(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Nahoana no zava-dehibe ny fifidianana ao Paragoay [1]
['El Surti']
Date: 2023-05-19
I El Surti no namoaka ity lahatsoratra ity voalohany ary navoakan'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin'ireo fampitam-baovao ireo. Nampian'ny Global Voices famintinana fehintsoratra.
Tamin'ny 30 Aprily, nanatontosa ny fifidianana ankapobeny i Paragoay, izay nahazoan'i Santiago Peña avy amin'ny antoko mpandala ny nentin-drazana, ny Antoko Colorado, ny 42,7 isanjaton'ny vato tao anatin'ny fampielezan-kevitra feno fandisoam-baovao. Noho izany hitazona ny fitondrany ny firenena ny Partido Colorado izay notarihiny nandritra ny 76 taona farany, afa-tsy ny vanim-potoana nanomboka tamin'ny 2008 ka hatramin'ny 2013.
Tamin'io fifidianana io, nanohitra an'i Efraín Alegre sy ny antoko mpanohitra mpandala ny nentin-drazana, Concertación Nacional i Peña. Tamin'ny 3 Mey, nanameloka ireo hosoka goavana tamin'ny fifidianana “ ireo mpanohana ny senatera Paragoayana teo aloha, Paraguayo Cubas, izay laharana fahatelo tamin'ny fifidianana ary nifandona tamin'ny polisy ao Asunción. Na izany aza, tsy nisy porofo momba ny hosoka notaterin’ny manampahefana na ny fikambanana iraisam-pirenena nanara-maso ireo fifidianana ireo.
Na dia mety tsy ho voamarika any ivelan'ny firenena aza ireo fifidianana ireo, dia mbola manan-danja eo amin'ny sehatra iraisampirenena eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny angovo azo havaozina. Ireto ny sasany amin'ireo antony maha-zava-dehibe ireo fifidianana ireo na eo amin'ny sehatra nasionaly na iraisampirenena:
Satria tafiditra ao anatin'izany i Shina:
Paragoay no hany firenena any Amerika Atsimo mbola manana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Taiwan. Na izany aza, mitombo ny fitakiana anatiny hanokafana ny fifandraisana amin'i Shina. I Shina no loharanon'ny fanafarana entana voalohany indrindra ao Paragoay, ka mahatratra ny 30 isanjato ny totalin’izany tamin'ny taona 2021.
Mijery an'i Taiwan ho faritany mpioko i Shina ary mitana ny heviny fa tsy manan-jo hametraka fifandraisana ara-panjakana ity firenena nosy ity. Takiana ny hampiharan'ny firenena rehetra manana fifandraisana ara-diplomatika amin'i Shina izany fijoroana izany.
Araka ny filazan'ilay mpahay toekarena, Fernando Masi, “mety ho betsaka kokoa ny herijika hananganana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Shina, ao anatin'ny dimy taona manaraka, miaraka amin'ny governemantan'i Alegre, noho ny an'i Santiago Peña” hoy izy. Amin'izao fotoana izao, nivoady ny filoha voafidy Peña fa hitazona ny fifandraisany ofisialy amin'i Taiwan.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/05/19/164075/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/