(C) Global Voices
This story was originally published by Global Voices and is unaltered.
. . . . . . . . . .



Ao Mali, ny mozika no manome ny sarin'ilay firenena [1]

['Jean Sovon']

Date: 2023-03-20

Ananan'i Mali ny karazana mozika tena marolafy noho ny fanànany foko maro samihafa, fiteny sy kolontsaina isankarazany. Lasa iray amin'ireo toerana avo fanandratana ny vakoky ny mozikan'i Afrika araka izany ilay firenena.

Efa hatrany amin'ny fahaleovantenany tamin'ny 22 Septambra 1960 no niainga io faniriany hamaritra amin'ny ampahany ny tenany amin'ny alàlan'ny kolontsainy io: avy hatrany ireo manampahefana tamin'izany fotoana izany dia nametraka pôlitika nikendry ny famoronana sy ny fampielezana ny maripamantarana nasiônaly maliàna, loharanon'ny maha-ara-drariny. Araka izany, nambaran'i Modibo Kéïta, filohampirenena voalohany tao Mali, tao anatin'ny kabariny nataony tao amin'ny kianja filalaovana tao Bamako tamin'ny 9 Jolay 1967, nandritra ny famaranana ny « herinandrom-pirenena ho an'ny tanora » fa :

Io finiavana pôltika io no nanosika ireo Maliàna hampiroborobo ny maripamantarna manokana azy tamin'ny alàlan'ny mozika indrindra indrindra. Rehefa nekena ho isan'ny vako-pirenena, ireo zavamaneno ampiasain'io mozika io no voalohany mampiavaka azy, toy ny n’goni (zavamaneno mampiasa tady tsaingohana), ny kora (zavamaneno mampiasa tady), ny balafon (zavamaneno velesina) ary ny dumdum (fitambarana zavamaneno maromaro velesina) izay mahatonga ny famokarana mozika ao amin'io firenena io hiavaka manokana.

Ity lahatsary ity dia ahitàna ny kora lalaovin'i Toumani Diabaté sy ny zanany lahy Sidiki Diabaté, roa samy goavana amin'ny fiangaliana io zavamaneno io:

Misy vehivavy ihany koa milalao io zavamaneno io, toy ny asehon'ity lahatsary ity:

5+ sleeps until 5th birthday on April 7. To get in the mood, here a sneak preview of the excitement. Madina Ndiaye from Mali, the first female kora player, playing music composed for us, but there is a surprising twist. Curious? Join us by sending an Email to [email protected] pic.twitter.com/r19VTM1RGP

— Voice (@voicetweetz) April 2, 2021

[END]
---
[1] Url: https://mg.globalvoices.org/2023/03/20/163288/

Published and (C) by Global Voices
Content appears here under this condition or license: https://globalvoices.org/about/global-voices-attribution-policy/.

via Magical.Fish Gopher News Feeds:
gopher://magical.fish/1/feeds/news/globalvoices/