(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Nofoanana ny fihetsiketsehana Fetin'ny Asa tao Hong Kong taorian'ny fanjavonan'ny mpikarakara [1]
['Hong Kong Free Press']
Date: 2023-05-11
Ny dika tany am-boalohany tamin'ity tatitra ity dia nosoratan'i Lea Mok ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 26 Aprily 2023. Navoaka ato amin'ny Global Voices ity dikan-teny novaina manaraka ity noho ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny HKFP.
Nofoanana ny diaben'ny Fetin'ny Asa nokasaina natao tao Hong Kong rehefa tsy hita nandritra ny adiny efatra ny iray tamin'ireo mpikarakara azy tamin'ny 26 Aprily 2023. Nokasaina hatao ny 1 Mey ny hetsika mba hanamafisana ny zon'ny mpiasa.
Napetrak'ireo mpikatroka Denny To sy Joe Wong, mpikambana taloha tao amin'ny fiaraha-mitantana mpomba ny demokrasia efa tsy misy intsony, ny Kaonfederasionan'ny Sendikà ao Hong Kong (HKCTU) ny fangatahana famoriam-bahoaka. Namoaka fanavaozam-baovao tsy tapaka momba ny satan'ny fangatahana izy ireo tao amin'ny pejy Facebook, Hong Kong May Day.
Ny marainan'ny 26 aprily, nisy fanambaràna tao amin'ny pejy Facebook-n'izy ireo nilaza fa nanjavona tao an-tranony i Joe Wong ary tsy tratra antso nanomboka tamin'ny 7:30 maraina.
His family and friends suspect that Wong might have been taken away by the police for investigation or arrested. They have contacted lawyers to follow up.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/05/11/163908/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/