proteinina, vitaminina, tsiratsiraka sy mineraly hafa, ny dal bhat ka mety azo atao ho sakafo tena voalanjalanja – izany hoe, raha raisina amin'ny ampahany voalanjalanja, indrindra fa malaza ratsy ny vary rehefa be karibonetra.

Manazava ny manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamam-bahoaka Aruna Uprety fa fangaron-tsakafo tsara ny dal bhat satria voalanjalanja amin'ny fahazoana angovo. Hoy izy:

When we say dal bhat, it is only a short form that also includes tarkari (curry) and achar (pickles), and this makes it a complete, fresh and wholesome meal.

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/06/15/163791/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/