(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .
Nosamborina fa noahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny ilay menavazana mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Hong Kong [1]
['Oiwan Lam']
Date: 2023-04-18
Nosamborina tany Hong Kong teo ivelan'ny fonjan'i Stanley tamin'ny 9 martsa 2023 i Elizabeth Tang, menavazana mpikatroka ny zon’ny mpiasa ao Hong Kong sady sekretera jeneralin'ny Sendikan'ny Mpiasa An-trano Iraisampirenena ankehitriny, rehefa avy nitsidika ny vadiny Lee Cheuk Yan, lehiben'ny Kaonfederasionan'ny Sendikà any Hong Kong izay rava ankehitriny sady filohan’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena teo aloha Fiaraha-mitantana ao Hong Kong ho fanohanana ny Hetsika Demokratika Tia Tanindrazana ao Shina (HK Alliance).
Niampanga azy ho “miray tsikombakomba amin’ny tafika vahiny” ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana ao an-tanàndehibe. Navotsotra i Tang roa andro taty aoriana, tamin'ny 11 Martsa, rehefa nandoa onitra HKD 200.000 (tokony ho 25.500 dolara amerikana), raha nogiazana avokoa ny pasipaorony, ny findainy, ny karatra fakana vola.
Taorian'ny famotsorana an'i Tang, nosamborin'ny polisy ny mpisolovavany sy ny rahavaviny:
NEW: Police has also arrested unionist Elizabeth Tang’s lawyer Fred Ho and her sister on suspicion of “conspiracy to pervert the course of justice” for “taking away exhibits” in Tang’s case, shortly after Tang is released on bail, @mingpaocom reports.
https://t.co/NvXQSDXq3t
Nifindra tany Angletera ilay mpikatroka 65 taona tamin'ny volana Septambra lasa teo ary niverina tany Hong Kong vao haingana mba hitsidika ny vadiny, 66 taona, izay any am-ponja noho ny fikarakarana sy ny fandraisana anjara tamina fivoriambe tsy nahazoana alalana teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2020. Mbola miandry ny fitsarana azy noho ny fiampangana fa “fanentanana hanongana ny fahefam-panjakana” araka ny Lalàna momba ny Fiarovam-pirenena (NSL), miaraka ny an'ireo mpikatroka roa hafa, Albert Ho sy Chow Hang Tung, noho ny fizirizirian'izy ireo amin'ny fankalazana ny fahatsiarovana ny famoretana nahitana rà mandriaka nandritra ny Hetsi-panoherana tao amin’ny Kianja Tiananmen tamin’ny 1989. Ireo mpikatroka telo ireo no mpikarakara lohalaharana ao amin'ny HK Alliance, izay nampiantrano ny fiaretan-tory tamin'ny 4 Jona fanao isan-taona tao amin'ny Victoria Park ao Hong Kong hatramin’ny nanerena ny fikambanana ho rava tamin'ny volana Septambra 2021.
Nolazain'i Tang tamin'ny mpanao gazety fa tsy nampoiziny ny fisamborana azy satria ny zon'ny mpiasa no ifantohan'ny asany , ary tsy azony ny antony mety hampidi-doza izany amin'ny fiarovam-pirenena.
Niandry teo ivelan'ny fonjan'i Stanley ny mpanao gazety avy amin'ny fampahalalam-baovao tohanan’ny fanjakana Wen Wei Po ary nandrakitra an-tsary ny polisy misahana ny fiarovana ny tanàndehibe nisambotra an'i Tang tamin'ny 9 Martsa. Niampanga ny fikambanan'i Tang teo aloha, Asia Monitor Resource Center (AMRC) sy ny Kaonfederasionan'ny Sendikàn'ny Mpiasa ao Hong Kong (HKCTU) izay efa rava ankehitriny ihany koa ny gazety, ho nahazo famatsiam-bola avy any ivelany. Fikambanana mpikaroka momba ny zon'ny mpiasa ny AMRC, izay naorina tamin'ny taona 1968 ary miorina ao Hong Kong. Nafindra toerana avy any Hong Kong ho any Seoul tamin'ny volana Septambra 2021 izany tao anatin'ny famoretana nataon'ny fanjakana tamin'ny fiarahamonim-pirenena, raha noravana tamin'ny volana Oktobra 2021 kosa ny HKCTU, izay naorin'ny mpivady mpikatroka Tang sy Lee tamin'ny taona 1990.
Mpandrindra ny HKUTC teo anelanelan'ny taona 1995 ka hatramin'ny 2011 i Tang ary niditra tao amin'ny Federasiona Iraisam-pirenena misahana ny Mpiasa An-trano taty aoriana, izay manana tambajotram-pikambanana miisa 81 any amin'ny firenena miisa 63. Izy no sekretera jeneralin'ny fikambanan'ny mpiasa maneran-tany amin’izao fotoana izao.
Samy nanentana ny hamotsorana an'i Tang ny Fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, Amnesty International sy ny Hong Kong Watch any Angletera. Nanakiana ny fihetsika ho “fanafoanana mitohy ny feon'ny mpanohitra” ny Amnesty ary nanasongadina ny mahatsikaiky ny fisamborana an'i Tang tao amin'ny fanambarana ny Hong Kong Watch:
The arrest of Elizabeth Tang coming a day after we celebrated International Women’s Day is a stark reminder that Beijing’s quislings in Hong Kong have little respect for those who advocate labour, civic, and political rights.
It is clear that the National Security Police with an overinflated budget and egged on by the pro-Beijing media in Hong Kong will continue its human rights crackdown and its cycle of arrests and fear.
[END]
---
[1] Url:
https://mg.globalvoices.org/2023/04/18/163200/
Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license:
https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.
via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/